02/02/2026
CMAN - CHINA MADAGASCAR ALUMNI NETWORK
31 01 2026 - Hôtel ASIA-AFRICA Ivato
Ankafaliana no hizarana amintsika ny fijoroan'ny fikambanana CMAN amin'ny fomba ofisialy tamin'ny 31 janoary lasa teo, eo ambany fiahian'ny Masoivoho ny Repoblikan'ny Sina eto Madagasikara, izay notontosaina tao amin'ny Hôtel Asia-Africa.
Misaotra sy mankatelina ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny ny amin'ny fanotronany, heni-kaja henim-boninahitra ny CMAN.
Tsy hay ny tsy hisaotra antsika rehetra mpikambana ato amin'ny CMAN tonga nanotrona iny andro manan-tantara iny, singanina manokana ireo avy lavitra (Antsiranana, Mahajanga, Fianarantsoa sns) na dia teo aza ny haratsian'ny toetrandro.
Isaorana manokana
- ny ray mpiahy na "Parrain" Atoa Sylvain LIU, PDG ny Groupe Madaverte,
- ny solotenan'ny Fikambanana zoky ASEC
- ny pâtisserie BLACK SWAN
- ny tompon'andraikitra sy ny staff ny Asia-Africa
- ireo mpandraharaha, mpitarika Fikambanana ary namana Sinoa izay nanotrona
- ireo zandry mpianatra avy @ Institut Confucius nanafana ny lanonana
Zaraina amintsika ny ampahany amin'ny sary ary mamerina ny firariantsoa ho antsika rehetra.
Ho ela velona anie ny CMAN!