Association NENNY Madagascar

Association NENNY Madagascar Soutenir les femmes en difficulté pour un avenir meilleur

08/03/2024
 ́einternationaledesdroitsdesfemmes
08/03/2024

́einternationaledesdroitsdesfemmes

07/03/2024

FANGATAHANA: Mba ataovy misy dikany lay 8 marsa amin’ity fa aza atao défilé manao lambahoany sy masonjoany dia manao zumba faobe eo Anosy.

TSY FETY NY 8 MARSA FA MBOLA TOLONA SY FITAKIANA satria mbola tena marefo ny fanajana sy fampiarana ny zon’ny vehivavy maneran-tany, indrindra ao Madagasikara. Manerana an’izao tontolo izao dia midina an-dalambe ny olombelona rehetra mitoroka ny tsy rariny sy ny fanitsakitsahana ny zon’ny vehivavy fa tsy misy hoe manao fety.

🗣️Mbola maro loatra ny vehivavy iharan’ny herisetra nohon’ny amin’ny mahavehivavy azy.

🗣️ Mbola maro loatra ny vehivavy maty novonoin’ny lehilahy (féminicide)

🗣️ Mbola maro loatra ny vehivavy tsy mitovy karama amin’ny lehilahy nefa mitovy traikefa sy diploma

🗣️ Mbola maro loatra ny vehivavy iharan’ny « harcèlement sexuelle » any an-tsekoly, any am-piasana, eny an-dalambe, n’aiza n’aiza!!

🗣️Mbola maro loatra ny zazavavy tsy alefa mianatra

🗣️Mbola maro loatra ny zazavavy sy vehivavy terena hanambady, misy ny amidy na atao takalo.

🗣️Mbola maro loatra ny vehivavy tsy mahazo asa satria vehivavy

🗣️Mbola maro loatra ny vehivavy tsy avelan’ny vadiny hiasa

🗣️Mbola maro loatra ny vehivavy iharan’ny tsindry ara-bola ao an-tokatrano

🗣️ Mbola maro loatra ny vehivavy tsy mahalala akory ny tena zony

🗣️ Mbola maro loatra ny vehivavy miheritreritra fa ambanin’ny lehilahy izy ary tokony hilefitra

🗣️ Mbola maro loatra ny vehivavy voaolana ao an-tokatrano ary heveriny fa zon’ny vadiny izany

🗣️ Mbola maro loatra ny vehivavy tsy manana fahefàna amin’ny fanabeazana aizana (accès à la contraception)

🗣️ Mbola vitsy loatra ny rafitra miaro ny zon’ny vehivavy sy mandray an-tanana ny vehivavy iharan’ny herisetra amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara

🗣️ Mbola kely loatra ny 8 marsa indray mandeha isan-taona satria mbola lavitra loatra ny lalan-kombàna.

01/03/2024

🌸 Bienvenue dans notre communauté dédiée au soutien des femmes en difficulté ! 🌸
Cher(e)s ami (e)s,
C'est avec une immense joie que nous vous accueillons au sein de notre association, un lieu où l'empathie, la solidarité et l'espoir se rencontrent pour soutenir les femmes dans le besoin.
Nous sommes ici pour créer un espace où chaque femme peut trouver refuge, encouragement et les ressources nécessaires pour surmonter les défis qui se dressent sur son chemin. Qu'il s'agisse de situations de violence, de difficultés économiques, de préoccupations de santé mentale ou de tout autre obstacle, nous sommes unis dans notre engagement à offrir un soutien inconditionnel.
Dans notre communauté, chaque voix compte, chaque histoire est précieuse et chaque pas vers le bien-être est célébré. Nous croyons fermement en la force collective et en la capacité de chaque femme à s'épanouir et à réaliser son plein potentiel.
Que vous soyez ici pour chercher de l'aide, offrir votre soutien ou simplement partager votre expérience, nous vous accueillons à bras ouverts dans le respect et la confidentialité.
Ensemble, nous sommes plus forts. Ensemble, nous pouvons bâtir un avenir où chaque femme se sent valorisée, respectée et libre de poursuivre ses rêves.
Bienvenue dans notre famille. Nous sommes là pour vous, à chaque étape du chemin.
Avec tout notre amour et notre solidarité,
L'association NENNY

Address

Vatofotsy
Antsirabe
110

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Association NENNY Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Association NENNY Madagascar:

Share