04/03/2026
🇲🇬 [ANTOKA HO AN’NY HO AVY] : Générations Ho an’i Madagasikara, HO FAMPISANDRATANA NY TANORA MBA HO MARIKY NY FANAVAOZANA TENA IZY 🚀
Tsy mpanara-dia fotsiny isika, fa isika no mpandrafitra ny fanovana!
Ny Générations Ho an’i Madagasikara (G.H.M.) dia handray anjara mavitrika sy ara-stratejika amin’ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny Tanora. Diingana lehibe anakiray ho an’ny Tanora sy ny Repoblikan'i Madagasikara ity, ka noho izany, ny GHM dia mijoro ho levier mampisondrotra ny feon’ny tanora rehetra mba ho tontosa tokoa ny fanorenana ny Fototry ny Fanavaozana (Socle de la Refondation).
Nahoana no zava-dehibe ny anjara asantsika Tanora?
Satria maherin’ny 70%-n’ny mponina no latsaky ny 30 taona, ny GHM dia mino fa ny hevitry ny tanora no anisan'ny ho fototry ny politikam-panjakana.
Ny fanantenantsika amin’ity fihaonambe ity:
✅ Fandraisana anjaran'ny rehetra (Inclusivité) : Tsy misy tanora adino, na ny any amin’ny Faritra 23 manerana ny Nosy na ny any ampitan-dranomasina (Diaspora).
✅ Fampitomboana ny fahaiza-manao : Hanamafy ny fahaiza-mitarika (leadership) sy ny fandraisana andraikitra ho olom-pirenena vanona.
✅ Fahamarinana : Hiantoka fa ny soso-kevitra avy any amin’ny Fokontany sy Kaominina dia tafiditra an-tsakany sy an-davany eo amin’ny sehatra nasionaly.
Ireo lohahevitra harovantsika:
⚖️ Fitantanana : Ady amin’ny kolikoly sy fangaraharan’ny andrim-panjakana.
🎓 Sôsialy & Politika : Fampianarana, fidirana amin’ny aterineto ary fanabeazana ho olom-pirenena.
🌱 Toe-karena & Tontolo iainana : Asa, fandraharahana, fambolena ary fiarovana ny tontolo iainana.
Fihaonana ny 11 Marsa 2026! 🗓️
Ho eo isika hitondra ny vina : Madagasikara tarihin’ny olom-pirenena mahitsy sy tompon’andraikitra.
👉 Mandraisa anjara amin’ny fanovana! Inona ny laharam-pahamehanao ho an’ny faritra misy anao?
========================================
GHM : LE LEVIER DE LA JEUNESSE POUR UNE REFONDATION CONCRÈTE 🚀
L’avenir de Madagascar se dessine aujourd'hui ! Générations Ho an’i Madagasikara (G.H.M.) annonce sa participation stratégique à la Concertation Nationale des Jeunes. Nous nous positionnons comme le levier essentiel pour garantir que cette étape de la vie de notre République soit une réussite.
Nos engagements :
✅ Inclusivité : Porter la voix des 23 régions et de la Diaspora.
✅ Capacitation : Renforcer le leadership et le plaidoyer des jeunes.
✅ Fidélité : Veiller à ce que les recommandations de la base (Fokontany, Communes) soient réellement intégrées dans la Refondation.
Rendez-vous le 11 Mars 2026 pour porter ensemble notre vision d'une gouvernance intègre et participative!
Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM
Primature - Lapan'i Mahazoarivo
Ghm Mandritsara Officielle
Générations Ho an'i Madagasikara, Faritra Menabe
Générations Hoan'ny Madagasikara Anôsy
Générations Ho an'i Madagasikara Analamanga
𝐆𝐞́𝐧𝐞́𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐇𝐨 𝐚𝐧'𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚
Générations Ho an'i Madagasikara Vakinankaratra
Ministère de la Jeunesse et des Sports
Ministère d'État auprès de la Présidence en charge de la Refondation
Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina