Aina Miray ho an'i Madagasikara

Aina Miray ho an'i Madagasikara Izay mahafoy mizara aina

Contact : 033 07 573 16

• Manana vina ho fampandrosoana ve ianao?• Manana hevitra hahafahana mandroso ve ianao?• Manam-bola tinao omena ireo sah...
28/03/2026

• Manana vina ho fampandrosoana ve ianao?
• Manana hevitra hahafahana mandroso ve ianao?
• Manam-bola tinao omena ireo sahirana ve ianao?
• Manana faniriana hametraka tantara ho an'ny taranaka ve ianao?
• Tia manampy ny sahirana sy mijery ireny olona tsy misy mpiahy eny amin'ny fiaraha-monina ve ianao?
• Manan-kevitra hahafahana mandroso mankany amin'ny fomba fijery mihabo ve ianao?

.
.

Soraty anaty Commentaire ary ny : TOERANA MISY ANAO FA VONONA IZAHAY AMIN'NY FIFANAKALOZAN-KEVITRA IZAY ATAO.

Mbola mabdray mpikambana maro manerana an'i Madagasikara ny

28/03/2026
𝗥𝗼𝘀𝗶𝗮 - 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 :✅🔥𝗠𝗶𝗸𝗲𝗻𝗱𝗿𝘆 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗼𝗲𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗮𝗿𝗮-𝗯𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝘁𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗿𝗼𝗮 𝘁𝗼𝗻𝘁𝗮. 🔹Notontosaina...
27/03/2026

𝗥𝗼𝘀𝗶𝗮 - 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 :

✅🔥𝗠𝗶𝗸𝗲𝗻𝗱𝗿𝘆 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗼𝗲𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗮𝗿𝗮-𝗯𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝘁𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗿𝗼𝗮 𝘁𝗼𝗻𝘁𝗮.

🔹Notontosaina androany Zoma 27 Martsa 2026 ny lanonam-panokafana ny Tranoben'ny varotra eo amin'i Madagasikara sy Rosia, teny amin'ny Masoivoho Rosianina eto Madagasikara.

🔹Nandritra izany, dingana lehibe amin’ny fampandrosoana ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta, ny fametrahana ny Tranoben'ny varotra Rosianina-Malagasy, hoy ny Chargé d’affaires a.i. an’i Rosia, Alexeï Buriak nandritra ny lahateniny. Maneho ihany koa ny fahalianan'ny mpandraharaha eto Madagasikara hanitatra ny fiaraha-miasany amin'i Rosia.

🔹Nilaza kosa ny Filohan'ny Tranoben'ny varotra, Riana Solofo Lala, fa ny fametrahana ity rafitra vaovao ity dia hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin'i Rosia sy Madagasikara ary hanamora ny fanatanterahana ireo tetikasa iombonana ihany koa.

📷 Ambassade de la Fédération de Russie en République de Madagascar
___________________
Araho hatrany ny pejintsika, aza hadinoina ny manisy réactions sy mizara ny vaovao.

Amin'izao fitsanganan'ny governemanta vaovao ny Fanavaozana izao dia faly miarahaba an'i :- Filohan'ny Fanavaozana- Prai...
26/03/2026

Amin'izao fitsanganan'ny governemanta vaovao ny Fanavaozana izao dia faly miarahaba an'i :
- Filohan'ny Fanavaozana
- Praiminisitra
- Ianareo mpikambana rehetra ao anaty governemanta vaovao, na ireo efa teo aloha izay tafaverina sy ireo mpikambana vaovao
- Ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo rehetra na eto an-toerana na any ivelan'ny Madagasikara.
Mahaleova mahalasana fa betsaka ny adidy miandry anareo mpikamban'ny governemanta vaovao, ary adidy masina ho an'ny Tanindrazana
Mba hiantraika amin'ny sarambabem-bahoaka tokoa anie ny zavatra ataonareo eto amin'ity Nosy malalantsika ity.

Mankahery hatrany ny PRRM, ny PM ary ianareo mpikamban'ny governemanta.

Mba ho an'i Tanindrazana tokoa anie ianareo araky ny ambeti-tenin'i Filohan'ny Fanavaozana.
Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM
Ministère Chargé de la Refondation
Ministère de la Jeunesse et des Sports
Aina Miray ho an'i Madagasikara

Kely sisa...
25/03/2026

Kely sisa...

𝗙𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻'𝗶 𝗧𝗼𝗮𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 :✅🔥Nanolotra vola 650.000.000 Ariary hanarenana toby miaramila simban'ny rivodoza ny orinasa T...
22/03/2026

𝗙𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻'𝗶 𝗧𝗼𝗮𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 :

✅🔥Nanolotra vola 650.000.000 Ariary hanarenana toby miaramila simban'ny rivodoza ny orinasa TSIGSHAN. Ny ONG SOA kosa nanolotra 2.850 000 000 Ariary hanamboarana ny Oniversiten'i Barikadimy izay potiky ny rivo-doza.

🔹Nambaran'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara nandritra izany androany Sabotsy fa tsy maintsy atao laharam-pahamehana ny fanarenana ity tanàna ity, ary hentitra ny Filoha ny amin'ny tokony hitsinjarana ara-drariny ireo fanampiana ho an'i Vahoaka, eo ihany koa ny famerana farany izay malaky ny jiro sy rano.

©️Faritra Atsinanana
___________________
Araho hatrany ny pejintsika, aza adinoina ny manisy réactions sy mizara ny vaovao.

Address

Antsirabe

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Aina Miray ho an'i Madagasikara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share