Sampati Fiv 24 FAFA

Sampati Fiv 24 FAFA Hanabe ireo ankizy sy tanora mba ho tia an' Andriamanitra, ho olom-banona ary hiasa ho an'ny tanindrazana sy ny namana.

🔥 AFO VELONA 🔥« Satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo. »— Jaona 14:19»🚩 Lasy fankankalazana noho ny faha-80 taona...
04/08/2026

🔥 AFO VELONA 🔥

« Satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo. »
— Jaona 14:19»

🚩 Lasy fankankalazana noho ny faha-80 taonan'ny Afo na Sampana Mena Mpanazava.

✨ 80 taona nisian'ny Afo, 80 taona nijoroana.
Fahatsiarovana ny lasa, fankalazana ny anio ary fanilo ho an'ny ho avy. ❤️‍🔥

📍 Atao any Madiorano – Toliara

🙏 Tonga miara-hankalaza, noho ny faha 80 taona nijoroana ny solontenan'ny Afo avy eto amin'ny SAMPATI FAFA.

🔥 Afo Velona — Satria velona Izy, velona koa isika!



🧣 ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY FEHITENDAN'NY SKOTO (World Scout Scarf Day)✨ Ankalazaina isaky ny 1 Aogositra ny Andro...
01/08/2026

🧣 ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY FEHITENDAN'NY SKOTO (World Scout Scarf Day)

✨ Ankalazaina isaky ny 1 Aogositra ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fehitendan'ny Skoto.
📆 Amin'ity andro ity dia asaina mitondra ny fehitendany mandritra ny tontolo andro ny Skoto rehetra, na aiza na aiza toerana alehany, ho mariky ny maha-Skoto sy ny fireharehana amin'ny fikambanana misy azy.

💬 Lazao ao amin'ny commentaire ny lokon'ny fehitendan'ise sy ny heviny

P.S: 💚 Maitso : Fanantenana
🩶 Volondavenona : Vato fehizoro

🎯 TOURNOI DE PÉTANQUE – DOUBLETTE 🎯☘️Ny FMT2S eto amin'ny FAFA dia faly manasa antsika rehetra tsy ankanavaka handray an...
29/06/2026

🎯 TOURNOI DE PÉTANQUE – DOUBLETTE 🎯

☘️Ny FMT2S eto amin'ny FAFA dia faly manasa antsika rehetra tsy ankanavaka handray anjara amin'ny Tournoi de Pétanque Doublette.
📅 Ny Sabotsy 11 Jolay
🕐 Manomboka amin'ny 1 ora tolakandro
📍 Izay atao ao amin'ny Complexe Sportif COTONA
📣 Entanina manokana ny isam-piangonana handray anjara sy hanohana ity hetsika ity.

Tongava maro e‼️

🚩 Ny fanehoana ny zava-bita, na "soutenance", ao amin'ny Tily Sampana Mena dia dingana iray ahafahan'ny mpiandalana mamp...
27/06/2026

🚩 Ny fanehoana ny zava-bita, na "soutenance", ao amin'ny Tily Sampana Mena dia dingana iray ahafahan'ny mpiandalana mampiseho ny fivoarany sy ny fahaiza-manao azony tamin'ny alalan'ny tetikasa notanterahiny.
⚜️ Ny tanjona amin'izany dia ny hanaporofoana fa tratra ireo zava-kendrena napetraka tany am-piandohana.
✨ Tontosa soamantsara izany androany, Sabotsy 27 Jona 2026, teto amin'ny FJKM FAFA, ho an'izy mirahalahy ireto.
🙏🏾 Andeha isika hirary soa sy hitondra am-bavaka azy ireo, mba hitohy hatrany ny fahombiazany sy ny fanompoany.
✨ Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany.

🇲🇬Dia mirary fety sambatra ho an'ny Malagasy rehetra 🇲🇬✨Madagasikara ho an'i Kristy Jesoa✨
26/06/2026

🇲🇬Dia mirary fety sambatra ho an'ny Malagasy rehetra 🇲🇬
✨Madagasikara ho an'i Kristy Jesoa✨

Izay olona marina mandeha amin'ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.— Ohabolana 20 : 7Arahabaina DADA ! 🙏🏾❤️
21/06/2026

Izay olona marina mandeha amin'ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.
— Ohabolana 20 : 7

Arahabaina DADA ! 🙏🏾❤️

🐺🟡Ivon'ny fankalazana ny faha-90 taonan'ny Lovitao🟡🐺🎶Ho tendrena ise ho mpanaka amin'ny be... Satria nahatoky tamin'ny k...
06/06/2026

🐺🟡Ivon'ny fankalazana ny faha-90 taonan'ny Lovitao🟡🐺

🎶Ho tendrena ise ho mpanaka amin'ny be... Satria nahatoky tamin'ny kely🎶

Andro voalohany amin'ny lasy fankalazana ny faha-90 taonan'ny Lovitao ho an'ny faritany Tily Vakinankaratra Antsirabe androany , fotoana feno firaisankina, fifaliana ary fiombonana.

Indro atolotra anareo ny fintina an-tsary nandritra ity andro voalohany ity. 📸


🌳05 JONA 2026 ,Fantatr'ise ve fa andro Maneran-tany ho an'ny tontolo iainana androany?🌿Misy fiatraikany amin'ny fiovaova...
05/06/2026

🌳05 JONA 2026 ,Fantatr'ise ve fa andro Maneran-tany ho an'ny tontolo iainana androany?

🌿Misy fiatraikany amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro ny fahasimban'ny tontolo iainana ka andeha ho sarotiny amin'ny fikajiana izany isika.
🍃Anisan'ireo fototra lehibe ao anatin'ny fanabeazana Skoto ihany koa ny fitrandroana sy fiarovana ny tontolo iainana. Adidintsika rehetra ny mikajy ny zavaboary sy ny harena voajanahary, satria lova sarobidy ho an'ny taranaka izany.

Ataovy ao anaty commentaire ny sarin'ise miaro ny tontolo iainana🤗

🎶 "Misy vahiny e... ao Antanana a... tambatambazo izy ireo mba ho tamàna a..." 🎶Andeha isika rehetra hirary soa sy hiara...
02/06/2026

🎶 "Misy vahiny e... ao Antanana a... tambatambazo izy ireo mba ho tamàna a..." 🎶

Andeha isika rehetra hirary soa sy hiarahaba an'izy roa mirahavavy nahazo solon'anarana vaovao ireto.

Mahefa be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo ❤️🙏

"Mitsangana ny zanany ka miantso azy hoe sambatra; ny vadiny koa midera azy."                                           ...
31/05/2026

"Mitsangana ny zanany ka miantso azy hoe sambatra; ny vadiny koa midera azy."
Ohabolana 31:28
Arahabaina ireo Renim-pianakaviana rehetra💐❤️

Address

Antsirabe Afovoany

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sampati Fiv 24 FAFA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share