21/05/2026
🕊️ Herinandron’ny Fanahy Masina🕊️
Eo am-piomanana amin’ny Pantekoty isika izao, fotoana iray hanavaozana ny finoana sy hanokafana ny fontsika handray ny Fanahy Masina. 🙏
Enga anie ity herinandro ity ho fotoana:
✨ hivavahana bebe kokoa
✨ hifampaherezana sy hifankatiavana
✨ hanamafisana ny finoana sy ny firaisankina
📖 “Fa handray hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo.” (Asa1:8)
⚜️ Amin’ny maha-tily dia adidy ny manentana ny rehetra hiaina am-pinoana sy hitondra hazavana sy fanantenana manodidina azy amin’izao fiomanana amin’ny Pantekoty izao.