Générations Ho an'i Madagasikara Analamanga

Générations Ho an'i Madagasikara Analamanga Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Générations Ho an'i Madagasikara Analamanga, Nonprofit Organization, Antananarivo.

10/05/2026

FAKANKEVITRY NY TANORA ETO ANALAMANGA.
Toy izao manaraka izao ireo fandaharam-potoana mikasika ny Fakankevitry ny Tanora eto Analamanga :

- *AVARADRANO*
➡️11 may 2026 : Famoriana ireo Tanora nisoratra anarana tamin'ny Komity mpikarakara,
Fifankafantarana sy Fanazavana ireo dingana sy daty tsara ho fantatra.
Toerana Birao Distrika
Mpiara-miasa : Distrika, Maires, Fokontany, CCJ, Associations.

- *AMBOHIDRATRIMO*
➡️08 sy 09 may 2026 : Fivorian'ny Komity mpikarakara hanomanana ny Fakankevitra(daty sy ireo toerana sns).
➡️11 may 2026 : Fihaonana amin'ireo Autorités locales (Chef FKT, Maires, Chef District) ho fanomanana sy fampafantarana ireo mikasika ny Concertation.
➡️12 may 2026 hatramin'ny 14 may 2026 : Fakankevitra eo antampon-tanàna (Mpianatra @ CISCO, Sekoly FJKM, LTP, CFP, Akany Zazavavy Avoko Ambohidratrimo).
➡️15 may 2026 : Jery todika sy fanomanana ny Fakankevitra eny amin'ny 24 Communes sy Fizarana affiches fanentanana.

- *ANKAZOBE*
➡️08 sy 09 may 26 : famitana ireo supports publicitaires (affiches etc)
➡️11 may 2026 : Fivoriana miaraka amin'ireo 15 Maires ametrahana ny Komity mpikarakara kaominaly sy fanombohana ny Fankan-kevitra amin'ny endriny atao ohatra.
➡️18 may 2026 : Concertation des jeunes Communales.
➡️25 may 2026 : Concertation des jeunes Chef lieu District.

- *MANJAKANDRIANA*
➡️11 may 26 hatramin'ny 13 may 2026 : Karakarain'ny CCJ, Jeunes formateurs, DelJS, STD, Maires, Delegués d'Arrondissement : Fivoriana Fampafantarana ny Komity mpikarakara eo amin'ny District. Fampafantarana ireo asa miandry sy ireo daty.

- *ATSIMONDRANO*
➡️11 may 2026 : Fivoriana hanapahana ny daty sy ny asa rehetra iarahana amin'ny STD.

- *TANA VILLE*
➡️08 may 2026 : Fivoriana fanomanana niarahana tamin'ireo Jeunes formateurs nijerena ireo toerana hanombohana concertations. Tapaka fa ny Lycées sy Centres de formation no anombohana azy araka ny fiaraha-miasa amin'ny DREFTP sy ny CISCO.
➡️11 may 2026 : Fihaonana amin'ny tompon'andraikitra eny ANKATSO handinihina ny fomba hanatanterahana ny Concertations eny amin'ny Universités.
➡️15 may 2026 : Fankan-kevitry ny tanora eny amin'ireo oniversite tsy miankina efa nanao fandaminana.

- *ANDRAMASINA*
➡️11 may 2026 : Famoriana ireo mpikambana ao amiiny Comité d'organisation, Fihaonana amin'ireo Maires rehetra eny antoerana,
➡️12 may 26 : Fametrahana ireo datin'ny Fakankevitra isaky ny Communes sy fandinihina ny fomba hanatanterahana azy.

- *ANJOZOROBE*
➡️09 sy 10 may 26 : Fivorian'ny mpikambana amin'ny Comité d'Organisation,
➡️11 may 26 : Fanondrona datin'ny Fankan-kevitra sy Fihaonana iarahana amin'ireo Maires ho fanomanana ny Fakankevitra isaky ny Communes.





03/05/2026

Ahoana aaaaah...

Miandry an'i Fidy TMH izahay e!

Dia mitenena koa elah ry Besoin d'Aide hamono afo!!

Victoire ✊🇲🇬

12/04/2026

🛑Griffine Bakoliniaina

🎂 Jeneraly Pikulas, Joyeux anniversaire et Longue vie

Iray amin'ireo Manamboninahitra Malagasy nanamarika ahy tamin'ny toetra sy ny fomba fiasa ny Jeneraly PIKULAS. Olona tsotra izy fa mahitsy fiteny , tia mandray andraikitra amin'izay asa nampanaovina azy . Nisongadina tamin'izany ny nitarihany ireo miaramila namonjy ny mpiray tanindrazana tamin'ny kere tany Atsimo.
Fa ity no tsy nampoiziko ,fotoana voalohany nahitako azy mivantana,raha iny namonjy fandresena tao amin'ny Acmil iny izy mivady no nipetraka teo aorianako tamin'ny seza farany saingy nisy miaramila niteny hoe tsy azo ipetrahana eo , nifindra seza hafa mbola voalika foana ,intelo nifindra zareo fa tsy nahazo rariny .Variana be tamin'izay ,niteny irery hoe ary tena tsotra ity Jeneraly ity fa manaiky afindrafindra nefa efa mitampify aty aoriana. somary nalahelo azy mivady aho tamin'izay ka tsy naharitra fa niteny hoe maninona raha mankeny alohaloha eny fa hoy izy hoe aleo miafiafy eto aoriana eto fa tsy maninona ....kinanjo fotoana fohy taorian'zay akory ny hafaliako raha naheno fa voatendry Komandin'ny Acmil izy . Izay tokoa hoy aho no tonga amin'ilay fitenenana hoe izay manetry tena no asandratra.
Mahitsy fijoro,tsy tia miolakolaka,mahitsy fijery fa olona tena mora ifandraisana.
Mirary soa mandrakariva ho anao sy ny fianakavinao Jeneraly.

08/04/2026

❌𝗔N𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔❌

👏 𝗩𝗼𝗮𝗳𝗶𝗱𝘆 𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼, 𝗳𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗵𝗶𝘁𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮.

👉 𝗧𝘀𝘆 𝗺𝗮𝘇𝗮𝘃𝗮 𝗿𝗮𝗵𝗮 𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗸𝗶𝘁𝗿𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗻𝗮 𝗻𝗶𝗷𝗮𝗻𝗼𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗺𝗯𝗼𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝘁𝘀𝗶𝗻𝘆.

👉 𝗧𝗮𝗸𝗶𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗵𝗼𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝘁𝗮𝘁𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗺𝗮𝘀𝗼 𝗻𝘆 𝗴𝗼𝘃𝗲𝗿𝗻𝗲𝗺𝗮𝗻𝘁𝗮.

✊ 𝗥𝗮𝗵𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝘃𝗮𝗹𝗶𝗻𝘆 𝗺𝗮𝘇𝗮𝘃𝗮: 𝗮𝗹𝗲𝗼 𝗺𝗶𝗮𝗹𝗮.

👉 𝗡𝘆 𝘃𝗮𝗵𝗼𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗺𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮, 𝗮𝗿𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗹𝗮.

👉 𝗔𝗻’𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗵𝗼𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮, 𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗱𝗶𝗮 𝗻𝗮𝗺𝗽𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮 𝗳𝗼𝘁𝘀𝗶𝗻𝘆.

06/04/2026

Aiza ho aiza amin'izao no misy tarehan'ireo olona manambany ny tanora Ankehitriny ???

JEREO FA NY TANORA NO MARO ANISA , NY TANORA NANAO SORONA NY AINY HO AN'I MADAGASIKARA

Aza hodina tsy hita KA NA MITADY SEZA AZA MANANA CAPACITÉ NY TANORA FA AZA PEPOINA

06/04/2026
Ny antony nidinanay an-dalambe dia satria tsapanay fa tsy nety ny rafi-pitantanana teto Madagasikara.Saingy ankehitriny,...
05/04/2026

Ny antony nidinanay an-dalambe dia satria tsapanay fa tsy nety ny rafi-pitantanana teto Madagasikara.
Saingy ankehitriny, rehefa tafita ny tolona, dia ilay rafitra efa maty ihany no mbola iasanareo. Tsy sahy akory ianareo mampihatra ilay tena fanavaozana andrasan’ny vahoaka.
Ampiharo ny teny nolazainao teny Ikianja, Andriamatoa Filoha.
Averinao matetika ny hoe tokony handray andraikitra ny Tanora — koa ampiharo izany, fa aza mijanona amin’ny teny fotsiny.

Ny Tanora no nahatonga anao ho Filoha.
Koa jereo izy ireo, henoy izy, ary omeo toerana.
Aza avela ho very fanantenana.




05/04/2026

Mino zahay Vahoaka fa manana main mise ianao amin'ny maha minisitry ny fitsarana anao 💪🏾💪🏾

Ny Paka💐💐 sy ny Rarahampirenena dia fotoana roa samy manan-danja, samy mampahatsiahy antsika fa ny fahafahana sy ny fiai...
05/04/2026

Ny Paka💐💐 sy ny Rarahampirenena dia fotoana roa samy manan-danja, samy mampahatsiahy antsika fa ny fahafahana sy ny fiainam-baovao dia tsy voafetra amin’ny tantara na fivavahana ihany, fa mitaky fiaraha-mientana sy fandraisana andraikitra. Raha ny Paka no mampianatra antsika ny herin’ny fanavaozana sy ny fandresena amin’ny fahafatesana, ny Rarahampirenena kosa mampahatsiahy fa ny fahafahana sy ny fahamarinana dia vokatry ny tolona sy ny firaisankina. Ho an’ny taranaka vaovao, ireo fotoana roa ireo dia antso ho amin’ny fananganana Madagasikara madio, mirindra ary manaja ny zon’olombelona.”

Miarahaba ny Malagasy rehetra nahatratra izao fetin'ny p***a izao

Ary Manome hery sy mirary soa ny Tanora Mpitolona 💪🏾💪🏾rehetra ahavita Ary hahatafitasoa ny Tolona ho an'ny Taninjanaka🇲🇬🇲🇬

Vondrona Antoky ny Tolona ho an'ny Olom-pirenena - VATO

Générations Ho an’i Madagasikara

GEN Z Madagasikara ofisialy.

GEN Y Madagascar Ofisialy

ANTAFA-Province Antananarivo

Herizo N

Générations Ho an’i Madagasikara

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Générations Ho an'i Madagasikara Analamanga posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share