CREM - FCIL

CREM - FCIL Projet : Développement de l'entrepreneuriat et de l'innovation inclusive dans la localité d'Ambatolampy.

🚀🚀REHEFA NAHAZO MAIMAIMPOANA DIA HIZARA🚀🚀✅ Hanatanteraka fanentanana sy fizarana ho an'ireo tanora namany ireo tanoran'A...
05/02/2026

🚀🚀REHEFA NAHAZO MAIMAIMPOANA DIA HIZARA🚀🚀
✅ Hanatanteraka fanentanana sy fizarana ho an'ireo tanora namany ireo tanoran'Ambatolampy nahazo fiofanana tamin'ny tetikasa Fandraharana notanterahan'ny CREM-FCIL
🔴➡️ Manomboka ny herinandro io dia hiparitaka eny anivon'ny fokontany ao ambatolampy ireo tanora hitondra fenentanana ho an'ireo tanora mitovy aminy.
🔴➡️ Mahakasika ny fandraharana sy ny tontolony ary ireo dingana arahina amin'izany no lohahevitra ho velarina.
🔴➡️ Ho tetezina avokoa ireo fokontany 09 ao anatin'ny kaominina Ambonivohitra Ambatolampy.

Ny tetikasa dia tanterahin'ny CREM CREM Madagascar, hiaraha-miasa amin'ny Commune Urbaine d'Ambatolampy ary tohanan'ny FCIL 🍁 amin'ny famatsiam-bola.
📷 : sary fanehoana nandritra ny dingana fanofanana voalohany ( Pitch par groupe), CREM.





30/01/2026
🤝✨ FITSIDIHAN'NY SOLO-TENA FCIL CANADA✨ 🤝🏢 Notanterahina ny talata 27 volana janoary 2026 teo amin'ny Commune Urbaine Am...
30/01/2026

🤝✨ FITSIDIHAN'NY SOLO-TENA FCIL CANADA✨ 🤝

🏢 Notanterahina ny talata 27 volana janoary 2026 teo amin'ny Commune Urbaine Ambatolampy ny fitsidihana nataon'ireo solo-tena avy amin'ny mpamatsy vola ny teti-kasa "Développement de l'entrepreneuriat et de l'innovation inclusive dans la localité d'Ambatolampy" dia ny solo-tenan'ny Haute- Commissariat du Canada en Afrique du Sud, ny Sekretera faharoa misahana ny raharaha politika sy toekarena, Andriamatoa Dimitri THERIAULT sy ny mpandrindra ny " Fonds Canadien d'initiatives locales"eto Madagasikarato, Ramatoa Lova RAKOTOARISOA.
✅ Nahaliana azy ireo tokoa ny fahaizan'ny tanora mikaroka sy mamoroana amin'ny alalan'ny fampiasana ireo zava-misy ao an-toerana ihany mba ahafahana manome asa fa indrindra manosika ny toe-karen'ny kaominina sy ny distrika.
📍 Nitsidila ireo " Prototype " tetikasa izay nataon'ny tanora ihany koa ireo solo-tena ka tamin'izany no nanomezanany ny teny fampaherezana ho an'ny tanora amin'ny fandraharana.💪
🔴➡️ Ny fotoana dia notronon'ny solo-tena avy amin'ny distrika, ny Ben'ny tanàna Mika Dimbiniavo, ireo filohan'ny fokontany ary ireo mpikambana ao amin'ny filan-kevi-pitatanan'ny CREM.

Ny tetikasa dia tanterahin'ny CREM CREM Madagascar, hiaraha-miasa amin'ny Commune Urbaine d'Ambatolampy ary tohanan'ny FCIL 🍁 amin'ny famatsiam-bola.






Miarahaba antsika Ity misy fanararaotra ho anareo tanora.Mirary ny soa sy ny tsara indrindra.
30/01/2026

Miarahaba antsika
Ity misy fanararaotra ho anareo tanora.
Mirary ny soa sy ny tsara indrindra.

🇲🇬𝗙𝗮𝗻𝗼𝗸𝗮𝗳𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗣𝗿𝗼𝗴𝗿𝗮𝗺𝗮 𝗔𝗦𝗔𝗡𝗔𝗜 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗼𝗳𝗶𝘀𝗶𝗮𝗹𝘆 𝗮𝘁𝗮𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗠𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆

👉Hotanterahina ny Alakamisy 29 Janoary, ao amin’ny Kianja Barea, ny fanokafana ofisialy ny programa ASANAI. Ity programa ity dia novatsian’ny Fanjakana Malagasy vola amin'ny alalan'ny tohana avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena (Banque mondiale), ary tanterahin’ny Tetikasa Pôles Intégrés de Croissance (PIC) mandritra ny 15 volana miaraka amin'ireo minisitera voakasika.

𝗣𝗿𝗼𝗴𝗿𝗮𝗺𝗮 𝗔𝗦𝗔𝗡𝗔𝗜 :
Fanofanana sy fampidirana an'asa ireo tanora ao amin'ny sehatra BPO (Business Process Outsourcing) antsoina hoe "Call center"
✔Miisa efatra (4) ny andiany hanantaterahina ny programa ASANAI ary tanora miisa 1 300 no hofaninina ao anatin'ny 15 volana. Ireo andiany efatra dia ho tanterahina isaky ny 3 volana.

Isan’ny tanora raisina isaky ny andiany :

- Andiany voalohany : 280
- Andiany faharoa : 320
- Andiany fahatelo : 350
- Andiany fahefatra : 350

👉 Ny fandraisana tanora amin'ny andiany voalohany dia hotanterahina ny 29–30–31 Janoary ao amin’ny Kianja Barea, vavahady faha-3, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva.

𝗙𝗮𝗺𝗽𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗻𝘁𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻-𝗱𝗮𝗻𝗷𝗮 :
𝐌𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐞𝐟𝐚 𝐂𝐕 𝐦𝐢𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚 : Asaina ireo izay tsy mbola nandefa CV tamin'ny rohy, hanatona mivantana eny amin'ny kianja barea miaraka amin'ny CV ny tsirairay, fa ho anisan'ireo laharam-pahamehana amin’ny fisafidianana ny andiany faharoa, izay hotanterahina amin’ny volana Mey‼️

𝐌𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐤𝐚𝐧𝐝𝐢𝐝𝐚 𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 : ️ Ireo kandida any amin’ny faritra efa voafantina mialoha dia ho raisina "entretien en ligne" mandritra ny 29 hatramin'ny 31 Janoary ‼️

-----------------------------------------------------------------------------------------------------
🇫🇷𝗟𝗮𝗻𝗰𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗼𝗳𝗳𝗶𝗰𝗶𝗲𝗹 𝗱𝘂 𝗣𝗿𝗼𝗴𝗿𝗮𝗺𝗺𝗲 𝗔𝗦𝗔𝗡𝗔𝗜 𝗽𝗮𝗿 𝗹𝗲 𝗚𝗼𝘂𝘃𝗲𝗿𝗻𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗠𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆

👉Une cérémonie de lancement officiel du programme ASANAI aura lieu ce 𝗝𝗲𝘂𝗱𝗶 𝟮𝟵 𝗝𝗮𝗻𝘃𝗶𝗲𝗿 𝗮𝘂 𝗞𝗶𝗮𝗻𝗷𝗮 𝗕𝗮𝗿𝗲𝗮. Etant financé par le Gouvernement Malagasy à travers l'appui de la Banque Mondiale, le programme ASANAI sera mis en œuvre par le Projet Pôles Intégrés de Croissance pour une durée de 15 mois en collaboration avec les ministères concernés.

𝗣𝗿𝗼𝗴𝗿𝗮𝗺𝗺𝗲 𝗔𝗦𝗔𝗡𝗔𝗜 :
C'est un programme de formation et d'insertion professionnelle dans le secteur du BPO (Business Process Outsourcing) appelé "Call Center"
Quatre (4) cohortes ou phases se succèderont pour atteindre les 1300 Jeunes formés pour la période de 15 mois. Les cohortes auront lieu tous les 3 mois.

Nombre de jeunes admis par cohorte :
- Première cohorte : 280
- Deuxième cohorte : 320
- Troisième cohorte : 350
- Quatrième cohorte : 350

👉Recrutement des candidats présélectionnés du 29-30-31 Janvier au Kianja Barea, portail 3, de 9h - 17h. La liste des admis durant le premier recrutement constituera la première cohorte du programme.

Information Importante
‼️️A tous ceux qui n'ont pas postulé en ligne, venez au point de recrutement munis de votre CV. Vos données constitueront une base prioritaire pour la deuxième cohorte du programme qui aura lieu en Mai ‼️

‼️️Les candidats présélectionnés dans les régions feront un entretien en ligne durant les dates mentionnées ci-dessus ‼️️

Asanai

Vokatry ny fampiofanana natao tamin'ireo TANORA Ambatolampy dia tafatsanganan'izy ireo ny Fikambanana  izay mitondra ny ...
25/01/2026

Vokatry ny fampiofanana natao tamin'ireo TANORA Ambatolampy dia tafatsanganan'izy ireo ny Fikambanana izay mitondra ny anarana hoe " TANORA MIHARY 104.
Nanatanteraka hetsika izy ireo ho fampahafantarana sy fandraisana sahady andraikitra eo anivon'ny fiaraha-monina misy azy ireo ka toby 02 no nanatanterahana izany :
🟢 TOBY LOVASOA Mahafeno (ambonin'ny HOPITALY)
🟢 TOBY MAKEDONIA Andafiatsimo .






24/01/2026

✨✨✨ CHALLENGE !!!
🟡➡️ Indro santionany tamin'ireo horonan-tsary tamin'ny challenge nokarakarain'ny CREM.
Mahaliana ireo tetikasa izay naseho tamin'ny alalan'ny " Prototype".
⏳ ⏳ Ny 27 janoary 2026 no hifaninana farany ireo tanorantsika ka amin'izay no hifanenana farany ireo mpandresy 03 voalohany amin'ity tetikasa ity.






🚀MIROSO HATRANY NY TETIKASA🚀✅Tontosoa omaly, 17 janoary 2026, tao amin'ny efitrano fanaovana mariage commune urbaine Amb...
17/01/2026

🚀MIROSO HATRANY NY TETIKASA🚀

✅Tontosoa omaly, 17 janoary 2026, tao amin'ny efitrano fanaovana mariage commune urbaine Ambatolampy ny dingana fanohanana " Challenge" ireo vokatry ny fanatsarana ny tetikasan'ireo tanora,
🔜34 izy ireo no niatrika ny dingana ka ny 15 amin'ireo no hisedra ny dingana famaranana.
🧩🧩🧩 Maro karazany ireo tetikasa noforonon'ireo tanora toa ny : fiompiana akoho, fiompiana kisoa, fiompiana trondro, fambolena, fanodinana ny rononono ho lasa vokatra maro, zaitra sy ny lamaody, fanamboarana savony, fanaovana sakafo " Patisserie", fizahantany, teknolojia (multi-service), sns.
🟡➡️ Zava-dehibe ho an'ireo tanora ny fifanakalozana sy fandraisana ireo tolo-kevitra avy amin'ireo mpandraharaha matianinana sy ireo mana-pahaizana mpampiofana ka nafahan'izy ireo nanatsara araka izay azo atao ny tetikasa izay novolavolainy sy notohanany.
⏳ ⏳Ny faha 27 ny volana janoary 2026 izao no hiatrika dingana fifanintsanana farany ireo tanora ka hijerena ireo tetikasa 03 mendrika indrindra.
Ny tetikasa dia tanterahin'ny CREM CREM Madagascar, hiaraha-miasa amin'ny Commune Urbaine d'Ambatolampy ary tohanan'ny FCIL 🍁 amin'ny famatsiam-bola.





🏆🏆FIFANINANA HO AN'IREO TETIKASA TSARA SY MENDRIKA🏆🏆➡️ Taorian'ireo dingana maro fanatsarana sy fananganana " maquette "...
11/01/2026

🏆🏆FIFANINANA HO AN'IREO TETIKASA TSARA SY MENDRIKA🏆🏆

➡️ Taorian'ireo dingana maro fanatsarana sy fananganana " maquette " de projet dia handalo dingana fifanintsanana indray ireo tetikasa novolavolain'ireo mpiofana.
🟡➡️ Ny Zoma 16 janoary izao dia hisedra ireo mpitsara ny tetikasa tsirairay (projet individuel) ho an'ireo tetikasa 34 nanao fanatsarana tamin'ny alalan'ireo dingana maro.
🔴➡️ Ny 15 amin'izy ireo no hiatrika ny dingana manaraka ho amin'ny famaranana.
🟣➡️ Hisy ny loka ho zaraina ho an'ireo mpifaninana farany ka ny fanohanana ara-teknika sy ara-pitaovana no tena atao laharam-pahamehana fa ahafahan'ireo tanora miroso avy hatrany amin'ny fampandehanana ny tetikasany.

Ny tetikasa dia tanterahin'ny CREM CREM Madagascar, hiaraha-miasa amin'ny Commune Urbaine d'Ambatolampy ary tohanan'ny FCIL 🍁 amin'ny famatsiam-bola.
📷 : sary fanehoana nandritra ny dingana fanofanana voalohany ( Pitch par groupe), CREM.






L’équipe du CREM – FCIL vous adresse ses meilleurs vœux pour la nouvelle année.✨✨✨ Puisse-t-elle être porteuse d’opportu...
07/01/2026

L’équipe du CREM – FCIL vous adresse ses meilleurs vœux pour la nouvelle année.
✨✨✨ Puisse-t-elle être porteuse d’opportunités, de progrès , de succès partagés, tant sur le plan professionnel que personnel.

📢📢 TOHIN'NY FAMPIOFANANA  MPANDRAHARAHA📢📢✅Taorian'ny fitsidihana sy fanatsarana ireo tetikasa natolony dia niroso tamin'...
12/12/2025

📢📢 TOHIN'NY FAMPIOFANANA MPANDRAHARAHA📢📢
✅Taorian'ny fitsidihana sy fanatsarana ireo tetikasa natolony dia niroso tamin'ny andiany fiofanana mahakasika ny fananganana Business Plan indray ireo mpiadina 34 nahavita dingana ny 10 sy 11 desambra 2025.
✅Tanjona tao anatin'izany ny ahafahan'ireo mpiadina mijery sy manangana ny Tombombarotra ara-bola, ara-barotra sy ara-tsosialy entin'izy ireo mandresy lahatra ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon'nantoka
✅ izany dia tafiditra anaty dingan'ny co-creation sy prototypage ny tetikasa.
✅Ho atao fampirantiana ao amin'ny Birao ato Ambatolampy ny maquette rehetra ka azo tsidihin'ny rehetra.
✅ Challenge et innovation frugale ny dingana manaraka amin'ny amin'ny tetikasa ka ny volana janoary no hanohizana izany.
✅34 handalo fifaninana ka hotsarain'ny mpitsara ary mahazo coaching individuel ny 15 voalohany alohan'ny handalovany Pitch eo anoloan'ny mpiadina sy ny mpijery. Ito no dingana faran'ny tetikasa.

🚀Ny tetikasa dia tanterahin'ny CREM Madagascar ary vatsian'ny FCIL vola.




05/12/2025

📢✨ INCUBATION ET PROTOTYPAGE ✨📢
✅ Mitohy hatrany ireo dingana amin'ny fanatanterahana ny tetikasa fandraharahana ho an'ny tanora Ambatolampy,
✅ Rehefa avy nanatsara ireo tolotra izay nomeny (projet) tamin'ny alalan'ny fitsidihanana, fakana traikefa sy toro-hevitra akaiky niaraka tamin'ireo mpisehatra matihaniana ireo mpifaninana, dia handalo fiofanana indray.
✅ Hisy ny fiofanana mahakasika ny fanatsarana ny prototype sy fandrafetana " Business Plan" mifanaraka amin'izany, izay hatao ny 10 et 11 desambra 2025.
✅ Aorian'izany dia hisy ny fifantenana ireo tetikasa izay tena tsara indrindra hifaninana amin'ny fahazoana tohana manokana avy amin'ny tetikasa.





Send a message to learn more

📢✨ FITSIDIHANA IREO TOERAM-PIASAN'IREO MPANDRAHARANA ✨📢✅ Efa miditra amin’ny dingana manaraka, dia ny fanombohana ny “In...
22/11/2025

📢✨ FITSIDIHANA IREO TOERAM-PIASAN'IREO MPANDRAHARANA ✨📢
✅ Efa miditra amin’ny dingana manaraka, dia ny fanombohana ny “Incubation” ny tetikasa amin'izao.
✅ Nisy ny fitsidihana ireo toeram-piasan'ireo efa mpandraharaha izay naton’ireo tanora nahavita ny fiofanana tao amin’ny tetikasa fampiofanana fandraharahana Ambatolampy.
✅ Ireto avy ireo sehatra notsidihan'izy ireo izay nanokatra ny sainy ary nanovozany traikefa niaraka tamin’ireo mpandraharaha efa za-draharaha : fiompiana akoho, fiompiana trondro, fiompiana kisoa, famokarana savony, fanjairana sy famokarana lamaody.
✅ Hitohy amin’ny sehatra hafa ihany koa ireo fitsidihana ireo.
✅ Eto ambany misy fizarana avy amin’izy ireo.




Address

Faculté DEGS Ankatso, Ankatso
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when CREM - FCIL posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share