21/05/2026
🔴 𝗖𝗢𝗡𝗖𝗘𝗥𝗧𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗗𝗘𝗦 𝗝𝗘𝗨𝗡𝗘𝗦 𝗘𝗧𝗢 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 : 𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗙𝗘𝗢𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡𝗢𝗥𝗔 𝗡𝗢 𝗛𝗔𝗩𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗦𝗬 𝗛𝗔𝗧𝗢𝗟𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗢𝗜𝗕𝗘
___________
➡ Notanterahina androany 21 mey teto Mandritsara ny “Concertation des Jeunes”, fakan-kevitra lehibe iarahana amin’ireo tanora eto anivon’ny distrika. Sambany no nisian’izao hetsika izao teto amin’ny distrikan’i Mandritsara, ary tanora maherin’ny 200 no tonga nandray anjara sy nanotrona izany.
📌 Nambara nandritra ny fotoana fa tsy hatao fitaovana ara-politika intsony ny tanora manomboka izao. Anisan’ny fototra ijoroan’ny fitondram-panjakana ankehitriny rahateo ny tanora, ka ny feon’izy ireo no andrasana sy hoentina hapetraka amin’izao concertation izao.
✔ Lohahevitra maro no nodinihina nandritra izany, toy ny tontolo iainana, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny asa sy fampananan’asa, ny jiro sy rano fisotro madio, ary ireo lafiny ara-tsosialy maro samihafa izay heverina fa manahirana sy mahasarotra ny fiainan’ny tanora.
📌 Tonga nanome voninahitra sy nanotrona ity “Concertation des Jeunes” ity ny Solombavambahoaka Rasolomanana Beby Olivier, ny Lehiben’ny Distrikan’i Mandritsara, ny Tale Paritry ny Fahasalamam-bahoaka Sofia, ary ireo tompon’andraikitra ara-panjakana maro eto anivon’ny distrika.
_______________
Tatamo - Radio Mangarahara