10/10/2026
๐ฒ๐ฌ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ : ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐, ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐ฒ๐ฌ
Manoloana ny fanomanana ny fankalazana ny 14 Oktobra 2026, dia mandray anjara mavitrika aminโny fanatsarana ny endriky ny tanร nanโAntsohihy ny fikambanana tanora AJASA, izay anisanโireo fikambanana mpikambana ao aminโny Plate-forme des Associations des Jeunes Antsohihy.
Anisanโny hetsika tanterahinโizy ireo ny fanadiovana, ny famelomana loko ary ny fanatsarana ireo toerana mampiavaka ny tanร na. Ezaka madiodio avy aminโny fikambanana sy ireo tanora mpikambana ao aminy ireo asa ireo, ho fanehoana ny finiavana sy ny fandraisana andraikitra aminโny fampandrosoana ny fiarahamonina.
Ho fanajana ny lamina ara-dalร na, dia efa nandefa taratasy fangatahana alalana taminโireo tomponโandraikitra eo anivonโny Kaominina Antsohihy ny AJASA, mialoha ny fanatanterahana ireo hetsika.
Aminโny alalanโizany no anehoanโny AJASA fa manana anjara toerana lehibe aminโny fanatsarana ny tanร na sy ny fanomanana ny fankalazana ny 14 Oktobra ny tanora, indrindra rehefa miray hina sy vonona handray andraikitra.
๐ฒ๐ฌ AJASA: Association des Jeunes Actifs dans le Secteur Nยฐ2 ankirirky-Sud I Antsohihy.