Générations Ho an’i Madagasikara

Générations Ho an’i Madagasikara ❗️FANOVANA RAFITRA—POLITIKA
MARIN-TOERANA✅
—————————————————————
✊🏻🇲🇬TSY MAINTSY MANDRESY
NY TOLONA🇲🇬✊🏻

13/08/2026

Iza de aiza!?
😅😂🤣

12/08/2026

Garant ny andrim-panjakana entinao ianao Atoa PAN, rehefa tsy nahatanteraka an’ireo asa nomena anareo ianareo dia aleo ianareo miala, aleo tsy misy!

11/08/2026

Disque efa gôka ny anareo Atoa PAN sy ny Deputés rehetra... rehefa tsy vita ny nampanaovina anareo dia mialà teo.

23/07/2026
Générations Ho an'i Madagasikara Atsinanana mijoro ho an'ny Taninjanaka ✊🇲🇬Samuel Samu
10/07/2026

Générations Ho an'i Madagasikara Atsinanana mijoro ho an'ny Taninjanaka ✊🇲🇬

Samuel Samu

Samia mitandrina Arovy ny zanakaPrésidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRMampio ny RAD fa tena  ...
07/07/2026

Samia mitandrina
Arovy ny zanaka
Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM
ampio ny RAD fa tena Mandry Andriranantsy ny zanaka Malagasy

Mobiliseo ireo force be dia be ireo hikaroka ny Mpanao ratsy fa Maty Maty fona ny zanaka Malagasy

11 JONA 2026 - EPP ANTOKOMAROMitohy hatrany fandraisana an-tanana ireto mpianatra hanala fanadianana CEPE ireto, izay at...
13/06/2026

11 JONA 2026 - EPP ANTOKOMARO

Mitohy hatrany fandraisana an-tanana ireto mpianatra hanala fanadianana CEPE ireto, izay atao amin'ny 16 Jona 2026 ho avy izao.
Taoriana ny fitondrana azy ireo teny amin'ny Rovan'i Manjakamiadana tany Antananarivo dia, nandalo teny amin'ny sekoly EPP Antokomaro, CU Mahitsy - Distrika Ambohidratrimo ny Birao Générations Ho an’i Madagasikara Nasionaly tarihan'ny Filoha Miora Näntenäinä Rãkotomãlãlã sy ny Birao Générations Ho an'i Madagasikara Analamanga ary ny Mpandrindra GHM Mahitsy.

Nitsidika, nitondra am-bavaka sy fankaherezana ireto ankizy amin'izao dingana voalohany amin'ny fiainampianarany izao ny Fikambanana, ary nanolotra fampitaovana entina hiatrehana izany fanadinana izany, toy ny cahier, stylos manga, crayon, gomme, crayon de couleur, règle complet, compas, trousse, ary indrindra ny CHOCOLAT.

Marihana fa mpianatra avy amin'ny EPP telo manodidina no novatsiana fitaovana dia ny EPP ANTOKOMARO, SOAVINIMERINA ary BEVOMANGA. Misaotra ireo Tale Sekoly anakitelo, ireo mpampianatra ary ireo Ray aman-dReny amin'ny fitaizana sy ny fanabeazana ireto ankizy ireto fa adidy Masina ny anareo na dia eo aza ny fahasarotan'ny asa hiandraiketanareo tsirairay avy.

Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM
Primature - Lapan'i Mahazoarivo
Miora Näntenäinä Rãkotomãlãlã

❌ TSIA 🚫 TSIA ❌ TSIA 🚫 TSIA ⛔ TSIA ⛔TSY EKENAY TOMPOKO IO ZAVATRA ATAONAREO IO.HITSANGANA IZAHAY HANDÀ AN'IO!!
10/06/2026

❌ TSIA 🚫 TSIA ❌ TSIA 🚫 TSIA ⛔ TSIA ⛔

TSY EKENAY TOMPOKO IO ZAVATRA ATAONAREO IO.

HITSANGANA IZAHAY HANDÀ AN'IO!!

Hiara-hientana isika hiaro!✊🇲🇬
02/06/2026

Hiara-hientana isika hiaro!

✊🇲🇬

❌𝐓𝐒𝐈𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐑𝐈𝐒𝐄𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐄𝐇𝐄𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘❌
🎯Olombelona tahaka ny rehetra ny olona manana toe-tena varira

🎯Ny olona manana toe-tena varira, dia olona manana fahasembanana vokatry ny tsy fahatomombanan’ny sela, fa tsy olona manana hery miafina ary tsy manana hery manokana mety mampanankarena

🎯Tsy misy finoana na fomba amam-panao afaka manamarina ny herisetra, ny fakàna an-keriny na ny famonoana olona

🎯Voarara sy arahan-tsazy araka ny lalàna velona ny fanaovana herisetra amin’ny olombelona, koa sahia mitoroka.
👉𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐲 𝐦𝐚𝐢𝐦𝐚𝐢𝐦𝐩𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚: 𝟏𝟒𝟕

30 Mey 2026 - Générations Ho an'i Madagasikara - EPP Antokomaro - EPP SoavinimerinaMpianatra 29 sy mpampianatra avy ao a...
02/06/2026

30 Mey 2026 - Générations Ho an'i Madagasikara - EPP Antokomaro - EPP Soavinimerina

Mpianatra 29 sy mpampianatra avy ao amin'ny Sekoly Fanabeazana Fototra Antokomaro sy Soavinimerina, Kaominina Mahitsy, Distrika Ambohidratrimo, Faritra Analamanga, izay hanala fanadinam-panjakana CEPE atsy ho atsy no nitsidika ny Rova Manjakamiadana niaraka tamin'ny Fikambanana Générations Ho an'i Madagasikara notarihan'ny Filoha Nasionaly ny Sabotsy 30 Mey 2026 lasa teo.

Gaga, talanjona, faly ny ankizy nahita ity trano be ity avy ety ivelany, harembakoka maro no miranty ety ivelan'ny Lapa, toy izay koa ny ao anatiny. Liana tokoa ny ankizy te hahalala ny tantaran'ny Fanjakana sy ireo Mpanjaka nifandimby tao Imerina. Ny fahafantarana ny tantara niangan'ny Fanjakana Malagasy dia anisan'ny hery anakiray entina manova ny tantaran'ny Madagasikara, indrindra amin'izao vanimpotoana ny Fanavaozana izao. Maro ny lesona azo sy ny fanampim-pahalalana voarain'ireo ankizy ireo entina miatrika ny fanadinana CEPE ho avy izao.

Eto, dia maneho fisaorana ny Tomponandraikitra ara-panjakana rehetra nahafahana nanatontosa iny tontolo andro iny na ny teo amin'ny fanomezana ny fahazoandalana rehetra, isaorana ny Filoha Nasionaly ny Générations Ho an’i Madagasikara, ireo mpampianatra ao amin'ny Sekoly nikarakara ny taratasy fangatahana rehetra, ny nanome ny fiara fitaterana, ny nanao ny sakafo, ny rano sns... ianareo ray amandreny nanome fitokisana, ary indrindra ianareo ankizy rehetra niara-nanovo fahalalana, niara-nifaly sy niara-nitsangatsangana taminay.

Ny Fianarana no Lova tsara indrindra rankizy ah, koa mitsodrano anareo ho tonga any amin'ny avo indrindra izahay ato amin'ny Générations Ho an’i Madagasikara

Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM
Primature - Lapan'i Mahazoarivo
Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina
Miora Näntenäinä Rãkotomãlãlã

Firaisankina Ho an'ny Taninjanaka ✊🇲🇬

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Générations Ho an’i Madagasikara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share