07/07/2026
📅📌𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐧𝐨𝐦𝐛𝐲, 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨𝐛𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐩𝐥𝐨𝐦𝐚𝐬𝐢𝐚, 𝟎𝟑 𝐉𝐨𝐥𝐚𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔
🤝 𝐅𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐞𝐤𝐧𝐢𝐤𝐚: 𝐃𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐦𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨 𝐧𝐲 𝐓𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐀𝐑𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐎
🌱 🌊 Ankoatra ireo asa tanterahina eny ifotony, ny fivoriana ara-teknika sy ny fifanakalozan-kevitra amin'ireo mpiara-miombon'antoka dia ampahany manan-danja amin'ny fampandrosoana sy ny fahombiazan'ny tetikasa. Izany indrindra no anton'ny fihaonan'ny ekipan'ny Tetikasa 𝘼𝙍𝙊 𝙁𝘼𝙉𝙊 sy ny Task Manager-n'ny PNUE (UN Environment Programme).
📝 Nandritra ny fihaonana dia nodinihina ireo lafiny ara-teknika amin'ny fanatanterahana ny tetikasa, nojerena ireo fanamby sy sakana mety hitranga, ary nifampizarana vahaolana sy paikady hiantohana ny fandrosoan'ny asa sy ny fahatratrarana ireo tanjona napetraka. Maneho izany fa ny fampandrosoana ny tetikasa dia tsy voafetra amin'ireo hetsika eny an-kianja ihany, fa miorina ihany koa amin'ny fandrindrana, ny fanaraha-maso ary ny fifanakalozana ara-teknika mitohy.
👏 Nanararaotra izany fotoana izany ihany koa ny Mpandrindra ny Tetikasa ARO FANO nampita tamin'ny fomba ofisialy ny fiarahabana sy ny fankasitrahana avy amin'Andriamatoa Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy ho an'ny PNUE. Nambarany fa isan'ireo mpiara-miasa nahavita asa mendrika sy nahomby indrindra niara-niasa tamin'ny Ministère de l'Environnement et du Développement Durable ny UN Environment Programme, noho ny fanohanana ara-teknika, ny matihanina ary ny fiaraha-miasa akaiky izay nitondra vokatra mivaingana ho an'ny tetikasa teto anivon'ny MEDD. 🤝🌍
🌿 Mitohy amim-pahatokiana ny fiaraha-miasan'ny 𝘼𝙍𝙊 𝙁𝘼𝙉𝙊, ny
𝙋𝙉𝙐𝙀 ary ny 𝙈𝙀𝘿𝘿, mba hanamafisana ny fiarovana ny harena voajanahary sy hampiroboroboana ny fampandrosoana lovainjafy eto Madagasikara.
💡 Ny fahombiazan'ny tetikasa dia vokatry ny fitambaran'ny asa eny ifotony sy ny fandrindrana ara-teknika matanjaka.