23/02/2026
Faritra Vatovavy sy Atsimo Atsinanana : Ny Fandaharan'asa PROGRES manohana ny fampiatiana ara-toekarena ireo vehivavy miaina ao anaty fahasembanana
Ao anatin'ny sahan'asa iandraiketan'ny Fandaharan'asa PROGRES, ny fampiroboroboana sy fampiantiana ara-toekarena ho amin'ny fanjarian-tsakafo, vehivavy miisa 41 avy amin'ny fikambanana AFHAM (Association des Femmes Handicapées de Madagascar) mijoro eto amin'ny faritra Fitovinany sy Atsimo Atsinanana, distrikan'ny Farafangana (16 sy 17 Febroary 2026) sy Manakara (19 sy 20 Febroary 2026), no nisitraka fiofanana manokana momba ny fitehirizana sy ny fanodim-bokatra.
Izao no tanteraka dia ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miobona antoka eo amin'ny samy mpisehatra:
✅ Ny Fandaharanasa PROGRES : Antom-pisian'ny tetikasa, fanohanana ara-bola sy ara-teknika, izay eo ambany fiahian'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE), vatsian'ny FIDA vola.
✅ Ny SSAN (Service Sécurité Alimentaire et Nutritionnelle) : Nanome ny traikefany tamin'ny fanatontosana sy ny fitarihana ny fiofanana teo anivon'ny Ministera.
✅ Ny AFHAM : Fikambanana mpiara-miombon'antoka ivondronan’ireo vehivavy manana fahasembanana, izay mpisitraka mivantana ny tetikasa.
Tanjona sy vokatra andrasana
🎯 Ny famatsiam-bola avy amin'ny PROGRES dia mikendry manokana :
1. Ny Fanajariana ny sakafo : Fanomezana lanja ny vokatra manankarena otrik’aina
2. Ny Fahaiza-manao : Fampihenana ny fatiantoka mandritra ny fotoam-pahavokarana amin'ny alalan'ny teknika fitehirizana ny vokatra
3. Ny Fahaleovan-tena ara-bola : Fanatsarana ny fidiram-bolan'ireo vehivavy ao anatin'ny AFHAM.
🎯 Fitaovana ho an’ny fampiharana avy hatrany
Ho fanamafisana ny fiofanana, ny Fandaharanasa PROGRES dia nanome fitaovana feno ho an'ireo mpandray anjara. Izany dia ahafahan'izy ireo manomboka avy hatrany ny asa fanodinana sy ny famokarana eo amin'ny sehatra misy azy ireo.
Ireo vehivavy 41 sy ny fikambanana AFHAM foibe dia naneho fahavitrihana lehibe, izay manaporofo fa ny fahasembanana dia tsy sakana amin'ny fandraisana anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena.
"𝗠𝗽𝗮𝗺𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗼𝗺𝗯𝘆, 𝗮𝗻𝘁𝗼𝗸𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝘆 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝘀𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼"
Région Fitovinany et Atsimo Atsinanana : Le Programme PROGRES soutient l’autonomisation économique des femmes en situation de handicap.
Dans le cadre de ses activités, le Programme PROGRES soutient la promotion et l’autonomisation économique des femmes en situation de handicap en faveur de la sécurité alimentaire. Ainsi, 41 femmes membres de l’association AFHAM, issues des régions Fitovinany et Atsimo Atsinanana, districts de Farafangana (16 et 17 février 2026) et de Manakara (19 et 20 février 2026), ont bénéficié d’une formation spécifique sur les techniques de conservation et de transformation des produits agricoles.
Cette initiative est le fruit d’une collaboration et d’un engagement conjoint entre plusieurs acteurs :
✅Le Programme PROGRES : Il assure l’appui financier et technique du projet. Le programme est placé sous la tutelle du Ministère de l’Agriculture et de l’Élevage (MINAE) et financé par le FIDA.
✅Le SSAN (Service Sécurité Alimentaire et Nutritionnelle) : Il a apporté son expertise dans l’organisation et l’animation des sessions de formation au sein du Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage.
✅L’AFHAM : Association partenaire regroupant des femmes en situation de handicap, bénéficiaires directes du projet.
🎯 Objectifs et impacts attendus
Le financement accordé par PROGRES vise principalement :
1. L’amélioration de la nutrition : Valorisation des produits à haute valeur nutritive pour une meilleure alimentation des ménages.
2. Le renforcement des compétences : Réduction des pertes post-récolte grâce à des techniques modernes de conservation.
3. L’autonomie financière : Amélioration des revenus des femmes membres de l’AFHAM.
🎯 Des équipements pour une mise en œuvre immédiate
Afin de consolider les acquis de la formation, le Programme PROGRES a fourni des équipements complets aux participantes. Cela leur permet de démarrer immédiatement les activités de transformation et de production dans leurs localités respectives.
Les 41 femmes ainsi que l’AFHAM centrale ont démontré un grand engagement, prouvant que le handicap ne constitue pas un obstacle à la participation au développement du pays.
« Des producteurs performants, garants de la souveraineté alimentaire nationale »