01/10/2026
Tonga ity ny volana vaovao , ary tsy misy tsara noho ny mamarana sy manomboka volana anaty fiderana sy fiankohofana.
Rehefa anaty ady mangotraka ianao dia misy fahendrena sy fomba fiady nasehon’Andriamanitra,
Rehefa misy valim-bavaka andrasana dia misy zavatra mila atao handraisana sy hahatongavan’izany,
Tsy inona izany fa ny fiderana sy fiankohofana.
Ny fiderana sy fiankohofana dia tsy rehefa amin’ny fotoana ny fifaliana, na fandresena, na fahombiazana, na fiadanana ihany no hanaovana izany, fa anaty ady mangotraka , anaty tafiotra mahery , anaty fahaverezan-kevitra, anaty fikorontanana tanteraka koa no fotoanan’ izany.
Tsy hirahira atao io fa fiainana hiainana,
Andriamanitra tsy mitady zavatra compliqué na sophistiqué avy aminao, ny any ilainy dia ny fonao , ary ny fomba haingana indrindra sy tsara indrindra hanolorana izany dia any anaty fiderana sy fiankohofana.
Jerevo Davida , ilay olona araky ny fon’Andriamanitra ka tamin’ny androm-piainany dia nandresy ny ady rehetra izy.
Jerevo Joba, fa na dia potika aza ny fiainany, na rava daholo ny zavatra natsangany, na very ny fananany dia mbola narenin’Andriamanitra ihany ny fiainany sady nomeny avy roa heny izay very.
Jerevo Jesosy, fa na dia betsaka ny fahagagana nataony ary na dia betsaka aza ny zavatra nataony, na maro aza ny nankahala sy nanenjika azy dia vitany ny mission izay nandehanany teto.
Inona mo no hitovizan’ireo olona ireo? Tsotra , nahatakatra sy niaina mandrakariva tanaty fiderana sy fiankohofana izy ireo.
Koa raha mahatsiaro ianao fa ny fiainanao mihitsy no toy ireo tantara ireo, na koa eo amin’ny teboka izay volaza ianao, dia natao ho anao ity fotoana ity.
TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.
Tsy havahana na iza na iza
Tsy misy vidim-pidirana
Identifieo anaty commentaire ny namana tianao hiaraka handeha aminao.
Info-line: +261385733010
Ou viens directement en message privé
â•️MISY NY BUS MITATITRA MODY.
(Andoharanofotsy, Ambohimanarina-Ivato, Sabotsy Nahamena, Itaosy , Alasora, Ambohimangakely)
📌Mila misoratra anarana amin’ny mp izay handeha bus rehetra (Anarana feno+Axe andehanana)
📍REX ANDOHAN’ANALAKELY