05/03/2026
đČđŹTaorianâny fanokafana ofisialy ny tetikasa LAFATRA dia notanterahina ny fiofanana ho anâny andiany voalohany aminâireo vehivavy mpisitraka ny 23 hatraminâny 28 Febroary 2026.
Nandritra izany fiofanana izany dia lohahevitra telo lehibe no nampianarina ireo mpandray anjara :
âą Fiompiana kankana (lombriculture)
âą Fandraharahana (entrepreneuriat)
⹠Fampandrosoana ny tena manokana (développement personnel)
Vehivavy 40 no nahazo tombontsoa taminâity fiofanana ity, ka 20 aminâizy ireo dia vehivavy jamba sy osa maso (mpisitraka mivantana) ary 20 kosa « accompagnatrices ».
Ny dingana manaraka dia hanohana ireo mpisitraka ny FAAM aminâny fametrahana toeram-piompiana kankana eny an-tokantranonâizy ireo, mba hahafahanâizy ireo manangana asa mampidi-bola maharitra.
Kasaina hatao aminâny volana Aprily ihany koa ny fiofanana ho anâny andiany faharoa, mba hanitarana ny vokatra sy ny fiantraikanâny tetikasa.
Maneho fisaorana lehibe ho anâny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) izahay noho ny fanohanana ara-bola sy ny fandraisany anjara aminâny fanamafisana ny fahaleovantenanâireo vehivavy manana fahasembanana.
đ«đ·AprĂšs le lancement officiel du projet LAFATRA (Lombriculture, autonomisation des femmes aveugles et transformation vers lâagriculture durable), la premiĂšre vague de formation des femmes bĂ©nĂ©ficiaires sâest dĂ©roulĂ©e du lundi 23 au samedi 28 fĂ©vrier 2026.
Au cours de cette formation, trois modules principaux ont été dispensés aux participantes :
âą La lombriculture,
âą Lâentrepreneuriat,
⹠Le développement personnel.
Au total, 40 femmes ont bénéficié de cette formation, dont 20 femmes aveugles et malvoyantes (bénéficiaires directes) et 20 accompagnatrices.
Dans la prochaine Ă©tape, la FAAM accompagnera ces bĂ©nĂ©ficiaires dans lâinstallation de leurs fermes lombricoles Ă domicile, afin de leur permettre de dĂ©velopper une activitĂ© gĂ©nĂ©ratrice de revenus durable.
Une deuxiĂšme vague de formation est prĂ©vue au mois dâavril afin dâĂ©tendre les impacts du projet.
Nous adressons nos sincĂšres remerciements Ă lâOrganisation Internationale de la Francophonie (OIF) pour son soutien financier et son engagement en faveur de lâautonomisation des femmes en situation de handicap
Organisation internationale de la Francophonie (OIF)
ReprĂ©sentation de lâOIF - ocĂ©an Indien