RATEFY.dev

RATEFY.dev � Ndao hiresaka momba ny "Fampandrosoana" �

🎙️🎙️🎙️«- Inona no asa tianao atao ?   -Hanao mpikaroka aho  -Inona zany mpikaroka zany ? Be vola ve zany? »Mino aho fa v...
15/07/2026

🎙️🎙️🎙️«- Inona no asa tianao atao ?
-Hanao mpikaroka aho
-Inona zany mpikaroka zany ? Be vola ve zany? »

Mino aho fa vitsy amin’ny tanora vao afaka baccalauréat no te hanao mpikaroka zany.😅
Ary mino koa aho fa toy io no ho tohin’ny resaka raha misy izany.😊

📌📌📌Nifantoka tamin’io asa fikarohana io na « métier de chercheur » io ny fizarana nataon’i Pr Jonah RATSIMBAZAFY sy i Pr Laurent RAVEZ androany teny amin’ny trano fitehirizam-bokin’ny oniversiten’Antananarivo.📆

🔴Ny fikarohana dia asa ohatry ny fihirana, fambolena, fitsaboana, fikarakarana sakafo, sns sns
👉Ny mpikaroka dia mpamokatra fahalalàna ara-tsiansa amin’ny alalan’ny asa soratra atao hoe « article scientifique ».👈 Ny mpikaroka tsy manana asa soratra ❌❌❌siantifika zany dia tahaka ny mpamboly tsy misy tanimbary ambolena.❌❌❌

🔴Ny asa soratry ny mpikaroka dia tokony mitondra fahazavan-tsaina manokana sy vahaolana manokana manoloana olona iray na tranga iray misy amin’ny lafiny iray amin’ny fiainan’olombelona. => Le chercheur est un citoyen du monde.💯💯💯

« Un pays négligeant la recherche scientifique est un pays vouer à rester sous-développé »🙃🙃🙃

🔴Ny teboka manaraka moa dia milaza fa ny asan’ny mpikaroka dia tokony hahitana fiaraha-miasa amin’ny vondron’olona ifotony ary mitondra traika azo tsapain-tànana amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro.

A la rencontre des chercheurs de l'Unité Mixte Internationale Soutenabilité et Résilience au mois de Juin en France 🤓🤓🤓 ...
08/07/2026

A la rencontre des chercheurs de l'Unité Mixte Internationale Soutenabilité et Résilience au mois de Juin en France 🤓🤓🤓

"Tout travail scientifique est une réalisation communautaire et non pas l'œuvre d'un cavalier seul" -Stephen Jay Gould

Hummmm... 🔥🔥🔥
06/07/2026

Hummmm... 🔥🔥🔥

Inona ilay atao hoe "EQUITÉ" ary inona ilay atao hoe "EGALITÉ" ❓Ny mahadika sy mahalaza azy angamba dia hoe "fitovian-ta...
18/12/2025

Inona ilay atao hoe "EQUITÉ" ary inona ilay atao hoe "EGALITÉ" ❓

Ny mahadika sy mahalaza azy angamba dia hoe "fitovian-tantana" (égalité), "fitovian-danja" (égalité)

Fanoharana ny amin'ny fizarana kiraro no entina hanazavana azy androany:
👉 Ny fitovian-tantana dia ny fanomezana kiraro mitovy tanteraka karazan'olona maro (na vehivavy na lehilahy, na ankizy na tanora, na olona manana olana amin'ny refi-tongotra na manana handicap na olon-tsotra)
👉Ny fitovian-danja kosa dia ny fanomezana ny tsirairay ny kiraro sahaza azy avy sy mifanaraka amin'ny zava-misy amin'ny fiainany manokana.

🎯🎯🎯Ny tanjon'ny fitovian-danja eto dia ny hananan'ny tsirairay kiraro mety aminy fa ny tanjon'ny fitovian-tantana kosa dia ny hitovian'ny kiraro omena ny tsirairay.

Raha ny marina, miankina amin'ny zavatra omena sy ny zava-misy no mahamety na tsy mampahamety ny fitovian-tantana sy ny fitovian-danja... ✅

🔴Omena budget mitovy ve ny régions 2?
🔴Omena fitaovana mitovy ve ny tokantrano mpamboly roa raha toa ny iray mpamboly vary an-tanety, ny iray mpamboly vary an-tanimbary?
🔴Omena vola mitovy ve ny zaza 2 mandeha mianatra Raha ny iray terminale ary ny iray 6ème? Raha frais dia eny, fa raha goûter na vidim-pitaovana dia tsia...
sns...

Raha ny mbola mahazatra sy ny omaly no hitantsika dia tsy fiovana izay ❌❌❌Mino isika fa misy làlam-panovana tsy hita tan...
10/12/2025

Raha ny mbola mahazatra sy ny omaly no hitantsika dia tsy fiovana izay ❌❌❌
Mino isika fa misy làlam-panovana tsy hita tany amin'ny firenen-kafa afaka ho hita eto Madagasikara.


🔴🔴🔴Ireo teboka famintinana🔴🔴🔴Jour 4, symposium national des jeunes pour la paix et la sécurité Acteurs: PNUD/ONU/UNICEF/...
09/12/2025

🔴🔴🔴Ireo teboka famintinana🔴🔴🔴

Jour 4, symposium national des jeunes pour la paix et la sécurité

Acteurs: PNUD/ONU/UNICEF/UNESCO/PBF/GEN_Z/YPS/Ministre de la jeunesse/Ministre de la communication/Primature

Fihaonana sy fifampiresahana nataon'ny solotenan'ny tanora avy amin'ny faritra 24 sy tompon'andraikitra ambony 3 eto amin'ny firenena ny hariva sy tompon'andraikitra eo anivon'ny Nations Unies sy ny PNUD ary ny UNICEF ny maraina.

Fohy dia fohy ny fotoana fa misy teboka vitsivitsy nisarika ny saiko:

ONU
👉"Les financements sont en train de tarir" hono dia mila mihevitra tsara izay tokony atao....🧐
👉Concept malaza ankehitriny hilazana ny hoe "Poverty" => "scarcity" sy "rarity" 😅

FANJAKANA (Ministre de la jeunesse et sports, Ministre de la communication, Directeur de cabinet au niveau de la Primature)
👉 Tsy ity fitondrana ity no fitondrana efa miova rafitra fa fitondrana manomana ny fiovana rafitra. Ny fitondrana miova rafitra dia manomboka aorian'ny fanapahan-kevitra rehetra mandritra ny fikaonan-doha
👉Tsy mbola nanomboka ny fikaonan-doham-pirenena fa vao manangona sy miantso ireo olona rehetra tokony hitarika izany ny FFKM (comité scinetifiques, experts, OSC rehetra, izay manana andraikitra sy manapa-kevitra rehetra eo amin'ny fiaraha-monina)... Misy asymétrie d'informations goavana eto amin'ny firenena ve?
👉Fomba hanaovana ny concertation: manangana sy manome hevitra ny isaky ny fokontany, miakatra commune, miakatra district, miakatra région dia miafara amin'ny firenena... Mila manomana izay asa fanovana ilainy zany ny isam-pokontany sy ireo tompon'andraikitra rehetra eto Madagasikara (comités scinetifiques, tanora, OSC, sns)
👉Adapter-na isam-paritra ny programam-pampianarana
👉Ireo havan'ny marary na maty nandritra ny tolona (solotena iray) dia efa jerena ary omen'ny Fanjakana asa.
👉Ho atsangana ny parlement des jeunes maharitra (tsy misaraka amin'ny fanjakana na iza na iza mitondra eo na amin'ny fomba inona na inona)...

Ireo aloha zany no teboka tadidiko noresahana tany... ✅
Misokatra ny resabe amin'ny commentaires ☺️

🔴FANDROSOANA= ASA + FAHARETANA + SACRIFICE🔴👉 NA DIA samy mihirahira fandrosoana aza Madagasikara iray vohitra dia tsy ma...
26/09/2025

🔴FANDROSOANA= ASA + FAHARETANA + SACRIFICE🔴

👉 NA DIA samy mihirahira fandrosoana aza Madagasikara iray vohitra dia tsy mandroso araka ny tokony ho izy ny firenena satria:

❌❌❌Tsy ny olona rehetra milaza fa te handroso no tena vonon-kandroso marina...❌❌❌
✨Tsy maintsy ialohavana asa ny fandrosoana, tsy maintsy misy asa mafy atao ao. Misy fanavaozan-tsaina mila ananana hanaovana asa tsara sy ilaina tsy mahazatra ao 😊
✨Ndao anie hanisa eny amin'ny fiaraha-monina misy antsika eny e😊 Raha misy olona 100: firy ny olona tsy manarinary fako eny an-dàlana,
ary firy isanandro ny olona hita manao maloto eny imasom-bahoaka rehetra eny tsy misy henatra intsony??? Ary satria isika tena hiresaka fandrosoana dia sahiko mihitsy no mampatsiahy antsika fa ny aliaka tompoko no tsy menatra manao maloto eny imasom-bahoaka rehetra eny... Raha olombelona no manao toetran'aliaka? Vonon-kandroso ve no hilazana izany?

❌❌❌ Tsy ny olona rehetra no manantena anao handroso❌❌❌...
✨Mila maharitra izay misafidy ny làlan'ny fandrosoana, satria maro ny olona manao izay ialàntsika eo, ary maro koa no miandry fotsiny izay ialantsika eo😒😒😒
✨Nisy olona ambony maromaro tafaresaka tamiko malagasy sy vahiny, nisy olona akaiky ihany koa...fa tena miomehy izy ireo rehefa resahana momba ny hetaheta mba handrosoan'i Madagasikara 😅
✨Fa ity zaraiko aminareo: ny finoako fa afaka ny handroso Madagasikara no antony nanaovako économie... (Tsy vola, tsy carrière), Raha tsy hoavotra intsony ity firenena ity... tsy hitako izay nianarako ny atao hoe "développement". Raha toa ka nihaino ireo olona maro sy ny propos péssimistes an'izy ireny aho efa ela no tsy nanohy ny fianarana sy ny asa fikarohana mahakasika ny Développement 😊

❌❌❌Tsy ny olona rehetra te hahita fandrosoana no mahaloa ny vidin'ny fandrosoana ☺️ Averiko indray: Tsy ny olona rehetra te hahita fandrosoana no mahaloa ny vidin'ny fandrosoana 😊❌❌❌
✨Maro ny olona nitso-drano ahy, maro ny olona namporisika ahy, maro ny olona toa tena nino mihitsy ny ahafahako mandray anjara amin'ity fampandrosoana ity...sns fa rehefa manomboka nanao sacrifices maro aho ho min'izany dia manenjika ny safidy nataoko ireny olona ireny😅 (tsy omena tsiny izy fa tsy mahalala)...
✨Tena MISY PRIX A PAYER ny fandrosoana 🔴 Jereo ireo firenena "nandroso" toa an'i France sy Angleterre: nisy colonies niaritra ary mbola miaritra ny mafy tao (victime amin'izany isika)... jereo ny mpandroaka harem-bevava eto amintsika... Misy ory sy malahelo any ambadika any (tahaka ny hitantsika tamin'ny 25/09/2025 iny)... Ny fanontaniana dia hoe iza no handoa ny vidin'ny fandrosoantsika Malagasy (resahantsika any aoriana ity satria misy modèle hafa)?

🔴🔴🔴🔴Fa izao... Nisy tenina-mpitarika iray izay hoe: ny olona mahomby dia voaozona handroso 🔥🔥🔥 🔴🔴🔴🔴

Azavaiko:
👉Raha tsy vonona handroso ny hafa avelao izy sy ny tsy fahavononany handroso ho any fa mandrosoa ianao raha tena te handroso marina
👉Raha tsy manantena anao handroso ny olona dia avelao any izy sy ny eritreriny dia mandrosoa ianao raha tena te handroso marina
👉Raha toa ka be resaka fotsiny nefa tsy vonona handoa ny vidiny ny sasany dia aleo izy sy ny resabeny any fa mandrosoa foana ianao raha tena te handroso marina..
Izay no atao hoe "tsy maintsy mandroso"
Mandroso foana na inona na inona 😊 tsy manan-tsafidy afatsy ny mandroso😊

Farany:
✅Raha ny tena izy tsy hoe "voaozona" handroso fa "programmé", nateraka, voa-tso-drano ny handroso.
Ny antsika Malagasy mantsy raha miresaka ozona dia tena inoantsika mihitsy hoe tsy misy mahasakana ny fahatanterahan'izany...fa ny mifanohitra amin'izay koa...ny tso-drano ihany koa dia tsy misy mahasakana ny fahatanterahany..ary raha adika amin'ny fitenin'ny siansa: "programmé" dia hoe efa izay mihitsy, tsy mahay afats'izay... Isika olombelona zao programmé tsy maintsy misakafo dia rehefa tsy misakafo isika dia misy voka-dratsy ao, ary raha miala amin'izay système ni-programmer-na antsika izay isika dia ho faty.

Rehefa handroso dia tena aoka handroso 😉

Ny "Économiste" dia sady 👉philosophe no 👉mathématicien no 👉homme d'état no 👉historien (KEYNES)Aza gaga isika fa tena hiv...
26/09/2025

Ny "Économiste" dia sady 👉philosophe no 👉mathématicien no 👉homme d'état no 👉historien (KEYNES)

Aza gaga isika fa tena hivelatra kokoa ny fifampizarana eto amin'ny pejy 😊

Mankasitraka anareo mpanaraka sahady 🙏🙏🙏
23/09/2025

Mankasitraka anareo mpanaraka sahady 🙏🙏🙏

🇲🇬 Salama daholooo 😊😊😊 Manana faniriana aho hizara momba ny fianarana sy ny asa fikarohana izay ataoko 😊😊😊 ary ny fijeri...
22/09/2025

🇲🇬 Salama daholooo 😊😊😊
Manana faniriana aho hizara momba ny fianarana sy ny asa fikarohana izay ataoko 😊😊😊 ary ny fijeriko manokana mahakasika izany 😊😊😊
👉" Développement" izay antsoin'ny maro hoe : Fandrosoana na Fampandrosoana 😊
🔴Izaho dia olona mino fa mbola afaka ny ho tonga firenena "mandroso" tsara I Madagasikara...
🔴Izaho koa mino fa tena asa be manaraka ny arabe ny resaka "Fampandrosoana": miainga amin'ny tenako, => amin'izay ataoko sy ny momba ahy, => amin'ny ankohonako, => amin'ny sehatra misy ahy, => izay vao any amin'ny fireneko..... Tsy ho lava resaka aho fa raha vonon-kandroso sy liam-pandrosoana ianao dia andao 😉

Ity pejy ity no hoatokako hizarana izany: ka manasa antsika hanaraka ny pejy 😊

Hasintsoa Ratefy.

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when RATEFY.dev posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share