11/07/2025
🌾Fararanom-piofanana, Fanombohan'ny fiasana sy fivoarana 🐔
Vita soamantsara ny alarobia 09 jolay 2025 lasa teo ny fizarana marim-pakasitrahana ho an'ireo mpisitraka ny fiofanana fambolena sy fiompiana tany Andranomanelatra nandritra ny 6 volana.
Nanatrika izany lalonana fizarana marim-pankasitrahana izany ny solon-tena avy amin'ny Kaominina, ny Lehiben'ny Fokontany, ny Fanainga+ ary ny ekipan'ny Association SOAMIRAY.
🌽🥕Nampiratiana tao anatin'izany ireo vokatra novokarin'ny mpisitraka rehefa nampiasa ireo fomba sy teknika fanatsarana ny fambolena sy fiompiana nampita tamin'izy ireo.
🏅Nozaraina tamin'izany fotoana izany ny loka ho an'ireo mpisitraka efatra nisongadina sy navitrika tamin'ny fampiharana ny ofana nomena.
Ny fanjohina sy ny fanarahamaso ny mpiofana dia mitohy hatrany. Hirariana indrindra ny fivoaram-piainana tsara ho an'ireto renim-pianakaviana nandray ofana ireto.
Association_soamiray