13/10/2026
📍 1 Oktobra 2026 | Novotel Antananarivo
🇲🇬
Nandray anjara tamin’ny atrikasa momba ny ady sisika avo lenta hiarovana ny ankizy sy hiadiana amin’ny fampanambadiana ankizy ny ONG Youth 4 Change Madagascar.
Ao anatin’ny tetikasa SDSR an’ny Vondrona Parlementeran’ny SADC , dia niara-nivory tamin’izany ireo Solombavambahoaka, ny avy ao amin'ny ministeran'ny mponina sy ireo solotenan'ny ministera isan-tsokajiny, fiarahamonim-pirenena, ny tanora ary ireo mpiara-miombon’antoka, anisan’izany ny UNFPA sy UNICEF.
⚖️ Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny lalàna sy ny fametrahana ny 18 taona ho taona farafahakeliny ahafahana manambady, ary ny fanafoanana ny fampanambadiana ankizy, ny dinika.
📜 Nisy ihany koa ny fanaovan-tsonia ny “Manifesto” ho fanafoanana ny fampanambadiana ankizy eto Madagasikara.
🤝 Youth 4 Change dia manamafy ny fahavononany hanohana ny fiarovana ny ankizy sy hampiroborobo ny feon’ny tanora.
18 TAONA. TSY LATSAKA. ✊
🇬🇧
Youth 4 Change Madagascar took part in a workshop on high-level advocacy to protect children and end child marriage.
Held as part of the SADC Parliamentary Forum’s SRHR project, the workshop brought together Members of Parliament, representatives from the Ministry of Population and other ministries, civil society organizations, young people, and partners, including UNFPA and UNICEF.
⚖️ Discussions focused on strengthening legislation, establishing 18 as the minimum legal age for marriage, and ending child marriage.
📜 The event also featured the signing of a Manifesto to End Child Marriage in Madagascar.
🤝 Youth 4 Change Madagascar reaffirms its commitment to protecting children's rights and promoting young people's voices in decision-making.
18 YEARS. NOT A DAY LESS. ✊