27/01/2026
Ho hazavaina amin-tsika androany Ary ny hoe :
👉 inona no atao hoe "personne dépendante "? izay raisin'ny centre Tsinjo Aina an-tanana ny momba azy 👌
Ny hoe "personne dépendante" (olona miankin-doha) dia olona tsy afaka manatanteraka irery ny zavatra fototra ilaina amin'ny fiainana andavanandro noho ny antony fahasalamana, fahanterana, na fahasembanana [1, 2].
👉🏿Ireto avy ireo fepetra mamaritra izany:
⛔️Tsy fahaleovan-tena ara-batana: Mila fanampiana ny olona iray rehefa tsy afaka misakafo, mitafy, misasa, na mifindra toerana (mianga eo am-pandriana na mandeha) intsony izy
⛔️Tsy fahaleovan-tena ara-tsaina: Mety ho vokatry ny aretina mikasika ny saina na ny fitadidiana (ohatra: aretina Alzheimer) izay mahatonga ny olona tsy hahay hitantana ny fiainany intsony na mila fanaraha-maso akaiky
⛔️Mila mpanampy foana: Ny "dépendance" izay midika fa mila olona hafa (havana na mpiasa matihanina) hanampy azy amin'ny fotoana rehetra.
👉Misy ambaratongany ny fiankinan-doha, manomboka amin'ny hoe mila fanampiana amin'ny zavatra madinika ka hatramin'ny hoe tsy afaka mihetsika mihitsy 👌
⛔️koa raha sendra izany isika na misy fianakaviana na misy namana na Kely na lehibe na antitra mila ny fanampianay Dia vonona izahay hikarakara anareo , amin'ny sarany tena mora , kanefa fikarakarana tena manara-penitra miaraka amin'ny olona manana traik'efa, afaka manantona anareo any an-trano izahay na koa afaka makaty aminay ianareo Ary karakarainay aty amin'ny centre , raha mila fanazavana fanampiny Ary Dia manasa anao hiantso ny 0344538917 na handefa mail@« [email protected] »na hanantona anay ety Ambatonjara by pass akaikin’ny Nombantsoa . Miandry anareo ary izahay 👌Mankasitraka tompoko.