GEN Y TANA VI Ofisialy

GEN Y TANA VI Ofisialy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from GEN Y TANA VI Ofisialy, Nonprofit Organization, Ambohimanarina, Antananarivo.

11/02/2026

📢 TOAMASINA: Mila Antsika ny Mpiray Tanindrazana! 🇲🇬
Sady malahelo ny fo no taitra ny saina mahita ny fahavoazana mianjady amin'ireo havantsika any Toamasina amin'izao fotoana izao. Ny rano mandrava, ny rivotra mamotika, ary ny fatiantoka miantraika amin'ny tokantrano maro.
Tsy fotoan'ny fijerena fotsiny izao, fa fotoan'ny fiaraha-mientana. 🤝
"Ny fahasahiranan'ny namana, fahasahiranan'ny tena koa. Ny fahalalahan-tanana anio, fanantenana ho an'ny ampitso."
🆘 Antso ho antsika rehetra:
Tsy misy fanampiana kely izany fa izay foin'ny fo no lehibe. Mila tolo-tanana maivana isika ho Vonjy Tavanandro:
Sakafo sy rano fisotro madio 🍚
Fanafody sy kojakoja fidiovana 🧼
Fitafiana sy lamba firakotra 👕
Fanohanana ara-bola sy ara-tsaina ❤️
Andao hasehontsika fa tsy irery i Toamasina. Andao hiray hina hamerina ny tsiky eo amin'ny vavan'ireo ankizy sy fianakaviana niharam-boina.

🌪️ FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA 🌪️📅 11 Febroary 2026 – 10 ora maraina☑️ Toe-draharaha amin’izao fotoana izao:Tami...
11/02/2026

🌪️ FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA 🌪️
📅 11 Febroary 2026 – 10 ora maraina

☑️ Toe-draharaha amin’izao fotoana izao:
Tamin’ny 09:00 teo dia tao amin’ny Kaominina Kiranomena, distrikan’i Fenoarivobe no nisy ny foiben’i GEZANI.
💨 Hery sy hafainganana rivotra: 45 km/ora miaraka amin’ny tafiotra hatramin’ny 60 km/ora.
🧭 Nikisaka niakandrefana somary atsimo-andrefana izy, nahafaka 26 km/ora.

⚠️ Vinavina:
Hivoaka any amin’ny lakandranon’i Mozambika, eo anelanelan’ny Maintirano sy Morondava, amin’ny hariva na ny alina.

🌧️ Toetrandro:

Mbola hitohy ny orana miatoato amin’ny faritra maro

Mbola mety hisy rivotra amin’ny ankapobeny
✅ Saingy efa nihena ny hambana mivantana

🚨 Fanavaozana ny filazana loza:
📘 Fahamailoana miloko manga:

Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analamanga, Betsiboka, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Melaky, Menabe

⛔ Tsy maintsy mitandrina:

Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Besalampy sy Morombe mba tsy hiandriaka noho ny toetry ny andro mikorontana

🙏 Torohevitra ho an’ny rehetra:

Manaraka hatrany ny toromarika omen’ny manam-pahefana

Ny resaka famatsian-jiro indray dia tahaka izao no communiqué avy amin'ny Jirama ofisialy
11/02/2026

Ny resaka famatsian-jiro indray dia tahaka izao no communiqué avy amin'ny Jirama ofisialy

Ry Malagasy namana,Mbola ao anatin’ny fahoriana i Toamasina vokatry ny rivo-doza 😢⛈️Fotoana izao hanehoana fa velona ny ...
11/02/2026

Ry Malagasy namana,
Mbola ao anatin’ny fahoriana i Toamasina vokatry ny rivo-doza 😢⛈️
Fotoana izao hanehoana fa velona ny firaisankina Malagasy 🇲🇬🤝

🙏 Manentana antsika rehetra izahay:
🕊️ Hanova ny PDP ho “PRAY FOR TOAMASINA”
💬 Hizara hafatra fampaherezana
❤️ Haneho firaisam-po sy fitiavana amin’ireo traboina

Fa ankoatra izany…
📢 Raha te hahazo vaovao sy hetsika firaisankina hatrany,
📢 Raha te ho anisan’ny tanora mihetsika sy mijoro ho an’ny firenena,
👉 Araho (Follow) ary asio "j'aime" ny pejy GEN Y TANA VI

Ny fanarahanao ny pejy dia:
✅ Manampy hampiely hafatra tsara
✅ Manamafy ny feon’ny tanora
✅ Manangana tambajotra iray matanjaka sy miray hina

⛈️ Tsy fotoana hifandirana izao.
⛈️ Tsy fotoana hifampiampanga izao.
⛈️ Fotoana hiombonana sy hifampaherezana izao.
💙 Tsy fijerena politika izao, fa fijerena maha-Malagasy.
💙 Tsy fisehosehoana, fa firaisankina.

📌 Andao hanova PDP anio
📌 Andao hiaraka hiteny: 🙏
📌 Ary araho ny pejy 👉 GEN Y TANA VI 💪

Toamasina tsy irery.


Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM
GEN Y Toamasina Ofisialy
GEN Y Madagascar Ofisialy
Gen Y Tana IV Ofisialy
GEN Y Madagascar Ofisialy Tana II
GEN Y Tana Atsimondrano Ofisialy
Faritra Analamanga

📉 ADY AMIN'NY KOLIKOLY: MIHEMOTRA INDRAY I MADAGASIKARANivoaka ofisialy omaly 10 fevrie 2026 ny tatitra vaovao avy amin'...
11/02/2026

📉 ADY AMIN'NY KOLIKOLY: MIHEMOTRA INDRAY I MADAGASIKARA

Nivoaka ofisialy omaly 10 fevrie 2026 ny tatitra vaovao avy amin'ny Transparency International momba ny tondro fandrefesana ny kolikoly (IPC 2025). Mampalahelo ny vokatry ny fandinihana satria mbola mihemotra ny firenentsika. 😟

Ireto ny antsipiriany tokony ho fantatra:

📊25/100 sisa no isa azon'i Madagasikara (raha 26/100 izany tamin'ny taona 2024). Midika izany fa mitontongana ny ezaka.

🌍Laharana faha-148 isika amin'ireo firenena 182 nodinihana.

📉Very toerana efatra (4) isika raha ampitahaina amin'ny taon-dasa.

Izany hoe, mbola goavana ny asa miandry amin'ny famongorana ny kolikoly eto amin'ny Nosy satria vao mainka isika latsaka an-davaka raha ampitahaina amin'ny hafa. 🛑⚖️

Mampalahelo ny vokatry ny rivo-doza ao Toamasina! ⛈️Agent de sécurité iray indray no namoy ny ainy tamin’ity maraina ity...
11/02/2026

Mampalahelo ny vokatry ny rivo-doza ao Toamasina! ⛈️

Agent de sécurité iray indray no namoy ny ainy tamin’ity maraina ity (tokony ho tamin'ny 09 ora latsaka folo) vokatry ny rivo-doza. 😢

Ny zava-nitranga:
📍 Eo amin'ny Balance, 150m miala ny lalana mihazo ny Medlog.
🧱 Nirodanan'ny fefy ilay mpiambina noho ny rivotra sy ny fahavesatry ny orana vokatry ny rivo-doza, ka tsy tana ny ainy.

Manentana ny rehetra mba hitandrina mafy amin'ny rindrina na fefy mety hitera-doza amin'izao fotoana izao. 🙏⚠️

Mirary fampiononana feno ho an'ny fianakaviana sy ny mpiara-miasa amin'ny maty. 🕊️🕯️

✍️ Loharano: Mickaelys Kami N.

Mila miomana koa ny tapany atsimo
11/02/2026

Mila miomana koa ny tapany atsimo

VAOVAO TSELATRA MOMBA NY RIVODOZA GEZANI | 11 Febroary 2026 - 07 ora maraina▶️TOERANA MISY NY FOIBENY: Distrikan’Ankazob...
11/02/2026

VAOVAO TSELATRA MOMBA NY RIVODOZA GEZANI | 11 Febroary 2026 - 07 ora maraina

▶️TOERANA MISY NY FOIBENY: Distrikan’Ankazobe
▶️HERINY: Tempête Tropicale Modérée
▶️RIVOTRA ENTINY: 80 Km/ora
▶️TAFIOTRA MIARAKA AMINY: 110 Km/ora manakaiky ny foibeny
▶️FIKISAHANY: Niakandrefana
▶️HAFAINGANAM-PANDEHANY: 22 Km/ora.
▶️FANAMARIHANA: Mihena miandalana ny heriny.

🔑 Météo Madagascar


Tantara sy fampahatsiahivana antsika rehetra, indrindra manoloana ny zava-misy ankehitriny:𝗚𝗘𝗥𝗔𝗟𝗗𝗔 🌪️ (1994): Mbola kely...
11/02/2026

Tantara sy fampahatsiahivana antsika rehetra, indrindra manoloana ny zava-misy ankehitriny:

𝗚𝗘𝗥𝗔𝗟𝗗𝗔 🌪️ (1994): Mbola kely aho tamin'izany, fa niaina sy nahatsapa! Isan'ny cyclone nalaza ratsy Geralda izany. Ny tsy fisian'ny vary sy sakafo teny antsena no tena tadidiko... nilaharana izay kely teo! Mangahazo sy hanikotrana no nameno kibo rehefa tsy nahita vary. 🥣

𝗚𝗥𝗘𝗧𝗘𝗟𝗟𝗘 🌪️ (1997): Nahery ary tena nandravarava io rivodoza io, indrindra fa tany amin'ny faritra Atsimo-Atsinanana. 🌊

𝗚𝗔𝗙𝗜𝗟𝗢 🌪️ (2004): Voasokajy ho isan'ny nahery indrindra taty amin'ny ranomasimbe Indianina. Maro ny zavatra simba ary tena betsaka ny traboina. 🚩

𝗚𝗜𝗢𝗩𝗔𝐍𝗡𝐀 🌪️ (2012): Namela takaitra sy fahasimbana maro ihany koa teto Madagasikara. Fantatry ny rehetra ny herin'i Giovanna! ⛈️

𝗚𝗘𝗭𝗔𝗡𝗜 🌪️ (2026): ... ? Raha ny vinavina dia manana tanjaka mahery ity rivodoza iray ity. Ny irariana dia mba hiena ny heriny mba tsy hisy takaitra be loatra ho an'ny firenena. 🙏✨

🌍 𝐍𝐲 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐧𝐲 𝐢𝐥à𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐑𝐢𝐯𝐨𝐝𝐨𝐳𝐚
Fihetsikin'ny tontolo ara-boajanahary ny rivodoza. Marina fa mandrava izy, saingy misy antony tsara ilàna azy koa eo amin'ny tontolo iainana:

✅ Mandanjalanja ny hafanana manerana ny tany 🌡️
✅ Manadio ny rivotra iainana 🌬️
✅ Mandonaka ny tany maina mba hahatsara ny voly 🌿
✅ Manome aina vao ny tontolo iainana sy ny rano 💧

💡 𝐓𝐎𝐑𝐎-𝐇𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐕𝐈𝐓𝐒𝐘 (𝐅𝐢𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚):
Mba tsy ho tampohin'ny loza, dia aleo miomana:

🏠 Hamafiso ny tafo sy ny varavarana!
🌳 Tapao ny hazo mety hampididoza manodidina ny trano!
🍚 Manaova tahirin-tsakafo (vary, voamaina, siramamy...)!
🪵 Tahirin-tsaribao na kitay!
🔦 Jiro, afokasoka, radio, pilina... aza hadinoina!
💊 Tahirim-panafody ilaina andavanandro!

🙏 Mirary antsika rehetra sahady mba tsy ho azon-tsampona sy hiaina ampitonina. Ny tsara fiomanana tsy ho tapohin'ny loza! Araho hatrany ny toromariky ny tompon'andraikitra! 🇲🇬



Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM
Faritra Analamanga
GEN Y Toamasina Ofisialy

🌀 FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA 🌀Talata 10 Febroary 2026 – 10 ora alina 🕙Tamin’ny 09 ora alina teo, tao amin’ny Ka...
10/02/2026

🌀 FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA 🌀
Talata 10 Febroary 2026 – 10 ora alina 🕙

Tamin’ny 09 ora alina teo, tao amin’ny Kaominina Toamasina Suburbaine 📍 no nisy ny foiben’i GEZANI. Na dia mihena miandalana aza ny heriny, dia mbola mahery vaika izy:

💨 Rivotra mitsoka: 170 km/ora
🌪️ Tafiotra: 240 km/ora
🚀 Hifidrana: 15 km/ora (miankandrefana)

🗺️ LALANA HODIAVINY
Hamakivaky ny Afovoan-tany izy anio alina sy rahampitso 🏔️. Vinavinaina hivoaka any amin’ny Lakandranon’i Mozambika 🌊 (eo anelanelan’ny Maintirano sy Morondava) rahampitso alina.

⚠️ Tandremo: Ho mafy ny rivotra ary hijojo ny orana (100 hatramin’ny 150 mm/24 ora). Ahiana mafy ny:
🌊 Tondra-drano
📈 Fiakaran’ny renirano
⛰️ Fihotsahan’ny tany

🚦 Ireo Faritra miatrika LOZA
🔴 LOZA MITATAO (Miloko Mena):
Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analamanga ary Betsiboka.

🟡 LOZA MANAMBANA (Miloko Mavo):
Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Melaky ary Menabe.

⚪ FOANA NY FILAZANA LOZA:
Ambatosoa, Mandritsara ary Befandriana Avaratra.

⛵ FANAMBARANA HO AN'NY MPAMPASA RANOMASINA
🚫 Vohemar sy Mahanoro: Tsy mahazo miandriaka intsony!
🚫 Besalampy sy Morombe: Tsy mahazo miandriaka manomboka rahampitso maraina.

📢 Entanina ny rehetra mba hanaraka akaiky ny toro-marika omen’ny manam-pahefana. Mitandrema hatrany! 🙏✨

📍 Météo Madagascar
🌀

🚨 GEZANI: NY AINA NO SAROBIDY INDRINDRA! 🚨Mpiray monina eto Analamanga, tena mahery vaika ity rivodoza ity ka aza manao ...
10/02/2026

🚨 GEZANI: NY AINA NO SAROBIDY INDRINDRA! 🚨
Mpiray monina eto Analamanga, tena mahery vaika ity rivodoza ity ka aza manao tsirambina ny ainao sy ny ankohonanao! 🌪️⚠️

🏃‍♂️ MIFINDRÀ DIENY IZAO
Ho anareo mponina amin'ny faritra iva: Aza miandry rano ho tonga eo am-pandriana vao hifindra! Ny tondra-drano amin'ny alina no tena mpamono olona. Miakara any amin'ny toerana avo dieny mbola mahita maso. 🌊🆘

⚡ TANDREMO NY HERINARATRA
Raha vao miakatra ny rano, tapaho ny jiro (Disjoncteur). Betsaka ny maty vokatry ny herinaratra ao anaty rano. Tandremo koa ny tariby mety ho tapaka eny an-dalana! 🔌🚫

🛑 AZA SODOKA AMIN'NY "FITONIANA TAMPOKA"
Rehefa mandalo ny ivon'ny rivodoza, dia mijanona ho azy ny rivotra sy ny orana. Aza mivoaka mihitsy! Fitoniana sandoka izany, fa hiverina hamely mafy tampoka indray ny rivotra rehefa afaka adiny iray. Jereo ny ankizy tsy hivoaka any ivelany. 🏠🚫

🤝 HIFAMPITSINJO SY HIFAMPIJERY

Ampio ny marefo: Ny zokiolona, ny kilemaina, ary ny ankizy no tsy afaka mamonjy tena haingana. Ampio izy ireo rehefa miakatra ny rano. 👵👶
Mifampiantsoa: Raha misy mpiray monina mbola tavela ao an-trano nefa efa ambony ny rano, mifanampia ary mitadiava vonjy haingana. ❤️

⛈️ MIJANÒNA AO AN-TRANONY
Aza mivoaka na mijery zavatra simba mandra-pialan'ny loza tanteraka. Ny tafo manidina sy ny hazo mianjera no fahavalo voalohany amin'izao! 🌳🏚️

Mankahery antsika rehetra



Faritra Analamanga

Address

Ambohimanarina
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when GEN Y TANA VI Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share