23/12/2025
🎄 Amin'izao ankatoky ny fety izao, dia fifaliana lehibe ho an'i RENALA ny mitondra ny anjara biriky entiny anohanana ny fampianarana sy ny fanabeazana ary ny fitaizana ireo zaza, ankizy ary tanora eto amin'ny "Akanin’ny Marenina'' na AKA.MA.
Noho izany, amin'ny alalan'ny mpikambana iray manontolo, na ny eto an-toerana na ny any ivelany dia faly izahay manolotra ho an'ny AKA.MA. :
─ sakafo sy kojakoja fampiasa andavanandro toy ny vary, menaka, siramamy, savony, sns ;
─ vatsim-pianarana, fiantohana sy fandraisana an-tanana iray manontolo ho an'ny ankizy mpianatra anakiroa (02) mandritra ny erin-taona.
Zava-dehibe loatra ho anay ny fanabeazana, ny fitaizana ary ny fampianarana ny zaza, ny ankizy ary ny tanora, fa indrindra ireo marefo sy ireo manana fahasembanana, izay matetika voailikilika eo anivon'ny fiarahamonina, kanefa dia manana zo feno sy ho avy mamiratra tahaka ny olon-drehetra ihany.
Mirary fety sambatra ho antsika rehetra 🎉
-------------------------------------------------------------------
🎄 En cette période de fêtes, c’est une immense joie pour RENALA d’apporter sa pierre à l’édifice en soutenant l’éducation et l’épanouissement des enfants et des jeunes du centre spécialisé ''Akanin’ny Marenina'' ou AKA.MA.
Grâce à la mobilisation de l’ensemble de nos membres, qu’ils soient ici à Madagascar ou à l’étranger, nous avons eu le privilège d’offrir à l’AKA.MA. :
─ denrées alimentaires et produits de première nécessité (riz, huile, sucre, savon, etc.) ;
─ parrainage et prise en charge complète pour deux (02) enfants durant toute une année scolaire.
Pour RENALA, l’éducation et l’accompagnement des enfants et des jeunes sont des priorités absolues, particulièrement pour les plus vulnérables et ceux en situation de handicap. Souvent marginalisés au sein de la société, ces enfants ont pourtant les mêmes droits que tous et méritent, eux aussi, un avenir radieux.
Ensemble, engageons-nous pour leur offrir les opportunités qu'ils méritent.
Joyeuses fêtes à tous 🎉 Que cette période festive vous apporte joie, santé et prospérité, et que l'esprit de solidarité continue de briller dans nos cœurs.