Union des OSCs DIANA

Union des OSCs DIANA Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Union des OSCs DIANA, Nonprofit Organization, DIANA, Antsiranana.

Sensibiliser et mobiliser pour la protection de l'environnement Γ  travers le lancement d'alertes Γ©cologiques et plaidoyer en faveur de politiques durables dans la rΓ©gion de DIANA.

π—™π—”π— π—£π—œπ—›π—”π—©π—”π—‘π—”π—‘π—”, π—‘π—Όπ˜€π˜† π— π—Άπ˜π˜€π—Άπ—ΌManoloagna ny disadisa ara-piarahamonina izay nisy teto aminay NOSY MITSIO, kominina Antsombon...
26/04/2026

π—™π—”π— π—£π—œπ—›π—”π—©π—”π—‘π—”π—‘π—”, π—‘π—Όπ˜€π˜† π— π—Άπ˜π˜€π—Άπ—Ό

Manoloagna ny disadisa ara-piarahamonina izay nisy teto aminay NOSY MITSIO, kominina Antsombondrona, Distrika Ambilobe dia notanterahina ny zoma faha 24 Aprily 2026 ny fampihavanana ny andaniny sy ny ankilany. Tsiahivana fa tamin'ny volana Febroary 2024 dia nisy olona 6 no nosamborin'ny 𝗭𝗔𝗑𝗗𝗔π—₯𝗒 tao 𝗔𝗺𝗯𝗢𝗹𝗼𝗯𝗲 noho ny fiarovana ny tany sy ny zo fananan-tany hoan'ny mponina eto Nosy Mitsio. Rehefa nafahan'ny Fitsarana madiodio moa ireo voasambotra dia niakatra amin'izay ny hatezaran'ny mponina ka nanilika ireo andian'olona vitsivitsy izay nanao tondromolotro, ka tsy nizaka ny zo ifampifehezan'ny fiaraha-monina intsony teto an-toerana izy ireo. Taty afara, nahatsapa ary niaiky ny heloka vitany izy ireo, ka nanatona ny olo be an-tanana sy ny vahoaka mba hangataka famelan-keloka.

Henin-kaja amam-boninahitra ny fampihavanana izay natao teto satria natrehin'ny Ray aman-dreny ara-drazana " Son excellence" Mpanjakan ISSA Tsimiaro III, sy ireo OLO BE an-tanana, ireo solontegnam-mpanjakana isan-tsokajiny, ny avy RΓ©gion DIANA, ny Fitaleavam-paritra sy ny Fandrosoana Lovain-jafy, teo koa ny Lehibe lefitra ny Distrika Ambilobe, ny ben'ny tanana Antsobondrona, ireo solontegnan'ny firaisamonim-pirenana Faritra DIANA etc... miaraka @ ireo vahoaka eto NOSY MITSIO, ka niravona ny disadisa.

Isaorana manokana Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana, Col Michael, izay nanomeo lanja izao fampihavanana izao ka nanolotra aomby iray. Isaorana koa ny WCS, izay nanao ny fandaminana rehetra @ lafiny tekinika ary nanolotra aomby iray ihany koa. Ny aomby iray faha telo dia avy tamin'ireo zay nibaboko. Isaorana ianareo mpiaramiombon'antoka rehetra eto Madagasikara sy any ampitan-dranomasina..

Address

DIANA
Antsiranana
201

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Union des OSCs DIANA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share