FIMO ACU Ambohidempona ofisialy

FIMO ACU Ambohidempona ofisialy FIMO : Fanilon'I Madagasikara Oniversitera 🇲🇬⚜️🎓
Fanandratana sy fanabeazana zazavavy amin'ny sehatry ny anjerimanontolo .

20/09/2026
11/09/2026

AZA ADINO ITY 😉👋
𝐋𝐀𝐌𝐄𝐒𝐀 𝐋𝐀𝐔𝐃𝐀𝐓𝐎 𝐒𝐈
𝐀𝐋𝐀𝐇𝐀𝐃𝐘 𝟏𝟑 𝐒𝐄𝐏𝐓𝐀𝐌𝐁𝐑𝐀
🛑 Ao anatin'ny fankalazana ny Vanim-potoanan'ny Fahariana dia hisy lamesa Laudato Si izay tanterahana eo Ankatso
📍Toerana : FAST FOOD Ankatso 2 amin'ny 8:30 ora.
++++++++++++++++++++++++++++++++
N’OUBLIE PAS ÇA 😉👋
𝐌𝐄𝐒𝐒𝐄 𝐋𝐀𝐔𝐃𝐀𝐓𝐎 𝐒𝐈’
𝐃𝐈𝐌𝐀𝐍𝐂𝐇𝐄 𝟏𝟑 𝐒𝐄𝐏𝐓𝐄𝐌𝐁𝐑𝐄
🛑 Dans le cadre de la célébration du Temps pour la Création, une Messe Laudato Si’ sera célébrée à Ankatso.
📍 Lieu : Fast Food Ankatso 2
🕘 Heure : 8h30

15/08/2026

🕊️ 15 AOGOSITRA 2026 — ASSOMPTION 🕊️
Fankalazana manetriketrika ny nampakarana an’i Masina Maria any an-danitra
« Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko. »
Md. Lioka 1, 46-47

🙏 Amin’izao andro lehibe ankalazantsika ny Assomption, dia miara-mankalaza ny voninahitr’i Masina Maria Virjiny, Renin’ny Tompontsika, izay nampiakarina vatana sy fanahy any an-danitra isika.

🌿 I Maria, ilay vehivavy nino sy nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra, dia modely ho antsika amin’ny finoana, fanetren-tena, faharetana ary fanolorantena.

🕊️ Enga anie ny fahasoavan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fanelanelanan’i Masina Maria, hanavao ao amintsika ny fanantenana, hampahery antsika amin’ny lalantsika ary hanampy antsika hiteny hatrany hoe: « Inty aho, mpanompovavin’ny Tompo. »

🙏 Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô,
nampiakarinao vatana sy fanahy ary nomenao voninahitra any an-danitra i Maria Virjiny tsy azon-keloka, Renin’ny Zanakao; koa mihanta aminao izahay: atodiho mandrakariva amin’ny haren’ny lanitra ny sainay, dia ho mendrika hiombom-boninahitra aminy izahay.
Amen.

💙🌹 Miarahaba antsika rehetra amin’izao fankalazana manetriketrika ny Assomption izao!
Hamelona mandrakariva ny fanantenana ao am-pontsika anie ny fananana an’i Masina Maria ho Renintsika sy Mpiahy antsika.

🕊️ Bonne fête de l’Assomption à toutes et à tous !
🕊️ Happy Assumption Day !

24/07/2026

⚪ 𝐀𝐍𝐃𝐀𝐎 𝐇𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐇𝐈𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐇𝐈𝐀𝐑𝐀-𝐇𝐈𝐄𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀

11/07/2026

✨🤝✨

30/06/2026

Indro ary ny era nandrasantsika ☺️🎊
Araka ny efa nampanantenaina dia voaatitra soa aman-tsara eny amin'ny ry Masera ao Ankorahotra, Maison Bienheureux Nicolas BARRE ny fanomezana ho an'ireo Rovi-damba ririnina, nokarakarain'i Ambohidempona, koa isaorana ianareo rehetra niara-niombona taminay tamin'izany, ny Kristianina ao amin'ny Aumônerie Catholique Universitaire d'Ambohidempona sy ny manodidina, Andriamanitra manakarem-pahasoavana anie hamaly soa avo roa heny 🙏✨🎊

> 🇲🇬 MALAGASY IRAY ISIKA 🇲🇬Tsy ny fiaviana, ny faritra na ny fahasamihafana no mampisaraka antsika, fa Malagasy iray isi...
26/06/2026

> 🇲🇬 MALAGASY IRAY ISIKA 🇲🇬

Tsy ny fiaviana, ny faritra na ny fahasamihafana no mampisaraka antsika, fa Malagasy iray isika, miray fo sy miray hina ho an'ny fampandrosoana ny Tanindrazantsika.

Amin'izao fankalazana ny faha-66 taonan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara izao, dia aoka samy hanana finiavana hitandro ny firaisankina, ny fihavanana ary ny fitiavan-tanindrazana.

🇲🇬 Malagasy iray isika. Miray hina, miara-mandroso. ⚜️

Arabaina tratry ny asaramanitra e ! 🥳

✨ "Izay rehetra nataonareo tamin'ny kely indrindra tamin'ireto rahalahiko ireto, nataonareo tamiko koa." ✨ Teny marin'ny...
23/06/2026

✨ "Izay rehetra nataonareo tamin'ny kely indrindra tamin'ireto rahalahiko ireto, nataonareo tamiko koa." ✨ Teny marin'ny Tompo.

Ho antsika eto amin'ny ACU Ambohidempona sy ny manodidina. Mbola mitohy ny antso ho an'ny foin'ny malala-tanana! Ny avy aminao dia famonjena sy fifaliana lehibe ho an'ireo mila izany.

📝Mba ho tontosa antsakany sy andavany ny fanaterana ny fanomezana any amin'ireo Masera ao Ambanidia, ireto misy fandaharam-potoana lehibe tokony ho tadidintsika:

📥 Famaranana ny Fanangonana:
Mbola mandray ny fanomezanao rehetra ao amin'ny ACU Ambohidempona izahay mandra-pahatongan'ny Alahady 28 JONA 2026, alohan'ny amin'ny 1 ora sy sasany atoandro (13h30).

🚀 Fiaingana hanatitra izany:
Ny fiaingana handeha hamonjy an'ireo Masera ao Ambanidia dia ny Alahady 28 JONA amin'ny 2 ora tolakandro (14h00) miala eo amin'ny Centre.

Raha mbola tsy afaka nitondra ny anjara birikinao ianao, dia mbola misy andro vitsivitsy sisa hidirana an-tsehatra. Ndao haneho ny firaisankina sy ny fitiavana maha-Kristianina antsika! ☺️

Mankasitraka sahady antsika rehetra amin'ny fahavononana sy ny fandraisana anjara. Ampitapitao ny hafatra mba ho tonga any amin'ny maro! 🙏❤️

07/06/26_Fetin'ny Sarkamenta Masina 🙏⛪FIVAHINIANANA MASINA NOTONTOSAIN'NY AUMÔNERIE CATHOLIQUE UNIVERSITAIRE D’AMBOHIDEM...
07/06/2026

07/06/26_Fetin'ny Sarkamenta Masina 🙏⛪FIVAHINIANANA MASINA NOTONTOSAIN'NY AUMÔNERIE CATHOLIQUE UNIVERSITAIRE D’AMBOHIDEMPONA 🤲✨

✨Nanao fivahinianana masina tao amin’ny Frères Capucins Ambohimalaza ny Aumônerie Catholique Universitaire (ACU) Ambohidempona, ho fanamarihana ny Jobily faha-800 taona nahaterahan’i Md François d’Assise tany an-danitra. Hetsika iray nampiroborobo ny finoana sy nampiray hina ny Kristianina eo anivon’ny Aumônerie ity fivahinianana masina ity♥️✨

✨🙏Nandritra ny tapany maraina dia nifantoka tamin’ny lafiny ara-panahy ireo mpivahiny. >Nisongadina tamin’izany ny Lalan’ny Hazofijaliana niaraka tamin’i Masimbavy Faustine, izay nanampy ny tsirairay hibanjina lalindalina kokoa ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famindram-pony. Narahin’ny Sakramentan’ny Fampihavanana. Nisy ihany koa ny fifampizarana sy fampahafantarana momba ny fiainan’i Md François d’Assise, izay nampanan-karena ny fahalalan’ireo mpino sy nanampy azy ireo haka tahaka ny fiainany feno fanetren-tena sy fitiavana ♥️✨

✨🙏Ny Eokaristia Masina no ivon’ny andro, narahin’ny Tsodranon’ny Sakramenta Masina. Fotoana nitalahoana ny fitahiana sy ny fahasoavan’Andriamanitra ho an’ny tsirairay izany, ary nahafahan’ireo mpivahiny nahazo ny famelana ny sazim-pahotana tamin’ny alalan’ny Pardon d’Assise.♥️✨

✨🌞Ny tapany hariva kosa dia natokana ho an’ny fitsangatsanganana sy ireo hetsika niombonana, izay nanamafy ny fifankatiavana sy ny fihavanana teo amin’ireo mpikambana. Marihina fa Fanilon’i Madagasikara (FIMO) valo no nandray anjara tamin’ity fivahinianana masina ity.

✨Nanjary fotoana sarobidy ho an’ny ACU Ambohidempona ity fihaonana ity satria nanamafy ny finoana sy ny fiainam-panahin’ireo Kristianina, sady nampitombo ny firaisankina sy ny fifankatiavana eo anivon’ny Aumônerie.♥️✨

Address

Aumônerie Catholique Universitaire, Ambohidempona
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FIMO ACU Ambohidempona ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share