Hetsika Manasoa Tanàna-M'Take Care Community

Hetsika Manasoa Tanàna-M'Take Care Community Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Hetsika Manasoa Tanàna-M'Take Care Community, Community Center, Antsiriribe, Antanifotsy.

Ny « Hetsika Manasoa Tanàna » (HMT) izay antsoina amin’ny Teny Anglisy hoe “ M’Take Care Community” dia misehatra amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, manentana ny mponina ambanivohitra hiray hina, hanomboka asa tsara hisitrahan’ny besinimaro.

👉Ireo ekipa mpanohana na ara-kevitra na ara-bavaka eto @ Hetsika Manasoa Tanàna dia tsy iza fa ireo avy @ UDTS Campus Mi...
19/04/2026

👉Ireo ekipa mpanohana na ara-kevitra na ara-bavaka eto @ Hetsika Manasoa Tanàna dia tsy iza fa ireo avy @ UDTS Campus Ministry Madagasacar 👨👩‍🦰, miara-manatratra tanjona satria samy nandray Vina ho "Mpanova firenena"

✅Dinidinika, fifanakalozan-kevitra, fifampizarana tetik'asa, fifanohanana ny @ Antso sy ny Vinan'ny Tsirairay 🔥amin'ireo sehatra 7 tokony hitondrana Dindo ⚡ :
. Siansa sy Teknolojia
. Fahasalamana
. Fanabeazana
. Zava-kanto sy Fanatanjahan-tena
. Fianakaviana
. Governementa
. Fivavahana

💥"Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony " Fil 2.13
Mirary Alahady finaritra






📸 Sary UDTS GATHERING 2026 18/04/26

30/03/2026

Tamatave seaside

Toamasina sy ny moron-dranomasiny

  , Tetik'asa Miz'Art HazavanaVahaolana fohy ezaka no natolotray @ toerana vitsivitsy.Ho anareo ao Toamasina ka manakaik...
27/03/2026


,
Tetik'asa Miz'Art Hazavana
Vahaolana fohy ezaka no natolotray @ toerana vitsivitsy.

Ho anareo ao Toamasina ka manakaiky ireto faritra ireto:
1- Andranomadio Val Pinceau ( eo @ Ecole Les Abeilles ) Contact 0320203715
2- Tsarahonenana Betainomby ( ampitan'ny Fiangonana Anglikana)

>>Nanomana station solaire Photovoltaique 5kW izahay , ahafahanareo micharge Telephone, ampoule chargeable, tablette, ordinateur, fitaovana electronique samihafa.
Tena @ vidiny mirary satria 300 ar monja ny micharge telephone ( Smartphone, telephone tsotra, tablette)
Ny speaker JBL sns 500 ar
Ny ordinateur portable 1000 ar

Nataonay izao ho fandraisana anjara hanampiana ny mponina @ tsy fisian-jiro ao Toamasina.

Mirary kosa anefa ny fiverenan'ny jiro Jirama mba hisitrahan'ny rehetra




25/03/2026



03/03/2026


Fahalalana ankapobeny
momba ny Firenena Israely sy ireo ao Moyen Orient

Manasoa olona >> manasoa tanàna>> manasoa firenena  cyclone sy ny akony tany Toamasina  ny Malagasy rehetra👉Ireto misy o...
23/02/2026

Manasoa olona >> manasoa tanàna>> manasoa firenena
cyclone sy ny akony tany Toamasina
ny Malagasy rehetra

👉Ireto misy ohabolana 📖 vitsivitsy ahatsapana fa Soatoavina malagasy ny fifanampiana , ny fifandrimbonana , ny fiaraha-mientana ary ny firaisan-kina ao anaty ady sarotra .

" Voin-kava mahatratra"
"Trano atsimo sy avaratra izay tsy mahalen-kialohafana"
" Tànana havia sy havanana izay didia-marary"
"Ny firaisan-kina no hery"
" Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary" ...
‐----------------------------------------------------------------------
👉Ireto indray tenin'ny Soratra Masina📕:
" Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, raha azon'ny tananao atao ihany" Oha 3:27
" ... mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin'i Jesoa Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray" Asa 20:35
"Mifampitondrà izay mavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy" Gal 6:2
"Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana" 1 Kor 16:14
"Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany" 2 Kor 8:12

Arak'izany , samia manao izay vitany arak'izay
hananana ho an'ireo havana , mpiara-belona ao Toamasina.

🙏Ankasitrahana ireo ankolafin-kery rehetra efa nifandrimbona t@ izany, na fanjakana, na fikambanana, na fiangonana na olon-tsotra

📸 PPN vitsi2 ho tonga any Toamasina tsy ho ela

14/02/2026

💥
Baliaka sariaka ho antsika ny masoandro,☀️

☘️Maitso ny tontolo,
lasa ny rivo-doza,
🚎Ny lalana koa efa mihatsara.

Mbola misy ho an'ny Malagasy rehetra.
Samia tsara,
❣️Mirary fetin'ny Mpifankatia❣️ ho an'ireo mankalaza izany

ny fizotran'ilay rivo-doza GEZANISamia mitandrina izay faritra andalovany, ho mafy ny rivotra @ faritra Analamanga anio ...
10/02/2026

ny fizotran'ilay rivo-doza GEZANI

Samia mitandrina izay faritra andalovany, ho mafy ny rivotra @ faritra Analamanga anio alina.
"Izay tsara fihomanana tsy ho tampohan'ny loza"




Ao @ commentaire ny fampahafantarana sy ny vaovao omen'ry zareo avy @ Foibe Famatarana ny toetr'andro

Race sy lokom-biby hafakely, miova @ mahazatra.Sary 1: Alika vazaha sada fotsySary 2: Kisoa vazaha lava vava tahaka ny s...
08/02/2026

Race sy lokom-biby hafakely, miova @ mahazatra.

Sary 1: Alika vazaha sada fotsy
Sary 2: Kisoa vazaha lava vava tahaka ny sorakely , ary fohy tongotra

Tianareo ve ny hiova lokom-biby fiompy?
Manambina sa tsy manambina?





Mirary herinandro finaritra ho antsika rehetra

🙏Soa fianatra❣️,   Niova ny tantara sy nandroso be ny ambanivohotry Korea Atsimo taorinan'ny Tondra-drano ny 1970    . S...
02/02/2026

🙏Soa fianatra❣️,
Niova ny tantara sy nandroso be ny ambanivohotry Korea Atsimo taorinan'ny Tondra-drano ny 1970


. South_Korea
village

Tanana kely iray niantombohan' ny Hetsika antsoina hoe " New village movement ", na " Saemaul Undong" @ fiteniny zareo.

Anisany tantara malaza nanamarika ny fandrosoan'ny ambanivohitra tany Korea nanomboka ny taona 1970.

Lava ny tantara fa tsotra ny hamintinana azy. T@ andron' i President Park Chung Hee no niseho ny tantara.

Raha tratra ny tondra- drano be ny faritra iva rehetra t@ 1969 indrindra ny ambanivohitry Korea. Tsy Nahita tory President ny Alina tontolo mieritreritra izany ka nifoha maraina be nijery ny akon' ilay tondra-drano. Raha nandalo teo @ tanana antsoina hoe Sindo izy dia gaga fa nifandrimbona tsy misy mialangalana mintsy ny mponina teo antanana nanala ny rano be.
Nanana vina izy avy eo fa atao modely ity tanàna kely ity @ fampandrosoana ny ambanivohitra.
Tsotra ny tanjony:
-👉Manafaka ny olona t@ fahantrana
-👉Mampitombo ny vola miditra @ tanana ambanivohitra ka afaka misitraka fiainana tsara sy mirindra
- 👉mifampizara sy mifanampy ny mpiara- Monina
-👉Miara-miaina anaty fahafasamihafana sy ara-kolotoraly

Ny fanamby noraisiny: Nanamboatra lalana goudron mankao antanana sy lalana mankeny @ tanimboly sy tanimbary. Ary nampivelatra ny resaka Agriculture

Ny tarigetra napetraka : 💥Diligence - Self help - Cooperation✨️ ( Fahazotoana -Fifanampian'ny tsirairay - Fiarahamiasa)

Nampiana lalàna kely hoe: " Tsy misy mahazo mitangorongorina mifoka , misotro sy miloka ny ao antanana fa mila miasa avokoa".

Niova haingana be ilay tanana.
Nametraka didy ny mpitondra t@ izany fa tsy maintsy maka tahaka io tanànan' ny Sindo io avokoa ny ambanivohitra rehetra eto Korea Atsimo @ fampandrosoana.

Taorinan' izay lasa fifaninanana ny mampandroso ny tanàna ambanivohitra rehetra. Mahazo loka @ fanjakana izay mahafeno ny fepetra @ fampandrosoana, anisany fepetra takiana voalohany ny fahadiovan' ny tanàna isa-maraina. Hany ka ireo vatan-dehilahy rehetra dia Mazoto mifoha maraina Samy manadio ny tananany ( nihena be ny fivorivoriana miloka sy misotro, fa nifantoka t@ asa sy fifaninanana mampandroso tanàna).

Araka izany fototra nampandroso ny toe-kareny haingana be io fampandrosoana miainga avy amin'ny ambanivohitra io.
Ankehitriny dia tafiditra ao anatin'ny patrimoine de l' UNESCO ity toerana ity.

Mba manao ahoana re ilay 80% n' i Gasikara izay fantatra fa tantsaha avokoa raha mba atao toy izao e.
Atsipy ny torohevitra ho an' ny Mpitondra rehetra.

Andao hampandroso sy hanova





📸Tahirin-tsary t@ fanandalovanay teto Cheongdo ny 18 Nov 2023.

*Nisy ekipa avy any Chine koa niara- talonjana taminay ny fiandohan ' ny tantara " New village movement "
Mpanoratra: Randriambololona

Address

Antsiriribe
Antanifotsy
109

Telephone

+261340969711

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Hetsika Manasoa Tanàna-M'Take Care Community posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Hetsika Manasoa Tanàna-M'Take Care Community:

Share