Firaisan'ny Fifohazam-Panahy Katolika FFPK

Firaisan'ny Fifohazam-Panahy Katolika FFPK ✨ "Fa Izy no fihavanantsika, Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray" (Efez. 2:14 a) ✨🙏💙

01/09/2026
🕍Vaovaon'ny églizy katolika eto Madagasikara 🕍 🔘JMJ DIOSEZIN' ANTSIRANANA✝️"Olo araiky atsika jiaby mifampitsimbina, mia...
31/08/2026

🕍Vaovaon'ny églizy katolika eto Madagasikara 🕍

🔘JMJ DIOSEZIN' ANTSIRANANA

✝️"Olo araiky atsika jiaby mifampitsimbina, miaro ny tontolo iaianana ka zary vavolombelon'i Kristy".✝️

❤️Miarahaba ny Tanoran'ny Diosezin' Antsiranana nahatontosa ny JMJ izay notanterahina teto Sambava nanomboka ny Alarobia 26 Aogositra teo ,ary nifarana androany. Isaorana ireo mpivahiny tonga maro , izay manodidina ny 2.600 teo ho eo. 👬👭

📍Mirary soa amin'ny fanomanana ny any amin'ny JMJ Toamasina any.🙏

✍️KatolikaVovonam-Pirenena Katolikan'ny Tanora Tanora

🎉 TRATRY NY FAHA-82 TAONA, MOMPERA R. BONAVENTURE! 🎂🙏Faly izahay miarahaba anao noho izao faha-82 taona izao. Isaoranay ...
30/08/2026

🎉 TRATRY NY FAHA-82 TAONA, MOMPERA R. BONAVENTURE! 🎂🙏

Faly izahay miarahaba anao noho izao faha-82 taona izao. Isaoranay Andriamanitra noho ny aina sy ny fahasoavana nomeny anao, ary noho ny fanompoana sy ny fijoroanao ho vavolombelon’ny finoana.

🙏 Mirary fahasalamana, fiadanam-po, hery ary fahasoavana hatrany ho anao izahay. Enga anie ny Tompo hitahy sy hiaro anao mandrakariva.

Ho ela velona, Mompera! 🎉🙏

Voninahitra ho an'Andriamanitra! Ny Firaisan'ny Fifohazam-Panahy Katolika dia mirary soa hatrany an'i MGR RABEONY FULGEN...
29/08/2026

Voninahitra ho an'Andriamanitra! Ny Firaisan'ny Fifohazam-Panahy Katolika dia mirary soa hatrany an'i MGR RABEONY FULGENCE ary misaotra ny amin'ny fikolokoloana sy fanabeazana nomeny.

22/08/2026
22/08/2026
✨ Zavatra iray ihany no ho tadiavina,🌍 Fa izay aty an-tany dia zava-poana,🍃 Ny nofo dia zavamandalo ihany,🪦 Satria ho lo...
22/08/2026

✨ Zavatra iray ihany no ho tadiavina,
🌍 Fa izay aty an-tany dia zava-poana,
🍃 Ny nofo dia zavamandalo ihany,
🪦 Satria ho lo ao anatin'ny tany;
❤️ Raha azoko kosa ny zavatra iray,
🙏 Ny foko ho sambatra mandrakizay. ✨

🟩 Sabotsy 22 aogositra 2026.🔴 Tontosa soa aman-tsara ny fankalazana ny Andron’ny arsidiosezin’Antananarivo sy fankalazan...
22/08/2026

🟩 Sabotsy 22 aogositra 2026.
🔴 Tontosa soa aman-tsara ny fankalazana ny Andron’ny arsidiosezin’Antananarivo sy fankalazana an’i Masina Maria Mpanjakavavy sy Victoire Rasoamanarivo olontsambatra teny Amphipo androany.
🔷 Tamin’izany koa no nanaovana ny fanamasinana pretra 11 mirahalahy notarihin’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ary ny fiarahabana ireo pretra 6 nankalaza ny Jobily faha-25 tao amin’ny sahan’ny Tompo.
🔵 Fahasoavana izany rehetra izany ka faly sy mihoby ary mankalaza ny Trinite Masina isika fa lehibe ny Fitiavany antsika sy ny Fiangonantsika.
🟩 Misaotra ny Tompo fa noho ny iraka nomeny an’i Victoire Rasoamanarivo dia niroborobo ny Finoana katolika eto amin’ity Nosy malalantsika ity.
🔴 Ho voninahitry ny Trinite Masina anie fananantsika Finoana velona.
🔷 Samia ho tahian’Andriamanitra jiaby 🙏🏼🇲🇬
©️ Jean-Chrysostome Andriamahazosoa

Address

Ankaraobato
Antananarivo
102

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Firaisan'ny Fifohazam-Panahy Katolika FFPK posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share