09/04/2026
MPIKARAMA HOAN’I MPITADY SEZA IRETO FA TSY NY « GEN Z TENA IZY » TANDREMO!!!
Ny tena Gen Z dia 16 taona naforitra, 16 taona tsy navela hiteny fa basy, lacrymogène, kibay sy gagazo… avy hatrany. 16 taona nampahatraina, 16 taona nosimbaina tanteraka…. Lava tsy voatanisa fa haitsika tsara ny tsy fanajan’i Rajoelina ny malagasy fony izy teo : Ny nakany ny taratasy vazaha, ny nanondranany ny harempirenena, ny nanomezany ny iles eparses hoan’i Frantsay, ny namotehany ny lalampirenena rehetra satria nalainy ny volan’i FER, fampianarana sy ny fampianarana ambony natao tsinotsinona….
Ankehitriny ny Fanavaozana raha vao 5 volana fotsiny no nandraisany ny fitondrana dia efa nalalaka ny fanehoankevitra, nihena ny delestage, nidina ny vidimbary, nidina ny vidimpiainana , ny lalana efa averina amboarina indray…
Olona mandinika ny Gen Z tompoko ary mahalala fa tsy mora ny hanangana ny firenena noravain’i sasany. Eny fa na ny forongony aza mba nomeny chance 16 taona.
De mino ve enao hoe fitondrana manao ny ainy tsy ho zavatra ny firenena io dia 5 volana dia ho aongany??
Tsia, mbola olombitsy voakaraman’i Rajoelina sy ny mafia-ny reo fa tsy « eveil de conscience » araky ny tiny ho ampita.
Ka dia averiko hoe: TANDREMO fa tsotra kely ny mitonona ho Gen Z fa fataro hoe tena mb mitombona ve ny zavatra lazainy.
@ Zarao