EL-Andie

EL-Andie Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from EL-Andie, Nonprofit Organization, Antananarivo.

Ambasadora Hay'Zara avy amin'ny "Mouvement Malagasy pour le Planning Familial" (MMPF) 🇲🇬

~Mpiaro ny zon'ny vehivavy

~Mpanentana sy mpiaro ny fahasalamana ara-pananahana

~Ambasadora tanora mitondra fanovana ho an'ny vehivavy sy ny tanora Malagasy

10/02/2026

🚨 ALERTE ROUGE : GEZANI 🌪️

Efa eo am-baravaran’i Toamasina ny mason’ilay rivodoza (Cyclone Tropical Intense). Hizotra makany Analamanga sy ny Faritra Afovoany izy avy eo.

ZAVATRA TSY MAINTSY ATAO DIENY IZAO:

🛑Aza mivoaka ny trano intsony.
🛑Hamafiso ny tafo sy ny varavarana.
🛑Mialà amin'ny toerana ambany na trano mety hianjera/hotsaka.
🛑Tehirizo amin'ny toerana maina ny antontan-taratasy sy ny vatsy (sakafo, jiro).

Samia mailo ! ✊🚩

🇲🇬 "Mpox" na nendran-drajako tsy trend fa tsimokaretina mitady izay hifindrany 🚫🦠Hitanao mivezivezy eny amin’ny pejy sos...
29/01/2026

🇲🇬 "Mpox" na nendran-drajako tsy trend fa tsimokaretina mitady izay hifindrany 🚫🦠

Hitanao mivezivezy eny amin’ny pejy sosialy angamba ny resaka Mpox, nefa tandremo 👇
tsy kilalao na resaka mandalo fotsiny io, fa tsimokaretina masiaka mitady izay hifindrana.

⏳ Rehefa 5–21 andro dia mety hiseho ny soritr’aretina :

🌡️ Hafanana be, marary loha, reraka be
🔴 Fery sy boutons maharary amin’ny tarehy, tanana ary taovam-pananahana

🛡️ Ahoana no hisorohana?

• Raha misy fery na boutons mampiahiahy dia ajanony aloha ny firaisana ara-nofo sy ny fikasihana akaiky
• Mifindra amin’ny alalan’ny hoditra ny tsimokaretina, ka na misy kapaoty aza rehefa manao firaisana ara-nofo dia mbola mety hifindra
• Fadio ny oroka, fihina ary fikasihana akaiky raha misy ahiahy
• Rehefa sitrana dia miandrasa 12 herinandro vao miverina manao firaisana ara-nofo

👉 Raha misy ahiahy, mankanesa any amin’ny tobim-pahasalamana na antsoy ny 910.

🛑 Tsarovy : andraikitro, andraikitrao, andraikitsika ny miaro ny fahasalamana.

_______

🇫🇷 Mpox ou la variole de singe n'est pas une trend mais un virus qui cherche à se propager 🚫🦠

Vous avez peut-être vu passer des posts sur le Mpox sur les réseaux sociaux, mais attention :
ce n’est pas un jeu ni un sujet à la mode, c’est un virus bien réel qui cherche à se transmettre.

⏳ Après 5 à 21 jours, les symptômes peuvent apparaître :

🌡️ Forte fièvre, maux de tête, grande fatigue
🔴 Boutons et éruptions douloureux sur le visage, les mains et les organes génitaux

🛡️ Comment se protéger ?

• Si vous ou votre partenaire avez des boutons ou symptômes suspects, stoppez tout rapport sexuel et les contacts rapprochés
• Le virus se transmet par contact de la peau, donc même avec un préservatif, le risque existe
• Évitez les baisers, les câlins et les contacts rapprochés en cas de doute
• Après guérison, attendez 12 semaines avant de reprendre les rapports sexuels

👉 En cas de doute, consultez un centre de santé ou appelez le 910.

🛑 Rappelez-vous : se protéger est notre responsabilité à tous.

🇲🇬 : « Aleo vitsy tsara tsinjo, toy izay maro tsy voaomana ! » 🛑Tsy ny isan’ny zaza no mampiseho ny fitiavanao azy, fa n...
16/01/2026

🇲🇬 : « Aleo vitsy tsara tsinjo, toy izay maro tsy voaomana ! » 🛑

Tsy ny isan’ny zaza no mampiseho ny fitiavanao azy, fa ny fahaizanao manome azy ny hoavy mendrika. Amin’izao fahasarotan’ny fiainana izao, ny fitiavana dia midika ho fiomanana.

Nahoana no ilaina ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ? 🤔 Satria ny zaza tsirairay dia mendrika:

✅ Ny ho zaza niriana (fa tsy vokatry ny kisendrasendra).
✅ Ny ho zaza hovatsiana (sakafo, fianarana, fahasalamana).
✅ Ny ho zaza hokolokoloina ao anatin'ny fitiavana sy ny fahasambarana.
✅ Ny ho zaza hanana anjara masoandro (fa tsy hiaritra ny tsy ampy).

Ny Planning Familial dia tsy fomba hitsaharana amin’ny fiterahana, fa fomba iray handresena ny fahasahiranana. 💪

Ny safidy raisinao anio no mamaritra ny hoavin’ny zanakao rahampitso. ✨

_________________________

🇨🇵 : « Il vaut mieux avoir peu d'enfants, bien élevés, que beaucoup d'enfants sans préparation ! » 🛑

Ce n'est pas le nombre d'enfants qui témoigne de votre amour, mais votre capacité à leur offrir un avenir digne. En cette période difficile, aimer, c'est aussi se préparer.

Pourquoi la planification familiale est-elle nécessaire ? 🤔 Parce que chaque enfant mérite :

✅ D'être un enfant désiré (et non le fruit du hasard).
✅ D'être un enfant qui ne manque de rien (nourriture, éducation, santé).
✅ D'être un enfant qui grandit dans l'amour et le bonheur.
✅ D'être un enfant qui profite de la vie (et non de subir le manque).

La planification familiale n'est pas un moyen de renoncer aux enfants, mais un moyen de surmonter les difficultés. 💪

Les choix que vous faites aujourd'hui déterminent l'avenir de vos enfants demain. ✨

Ny safidiko androany, antoky ny fandrosoana ho an’ny rehetra! 🇲🇬Inona marina moa ity Fandrindrana ny Fiainam-pianakavian...
10/01/2026

Ny safidiko androany, antoky ny fandrosoana ho an’ny rehetra! 🇲🇬

Inona marina moa ity Fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana (Planning Familial) ity? 🤔

Raha tso***a, ny Fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana (Planning Familial) dia ny fahafahanao misafidy sy manapa-kevitra malalaka amin’ny fotoana hitondrana vohoka sy ny elanelan'ny zaza tianao hananana. Tsy resaka fanafody fotsiny izy io, fa fomba iray entina mitantana ny fiainana mba ho zaza niriana sy voakarakara tsara no teraka, ary ho salama foana ny reny.

Koa satria voarindra ny fiainana, dia misokatra ho azy ireo varavaran'ny fandrosoana 4 eo amin'ny sary ireo:

1️⃣ TANJONA SY NOFY: Hafaka mifantoka amin ny fanatratrarana ny nofiny sy tetikasany ny rehetra
2️⃣ FAHASALAMANA ARA-BATANA: Ny vehivavy sy ny zaza salama no hery fototra mampiodina ny ankohonana sy ny fiarahamonina.
3️⃣ HOAVY VOARINDRA: Rehefa tompon'ny safidy ianao, dia voafehy ny teti-bola ary milamina ny fitantanana ny tokantrano.
4️⃣ FIRENENA MANDROSO: Ny fanapahan-kevitrao androany no antoky ny firoboroboan'ny toekaren'i Madagasikara.

Ny Fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana (Planning Familial) dia hery ahafahantsika miroso miakatra sy manangana hoavy mafy o***a ho an'ny rehetra! 📈

Tratry ny taona 2026 ho antsika rehetra ! 🥳✨Ny ekipan’ny Hay Zara sy ny tenako dia mirary soa sy fahombiazana ho anao sy...
31/12/2025

Tratry ny taona 2026 ho antsika rehetra ! 🥳✨

Ny ekipan’ny Hay Zara sy ny tenako dia mirary soa sy fahombiazana ho anao sy ny ankohonanao. Amin’ity taona ity, aoka isika hikarakara bebe kokoa ny vatantsika sy ny hoavintsika.

Tsarovy fa ny fahalalana feno (Education Complète à la Sexualité), ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana (Planning Familial), ny fahasalamana ara-pananahana (Santé Sexuelle Reproductive) ary ny fifanajàna dia fanalahidin’ny fampandrosoana. Vonona hatrany izahay hanampy anareo amin’ny alalan’ny torohevitra sy fampahalalana.

Mirary taona mamy sy feno fitiavana ho antsika rehetra! 🌟

#2026

31/12/2025

2025: Ny fiantombohan'ny diako... ✨

Tao anatin'ity vidéo ity ny famintinana ireo dingana voalohany nolalovako. Teo ny 16 andro nenti-niady tamin'ny herisetra nomerika, izay nanamarika ny fanombohan'ny diako. Fa amin'ity Janoary ity no tena hiditra amin'ny asako maha Ambassadrice Hay'Zara ao amin'ny "Mouvement Malagasy pour le planning familial" ny tenako. 💜🚀

Misaotra anareo nanaraka sy nanohana hatrany! ❤️

Ary ianao, inona no zava-dehibe nanamarika ny tantaranao tamin'ity taona ity? Zarao amiko ao amin'ny commentaire ny fanehoan-kevitrao! 👇

Mirary fety sambatra ho antsika rehetra ary samia mahatratra ny taona vaovao ao anatin'ny fahasalamana sy ny fifaliana! Ho feno hery vaovao anie isika hiatrika ny 2026. 🥂✨

Mirary Krismasy sambatra ho antsika rehetra! 🎄🌟 Hafaliana, fitiavana ary fiadanana ho an'ny isan-tokantrano. ✨❤️Mamy ny ...
25/12/2025

Mirary Krismasy sambatra ho antsika rehetra! 🎄🌟 Hafaliana, fitiavana ary fiadanana ho an'ny isan-tokantrano. ✨❤️

Mamy ny fety rehefa salama sy milamina ny fianakaviana! 🤝🌸

Restitution des 16 jours d'activisme ✊🏻
17/12/2025

Restitution des 16 jours d'activisme ✊🏻

13/12/2025

🇲🇬 : Misaotra anareo tamin'ny fahafahana nandray anjara tamin'ny 16 Andro ho an'ny hetsika fanoherana ny herisetra nomerika atao amin'ny vehivavy sy ny ankizivavy. 😄

🇨🇵 : Merci pour cette opportunité d'avoir eu la chance de participer aux 16 jours d'activisme contre les violences numériques faites aux femmes et aux filles. 😄

́ ́s

08/12/2025

🇲🇬 : Andro faha 14 hoenti-miady amin'ny herisetra nomerika ✊🏻

⚠️ Tsy voatery hatoky, tsy voatery hizara.

Samia mailo.

🇲🇫 : Jour 14 des 16 jours d'activisme ✊🏻

Tout ce que vous envoyez peut être utilisé contre vous.

Pensez-y avant de faire confiance

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when EL-Andie posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share