PAJ - Antsohihy

PAJ - Antsohihy ✨ Plateforme des Associations des Jeunes du district d'Antsohihy - PAJ 🇲🇬✊

23/03/2026
Faly miarahaba ny vehivavy rehetra maneran-tany amin'ny zao fankalazana ny andro maneran-tany hoany vehivavy izao fa ind...
08/03/2026

Faly miarahaba ny vehivavy rehetra maneran-tany amin'ny zao fankalazana ny andro maneran-tany hoany vehivavy izao fa indrindra ny Tanora vehivavy ato amin'ny faritra sofia , ianareo toy ny vody fonesy maniry agnivon_tanagn, vahany maniry manjary anteragna , vodiny manjary hiankinagna, raviny manjary hialofagna, ka noho zany mavesatra de mavesatra ny adidy hiantsohoranareo isan'andro, mendrika ihany koa ny hisitraka zo feno amin'ny maha olona eo amin'ny sehatra rehetra eran-tany
sanatria tsy ho hirahiraina fotsiny ny fahazoana zò fa ampiasaina ary harovana toy ny mitandrina zanaka andriamaso, ✊

Fantaro ,Takio ary arovy ny zonao ✊✊

🎓✨ Fanamafisana ny fahaiza-manao nomerika ho an’ny mpianatra eny amin’ny Université 💻📚Tamin’ny Zoma lasa teo dia nanatan...
01/03/2026

🎓✨ Fanamafisana ny fahaiza-manao nomerika ho an’ny mpianatra eny amin’ny Université 💻📚
Tamin’ny Zoma lasa teo dia nanatanteraka fampiofanana sy fifampizarana traikefa izahay tao amin’ny IUTAM Antsohihy 🎓, natokana ho an’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite. 🤝
Nifantoka tamin’ny fampiasana Internet amin’ny fomba matihanina ny fiofanana 🌐💡, indrindra ny fomba fitadiavana offre 📢 sy ny fandefasana candidature amin’ny alalan’ny Gmail 📩:
✔️ fanoratana mailaka araka ny tokony ho izy
✔️ fametahana CV 📄
✔️ fomba fanehoana fahamatorana rehefa mifandray amin’ny sehatra matihanina 💼
Tena nahafaly anay ny nahita fa liana sy nandray anjara mavitrika ny mpianatra 🙌🔥. Betsaka ny fanontaniana napetraka ❓ ary nazoto nanao fanazaran-tena mivantana izy ireo 💻✍️. Naneho fahavononana hianatra sy hanatsara ny fahaiza-manaony amin’ny tontolo nomerika izy ireo 🚀.
Manaporofo izany fa rehefa omena fahalalana sy tari-dalana ny tanora 📘✨ dia vonona handroso sy hanararaotra ireo fahafahana misy amin’ny Internet 🌍. Dingana iray lehibe mankany amin’ny fanomanana azy ireo hiditra amin’ny tontolon’ny asa izany 💼🎯.
Mandroso miaraka amin’ny fahalalana sy fahavononana ✨💙

...🤝🤝Taorian'ny fanatanterahana ny adidy fambolen-kazo izay niarahana tamin'ny CCJ Antsohihy sy ny tao amin'ny Direction...
21/02/2026

...🤝🤝Taorian'ny fanatanterahana ny adidy fambolen-kazo izay niarahana tamin'ny CCJ Antsohihy sy ny tao amin'ny Direction regionale de la jeunesse et sport sofia dia nitandrozotra ny tanora tato amin'ny PAJ Antsohihy nanao adidy hoan'ireo mpianatra zanaka faritra Sofia traboina nohon'ny fandalovany cyclone Gezani Tany Toamasina, Izay notarihiny Filohan'ny PAJ A, ka manentana hatrany atsika mpianara belona haneho firaisan-kina hoan'ireo havana traboina...🤝

Tanora managna ny maha izy azy raha eto Antsohihy, filoha mpitarika ny Association des Dances  eto Antsohihy (ADA)  no s...
18/02/2026

Tanora managna ny maha izy azy raha eto Antsohihy, filoha mpitarika ny Association des Dances eto Antsohihy (ADA) no sady Conseiller ato amin'ny plateforme Des association des jeunes Antsohihy , mitsingerina androany ny taona nahaterahany, ka miarahaba azy atsika mba ho hahazo ny fahasoavana sy izay iriny ary koa mirary soa hoazy amin'ny adidy izay hiandreketany 👑

🌱   : Miara-mamboly ho an’ny Tontolo Iainana! 🌍Androany, tanora 200 👩‍🌾👨‍🌾 no niara-nanorina ny hoavy maitso tao Bekitro...
14/02/2026

🌱 : Miara-mamboly ho an’ny Tontolo Iainana! 🌍

Androany, tanora 200 👩‍🌾👨‍🌾 no niara-nanorina ny hoavy maitso tao Bekitrobaka : zanakazo 1000 🌳🌱 no novolena, ireo hazo voavoly ireo dia isany mandray, fihinamboa. 🌿

Ity hetsika ity, teo ambany fiadidihan’ny Direction Régionale de l’Environnement et du Développement Durable Sofia (DREDD Sofia) ary natokana ny ireo havy ao amin’ny lehibe faritra, ka dia maneho fa miara-miasa isika rehetra mba hiarovana ny natiora. 🏛️

Nisy koa ny fiaraha-mientan’ny sampandraharaha maro sy ny hery fiarovana: zandarmeria 👮‍♂️, miaramila 🪖 ary rantsamangaikan’ny fanjakana samihafa 🏢. Isaorana manokana ireo mpanao gazety 📸 nanotrona sy nandrakotra ny hetsika.
💚🌍 Firaisankina, Fitiavana ny Tontolo Iainana, Asa Mivaingana! 🤝🌿

Tsara marihina fa :
Tanora ireo dia efa vonona hanara-maso ireo hazo novolena afaka 3 volana, mba tsy ho asa very maina fa ho lasa hoavy maitso maharitra. 🌱✨

🌱 TONGA NY FOTOAÑA HIARAÑA MAMBOLY KAKAZORy havana, ry namana, sy manodidina jiaby eto Antsohihy – na sivily, na miarami...
05/02/2026

🌱 TONGA NY FOTOAÑA HIARAÑA MAMBOLY KAKAZO

Ry havana, ry namana, sy manodidina jiaby eto Antsohihy – na sivily, na miaramila, na lelahy, na viavy ! 🌿
Tsy asa tsotra fotsiny izany, fa asa manangana aiñy, mampiray fo, manpiray hina ary manome hoavy mamiratra ho an’ny taranaka faramandimby.

Hoy ny razamben-tsika:
“Koa te ho ela veloño, mitsabo kakazo.”
Sarobidy loatra ny aina, ka mendrika ny hajaina sy karakaraina. Raha volena sy voakarakara ny kakazo androany, dia ho velona tsara ny aina rahampitso, ho voaaro ny tontolo iainana, ary ho hoavy tsara ho an’ny zanantsika. 🌱💚

📅 Daty : 14 Febroary 2026
⏰ Ora : 6 ora maraina
📍 Toerana : Bekitrôbaka
🛠 Ento miaraka : Angady

Andao hiara-mamboly kakazo, hiara-mamboly aina sy hoavy!
“Lainy mamboly kakazo, mampatanjaky aina.” 🌿

Antsoina hivory ny fikambanana Tanora  sy Tanora rehetra tsy ankanavaka eto Antsohihy ny alahady 01 fébroary 2026 , à 14...
31/01/2026

Antsoina hivory ny fikambanana Tanora sy Tanora rehetra tsy ankanavaka eto Antsohihy ny alahady 01 fébroary 2026 , à 14h 30 ao amin'ny IUGM farafangahely, Tongava maro fa zava -dehibe no hodinihina ✍✍

Mankasitra ny Tanora ao  amin'ny Association des danses tradutionel Drakabe Antsohihy ,maromaroa tahaka ity
04/01/2026

Mankasitra ny Tanora ao amin'ny Association des danses tradutionel Drakabe Antsohihy ,maromaroa tahaka ity

26/12/2025

📢 HAZAKAZAKA "RODOMBE" 🏃🏃🏃

▶️ Ndao hiaraka hamarana ny Taona 2025 tsika amin'ny alalan'ny hazakazaka "RODOMBE", izay karakarain'ny Plateforme des Associations des Jeunes Antsohihy.
💪 No sady hitsenantsika ny taona vaovao 2026.

☝️Eo amin'ny RondPoint Philibert Tsiranana ny fotoana ny talata 30 desambra 2025 amin'ny 5ora maraina.

🏋️ "Vatana salama, saina tomady"

📸FI.TA:   ASA TANAMARO – FANAMBOARAN-DALANA 💪🤝Satria indraindray, ny fandrosoana dia tsy avy any ambony fa avy amin’ny t...
14/12/2025

📸FI.TA: ASA TANAMARO – FANAMBOARAN-DALANA 💪🤝
Satria indraindray, ny fandrosoana dia tsy avy any ambony fa avy amin’ny tanana maro 😉

Tontosa soa aman-tsara tanteraka ny asa fanamboaran-dalana teto amin’ny Fokontany Ankiririky Nord 1,
izay nomboko tamin’ny Sambotsy 13 Décembre 2025 ary nifarana tamin’ny Dimanche 14 Décembre 2025.
Fotoana fohy, asa mafy, ary hatsembohana betsaka… fa vokatra hita maso 👀✨

Asa tanamaro nahavory olona maro avy amin’ny fokontany,
notarihin’ny Filohan’ny Fokontany Ankiririky Nord 1,
ho porofo fa rehefa miandry ela loatra ny fanampiana,
dia mihetsika aloha ny firaisankina 🙌
Satria ny lalana tsara dia tsy vitan’ny teny fa vitan’ny asa 😇

🙏 Isaorana manokana ireo rehetra nandray anjara —
tanora mavitrika,
raiamandreny feno traikefa,
mpiara-monina tsy nijanona ho mpijery,
ary ireo sampan’asa rehetra —
izay nanolotra ny heriny sy ny fotoanany hanatsarana ny endrik’i Cartier.
Kely angamba ny fitaovana, fa lehibe ny finiavana 💛

💧 Ny fanamboaran-dalana dia andraikitsika rehetra,
ary ny fiaraha-mientana toy izao no antoka ho amin’ny
cartier madio, mirindra ary mandroso…
ary eny, tsy dia mampitombo intsony ny hadisoam-panantenana rehefa avy orana 😌🛣️

Address

Centre Ville
Antsohihy

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when PAJ - Antsohihy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share