08/01/2026
โ๏ธ 8 Janoary 1941 โ๏ธ 8 Janoary 2026
Raha tsiahivina dia 85 taona anio no nahafatesan'ilay Mpanorina ny fikambanantsika ๐๐ผ๐ฟ๐ฑ ๐ฅ๐ผ๐ฏ๐ฒ๐ฟ๐ ๐ฆ๐๐ฒ๐ฝ๐ต๐ฒ๐ป๐๐ผ๐ป ๐ฆ๐บ๐๐๐ต ๐๐ฎ๐ฑ๐ฒ๐ป-๐ฃ๐ผ๐๐ฒ๐น๐น.Indro ampahatsiahivina an'ise ny hafany:
Ry skoto namana,
Raha efa nahita ilay tantara andapihazo Peter Pan iny ise dia tsaronโise tsara angamba ilay lehibenโny jiolahin-tsambo, mandany fotoana ery mamerina foana ny hafatra farany ho apetrany. Satria manahy mafy izy hoe raha tonga ny andro hahafatesany dia tsy hanam-potoana anaovana izany intsony izy.
Tonga eo aminโizany toerany izany aho ankehitriny, eny na dia mbola tsy tonga aminโny fotoana ahafatesako aza aho dia fantatro fa ho avy izay fotoana izay indray andro any ka te hanao veloma anโise aho.
Tsarovy fa ity no hafatra farany hapetrako ho anโise ka noho izany diniho sy fakafakao tsara. Niaina tao anaty fahasambarana tanteraka aho, ary iriko mba ho toy izany daholo koa ise rehetra. Mino koa aho fa ny antony nametrahanโAndriamanitra antsika ety an-tany dia mba ho sambatra sy haka fy ny fiainana.
Tsy ny vola aman-karena no mahasambatra, tsy ny fahombiazana aminโny asa na ny fanatanterahana ny sitra-po rehetra ihany koa.
Ny dingana voalohany ho aminโny fahasambarana dia ny fitandroana ny vatana ho salama sy tomady dieny mbola kely mba hahafahana maka fy ny fiainana rehefa lehibe. Ny fandinihana ny zava-boahary no hampianatra anโise fa tsara sy mahatehotia ny asanโAndriamanitra ary nohariany ireny ho antsika olombelona.
Mifalia aminโizay anananโise ary trandraho ho aminโizay tsara indrindra azo ampiasana azy izany. Ny lafitsara foana jerena aminโny zavatra rehetra fa aza mijery ny lafiratsiny. Fa ny lalana tena mitondra ho aminโny fahasambarana nefa dia ny fizarana fifaliana aminโny manodidina.
Miezaha hamela ity tontolo ity ho tsara kokoa noho ny taminโny nihavinโise. Ka raha ho avy ny anjara andro hahafatesanโise, dia handry am-pahasambarana ise satria fantatrโise fa tsy lanilany foana ny fotoana niainanโise, fa efa nanome ny tsara indrindra ise.
Mivonรฒna, hiaina sambatra ary ho faty am-pahasambarana. Tano mafy ny Fanekena skoto izay nataonโise na dia efa tsy zaza intsony aza ise. Ny herinโAndriamanitra anie hanampy anโise aminโizany.
Ny namanโise
Nalaina tao amin'ny :https://www.scout.mg/vakoka-sy-tantara/hafatra-baden-powell/