06/10/2026
📱 FACEBOOK : ZAKANTSIKA VE NY FAMPIASANA RÉSEAUX SOCIAUX?
Raha izaho manokana, toa mbola tsy zakantsika Malagasy tsara ny fampiasana ny réseaux sociaux, indrindra fa Facebook.
Indraindray mantsy, zavatra kely dia lasa ady,
hevitra samihafa dia lasa fifandirana,
ary ny zavatra tokony ho fialamboly na fifampizarana hevitra dia lasa toerana ifampitsarana sy ifanomezan-tsiny.
❓ Fa ianao ahoana ny hevitrao?
👉 Tena tsy mbola mahay mampiasa Facebook amin’ny fomba tsara ve isika Malagasy, sa efa mahay fa ny olona sasany ihany no mampiasa azy amin’ny fomba diso?
💬 Aza matahotra milaza ny hevitrao. Adihevitra no atao eto, fa tsy fifandirana.