CCI Sofia-ONG Magnavotra

CCI Sofia-ONG Magnavotra Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from CCI Sofia-ONG Magnavotra, Non-Governmental Organization (NGO), Maison Jaune derrière Hotel Paradisier, Drahoa Antsohihy, Antsohihy.

- Appui des Micro, petites et moyennes entreprise
- Mise en rélation avec Opérateurs de marché
- Fomations sur différentes thèmes- Création et opérationalisation des Groupement d'épargne
- Insértion Professionnelle

« GLOBAL MONEY WEEK » na « HERINANDRO MANERAN-TANY HOAN’NY VOLA »Lohahevitra hoan’ny taona 2025 : « AZA MANARAKA AM-BOKO...
20/03/2025

« GLOBAL MONEY WEEK » na « HERINANDRO MANERAN-TANY HOAN’NY VOLA »

Lohahevitra hoan’ny taona 2025 : « AZA MANARAKA AM-BOKONY, AMPIASAO AM-PAHENDRENA NY VOLANAO »

Hoan’ny faritra Sofia, dia notontosaina androany alakamisy 20 martsa 2025 teto Antsohihy ny hetsika nanamarihana ny « GLOBAL MONEY WEEK » na « HERINANDRO MANERAN-TANY HOAN’NY VOLA ».

Izany dia nokarakarain’ireo Rafitra mpanohana Vondrona Fitehirizana sy Findramam-bola mijoro eny anivon’ny fiarahamonina (La Clé Telo) na « CLUSTER DES PROMOTEURS DES GROUPES D’EPARGNE ET DE CREDIT » sy ireo rafitra misahana resaka ara-bola na « ENTITES FINANCIERES », izay nahitana ireo avy amin’ny : ONG MAGNAVOTRA, OSDRM, BRED, PAMF, SMECC, ACEP, ORANGE, YAS, DURELL, PAOSITRA MALAGASY.

Ny lanonana dia notronin’ireo Solontenam-Panjakana maro samihafa toy ny avy amin’ny Faritra, Prefektiora, Kaominina Antsohihy, Tribonaly, sns., izay natomboka tamin’ny « CARNAVAL » namakivaky ny tampotananan’ny Antsohihy, nitohy tamin’ny fifandimbiasana fandraisam-pitenenana, ny fitsidihana ireo trano eva sy fanolorana loka hoan’ireo ankizy mpianatry ny Sekoly CEG Haute Ville Antsohihy izay nahazo izany tamin’ny fandraisany anjara namaly fanontaniana maromaro ny 19 martsa 2025, ary nifarana tamin’ny fiarahana niala hetaheta.

Nandritran’ilay lanonana moa dia samy nanazava ireo andraikitra sy sehatra iasany hy rafitra tsirairay.

Raha tsiahivina moa, hoan’ny ONG MAGNAVOTRA, ny sehatra iandraiketany dia ny fanohanana ireo orinasa madinika na salantsalany ka ny tohana dia azo sokajiana 02 lehibe dia :
-Ny fanohanana tsy ara-bola : lalam-barotra, fiofanana, fampivondronana ho fikambanan/kaoperativa, sns.
-Ny fanohanana ara-bola : Fananganana sy fampandehanana ireo La Clé Telo na GVEC, fampifandraisana amin’ny rafitra misehatra ara-bola, sns.

Maro ny hafatra nampitaina nandritran’izany ka antenaina fa nahazo voandalana tsara ireo olona tonga niatrika izany toy ny tamin’ny taona 2024 izay nanombohana ilay hetsika.
Ka ho anao tsy tonga dia tongava amin’ny hetsika amin’ny taona 2026 ary indrindra aza misalasala manatona ireo rafitra voatanisa eo ambony raha misy fanazavana fanampiny tiana ho azo.




08 MARS 2025Miarahaba ny vehivavy rehetra amin'izao andro manandaja izao.Mirary soa 😘
08/03/2025

08 MARS 2025

Miarahaba ny vehivavy rehetra amin'izao andro manandaja izao.

Mirary soa 😘

Address

Maison Jaune Derrière Hotel Paradisier, Drahoa Antsohihy
Antsohihy
407

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when CCI Sofia-ONG Magnavotra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to CCI Sofia-ONG Magnavotra:

Share