24/10/2025
Eeoooooo ! Andraso kely anie e 👋
Faly dia faly tokoa izahay mizara zavatra mahafinaritra kely momban' ny Association I'ZARA aminareo.😊
Iza mo izahay? Inona ny antony ijoroanay?🤔
Ny Association I'ZARA dia fikambanana pianatra vitsivitsy misehatra amin'ny asa sosialy, toy ny:
- Fampivoarana ny fiaraha-monina
- Fanampiana ny olona sahirana
- Fampiroboroboana ny zon'olombelona
- Fikoloana ny tontolo iainana
Tsapa fa maro amin'ny vahoaka malagasy no sahirana ara-pivelomana ary tsy misitraka ny zo fototra maha-olombelona. Izany no antony ijoroanay, miezaka manohana sy mitondra izay kely voatsirambin'ny tananay ho an'ireo sahirana.
Tsapanay ihany koa ny fahasimban'ny tontolo iainana, ary maharary anay izany. Ka izany no antony ijoroanay. Miezaka hatrany izahay hanaja ny tontolo iainana ary manentana ny tsirairay mba hanaja izany, satria tombotsoa lehibe ho antsika tsirairay ny fanajana ny tontolo iainana.
Tsy tapitra atreo anefa ny tantara... Tsy mitady doka izahay, fa ny any mba irinay dia ny hiaraka itondra fanovana ho an'ity firenentsika ity. Miezaka izahay manome ny tsara indrindra avy aminay ary manentana ny tsirairay hanome ny tsara indrindra hatrany.
Tsarovy fa tsy izahay irery no fanovana, fa isika rehetra miaraka no hanova ny firenena malalan-tsika ho amin'ny tsaratsara kokoa.
Tsy ho lava resaka fa indro misy oronantsary kely mirakitra ny zava-bitanay nandritra ny fotoana nihorenanay. Sombintsombiny ihany anefa no ho itan-tsika ao, satria iarahamalala ny alafon'ny "mega" 😂. Ka izany no antony nisafidiananay ireo hetsika nanandanja izay notaterahinay.
Amaranana azy, entano ny namana, ny fianakaviana, sns., hanaraka ny pejy. Betsaka ny lesona sy ny fampianarana afaka ampiharina amin'ny fiainana andavanandro sy ny ho avy. Ho fanohanana ny hetsika ataonay ho an'ny mpiray tanindrazana ihany koa izany.
Mankasitraka indrindra tompoko 🙏 ary mankasitraka ireo avy ao amin'ny Association I'Kalo sy ny IDS tamin'ny fanampiana fanatanterahana ny hetsika .
no fanovana . ✊️💯
Ialana tsiny indrindra amin'ny teny diso.