Antehiroka Mamiratra - AMA

Antehiroka Mamiratra - AMA MITSANGANA - MANDEHANA - MIHAZAVA

🌱 TONTOSA SOA AMAN-TSARA NY FIOFANANA PFUMVUDZA 🌱Tontosa soa aman-tsara ny 12, 13 ary 14 Aogositra 2026 ny fiofanana PFU...
14/08/2026

🌱 TONTOSA SOA AMAN-TSARA NY FIOFANANA PFUMVUDZA 🌱

Tontosa soa aman-tsara ny 12, 13 ary 14 Aogositra 2026 ny fiofanana PFUMVUDZA, izay nokarakaraina niaraka tamin’ny ONG PPC Madagascar, ny Association MAMIRATRA ary ny Association Tsara Voatra.

Nandritra ny 3 andro dia nahazo fahalalana sy fahaiza-manao momba ny fambolena tsy misy labour ireo mpiofana, anisan’izany ny teknika fanatsarana sy fikajiana ny tany, fambolena vary an-tanety, katsaka sy legioma, fanamboarana compost sy zezika ranon-javatra, fiarovana ny voly amin’ny bibikely sy aretin-javamaniry, ary ny fanabeazana ara-bola.

🙏 Misaotra indrindra ireo 23 mianadahy izay tonga nanatrika sy nandray anjara mavitrika tamin’ity fiofanana ity.

💚 Isaorana manokana ireo mpiofana izay avy lavitra, indrindra ireo avy any Fianarantsoa, Moramanga ary Antsirabe, izay nanao ezaka manokana mba hahafahana manatrika izao fiofanana izao.

🤝 Mankasitraka ihany koa ny ONG PPC Madagascar tamin’ny fampitana ny traikefa sy ny teknika PFUMVUDZA, ary ny Association Tsara Voatra tamin’ny fiaraha-miasa nahatontosana izao hetsika izao.

🌾 Fambolena maharitra ho an’ny ho avy!
🌱 Mianatra anio, mamokatra rahampitso!

🌱 FIOFANANA PFUMVUDZA – 03 ANDRO 🌱Te hianatra fambolena tsy mila labour ve ianao? 🌾🌱Fotoana izao hianarana teknika vaova...
08/08/2026

🌱 FIOFANANA PFUMVUDZA – 03 ANDRO 🌱

Te hianatra fambolena tsy mila labour ve ianao? 🌾🌱
Fotoana izao hianarana teknika vaovao sy maharitra hanatsarana ny vokatra sy hampihenana ny fandaniana amin’ny fambolena.

Ny Association MAMIRATRA, miaraka amin’ny ONG PPC Madagascar, dia manolotra fiofanana manokana momba ny teknika PFUMVUDZA, teknika avy any Zimbabwe.

📚 Lohahevitra hianarana : 🌱 Fanatsarana ny fahavokaran’ny tany tsy mila miasa tany
🌾 Fambolena vary an-tanety sy katsaka
🥬 Fambolena legioma
♻️ Fanamboarana compost sy zezika ranon-javatra
🐛 Fifehezana ireo bibikely mpanimba sy aretin-javamaniry
💰 Fanabeazana ara-bola

📅 Daty : 12–14 Septambra 2026
⏳ Fiofanana mandritra ny 03 andro

👨‍🌾 Mpampiofana manam-pahaizana avy amin’ny ONG PPC Madagascar, manana traikefa amin’ny teknika PFUMVUDZA avy any Zimbabwe.

📝 Fisoratana anarana :
Hatramin’ny 07 Septambra 2026
📍 Foiben’ny Association MAMIRATRA – Hôtel Hanitriarivo, Imerinafovoavy
📞 034 66 260 78

👉 Aza adino ity fotoana ity!
🌿 Mianara teknika vaovao, manatsara ny vokatra, ary manangana fambolena maharitra.

Association MAMIRATRA 🤝🌱
Miara-mamokatra ho an’ny fiainana maharitra.

⛔⛔ Mba fantatrareo ve fa 300isa izay ianareo nahavita ny fiofanana cuisine coréenne tato amin'ny Association MAMIRATRA 🎉...
05/08/2026

⛔⛔ Mba fantatrareo ve fa 300isa izay ianareo nahavita ny fiofanana cuisine coréenne tato amin'ny Association MAMIRATRA 🎉🥰
⛔Hiditra andiany faha 11 sahady isika izao🥳
📌Maro dia maro ianareo no efa nangataka hisitraka ity fiofanana ity.
📌Misokatra ary izao ny fisoratana anarana amin'ny Formation Cuisine coréenne andiany faha 11🥳❤️
📌Tongava ary misoratra anarana dieny izao fa voafetra dia voafetra ny toerana 🥳

Andriamanitra anie hanolon-tsaina anareo.Ataovy ampitoniana sy ampitokiana fa vitanareo io🫶❤️
20/07/2026

Andriamanitra anie hanolon-tsaina anareo.
Ataovy ampitoniana sy ampitokiana fa vitanareo io🫶❤️

Tontosa soamantsara anio ny famoahana tamin'ny fomba ofisialy ny andiany faha folo tamin'ny fiofanana fandrahoana Sakafo...
17/07/2026

Tontosa soamantsara anio ny famoahana tamin'ny fomba ofisialy ny andiany faha folo tamin'ny fiofanana fandrahoana Sakafo Koreana 🥳
10 ème Promotion❤️
▶️Formation Cuisine coréenne
teto amin'ny Association MAMIRATRA sy ny community
Mirary soa sy fahombiazana azy roa amby roapolo mianadahy indray Izahay ato amin'ny Association Mamiratra ho tahin'Andriamanitra anie ianareo ho lasa lavitra amin'ny tanjonareo tsirairay avy🎉♥️

17/07/2026
06/07/2026

Mivavaka sy mirary soa anareo zandry zanaka rehetra miatrika ny fanadinana BEPC❤️❤️

✅Tonga nirary soa sy nanolotra fampitaovana ho entin'ireo zandry zanaka hiatrika ny fanadinana BEPC ihany koa ny avy eto...
04/07/2026

✅Tonga nirary soa sy nanolotra fampitaovana ho entin'ireo zandry zanaka hiatrika ny fanadinana BEPC ihany koa ny avy eto amin'ny Association Mamiratra anio, nandritra ny hetsika faradoboka BEPC tao amin'ny Ecole Kintana Mevah Ambohijanahary sy Ecole Petit Prince Morondava.
❤️Mivavaka sy mirary soa ho an'ireo rehetra hiatrika izany fanadinam-panjakana izany mba hahita voka-tsoa sy fahombiazana anie ianareo, samia ho tahin'Andriamanitra ❤️

Address

073 G TER Ambohibao Antehiroka
Antehiroka
105

Telephone

+261325638132

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Antehiroka Mamiratra - AMA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Antehiroka Mamiratra - AMA:

Shortcuts

Share