06/08/2026
Ity no fotoana izay hikasihan’Andriamanitra ny zava-drehetra eo amin'ny fiainanao ka hahatonga an’izany ho tsara.
Maro ny olona mino fa mahay Andriamanitra kanefa manontany hoe: "Rahoviana Izy no hanao izany?" Ny valin'izany dia hita ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Manana fotoana voatendry ho an'ny teny fikasana rehetra Andriamanitra. Tsy tara mihintsy Izy, ary tsy manadino ny zanany. Ny zavatra heverintsika ho fahatarana dia matetika fotoanan'Andriamanitra hanomanana zavatra lehibe kokoa.
Fantaro anefa fa rehefa tonga ny fotoan'Andriamanitra dia ovainy ho hatsarana ny faharavana, ho voninahitra ny henatra, ho fifaliana ny alahelo, ary ho fijoroana vavolombelona ny zavatra tsy hain'olombelona.
Ka Ho anao izay mangetaheta kasika ka te hahita zava-baovao.
Ho anao izay maniry fiovam-piainana,
Ho anao mbola feno fanontaniana ny amin’ny hoavinao,
Ho anao izay manana projet ka mety miandry famatsiana na olona hiara-hiasa,
Ho anao mpandraharaha izay te hampandroso ny asanao misimisy,
Ho anao izay maniry hiaina anaty fiadanana,
Mamelà ahy hilaza aminao fa ao amin’ny fanahy dia izao no fotoana voatendry hirotsahan’ny ranonorana ho anao, ho an’ny fiainanao, ankohonanao, asanao, fianaranao, fanompoanao, fahasalamanao, ary ho an’ny hoavinao.
Tongava ianao amin’ny maha ianao anao fa vonona hanova ny tantaram-piananao Jesosy.
Tsy misy vidim-pidirana
Identifieo anaty commentaire ny namana tianao hiaraka handeha aminao.
TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.
Info-line: +261385733010
Ou viens directement en message privé
⭕️MISY NY BUS MITATITRA MODY.
(Andoharanofotsy, Ambohimanarina-Ivato, Sabotsy Nahamena, Itaosy , Alasora, Ankatso, Ambohimangakely)
📌Mila misoratra anarana amin’ny mp izay handeha bus rehetra (Anarana feno+Axe andehanana)
📍REX ANDOHAN’ANALAKELY