01/01/2026
✨ Tratry ny Taona Vaovao 2026 daholo ohh ! 🎉🎊
Enga anie ity taona vaovao ity hitondra fahombiazana, firaisankina, ary fiadanana ho an’ny Zanak’Ambatondraka Mianatra Antananarivo! 🏆📚💪
Ho feno herim-po sy fahendrena ny dia iarahana, ary hiroborobo hatrany ny fampandrosoana sy fifankatiavana ao anatin’ny fikambanana! 💖🤝
Maniry ho anareo rehetra:
🌟 Saina mazava
🌱 Tanjona mazava
💡 Fahaiza-misaina
👣 Dingana matotra
💼 Vokatra azo tsapain'tanana !
Aoka ny hasambarana, fahendrena, sy fanahy maha olona hitarika antsika amin’ny lalana mankany amin’ny fahombiazana lavitr’ezaka! 🚀🌈
ZAMIA – Mifanohana miara tafita ! 🙌🏽📘💫
Mirary taona vaovao feno fitahiana ho antsika rehetra! 🥂💐🎇