Mi’AHY

Mi’AHY Projet de renforcement du système de protection de l’enfant mis en oeuvre par l’ONG HDA🤲🏼

https://ngl.link/miahy46414

Tadidio fa herisetra atao amin’ny ankizy ny tsy firaharahiana ‼️ Ry Ray aman-dreny oh! Mba araho maso re ny zanantsika t...
12/02/2026

Tadidio fa herisetra atao amin’ny ankizy ny tsy firaharahiana ‼️
Ry Ray aman-dreny oh! Mba araho maso re ny zanantsika tsy ho azon-doza fa tsy mbola fantany izay tena tokony ho ataony🆘

🚨 ZAZALAHIKELY 2 TAONA NAMOY NY AINY VOKATRY NY FILALAOVANA ZAVA-MARANITRA 🚨



09 Febroary 2026

📌 Zazalahikely 2 taona no namoy ny ainy vokatry ny loza tsy nahy.

🗡️ Nilalao antsy farango (antsim-bilona) izy sy ny namany iray 4 taona izay zanak'olona mpihavana ihany.

🚨 Nifampisintoman'izy roalahy ilay antsy ka vototra tampoka teo an-tanan'ilay zokiny. Nahazo ny takiba havanan'ilay zandriny, nandrovitra ny hoditra ary nahazo ny tao anatiny.

🚑 Nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana saingy tsy tana ny ain'ilay zaza.

👮‍♂️ Nidina ifotony ny zandarimaria mba hizaha akaiky izany ka araka ny lalàna dia tsy maintsy nanaovana tatitra ny teo anivon'ny fitsarana izay nanome toromarika mba hanaovana ny famotorana ka handefasana ny fitanana an-tsoratra eny amin'ny fampanoavana mba ho tatitra.

📌 Ilay zaza nanao hadisoana kosa dia nankinina amin'ny ray amandreniny mba hahazo fananarana sy fampianarana

⚠️ Ry ray aman-dreny : Araho maso ny zanatsika 😭

⛔ TSY AZO OMENA ZAVAMARANITRA NA HO LALAOVINA NA HO AMPIASAINA

🙏 Mirary fiononana feno ho an'ny fianakavian'ny namoy ny ainy.
👮‍♂️👮‍♂️👮‍♂️👮‍♂️👮‍♂️👮‍♂️👮‍♂️👮‍♂️👮‍♂️👮‍♂️👮‍♂️👮‍♂️

‼️‼️‼️Anaty loza voajanahary tahaka izao dia miaina horohorontsaina ireo ankizy fa indrindra ireo anaty toerana misy ny ...
31/01/2026

‼️‼️‼️Anaty loza voajanahary tahaka izao dia miaina horohorontsaina ireo ankizy fa indrindra ireo anaty toerana misy ny traboina. Tsy afaka miaro tena izy ireny, fa isika Ray aman-dReny, isika manodidina isika Zoky no hany antenain'izy ireny mba hiaro azy. Arovy karazana herisetra ny ankizy mba hiainany milamina tsy misy tebitebin-tsaina.

22/01/2026

Heverintsika fa taratasy kely monja, tsy dia misy dikany, tsy manova na inona na inona na tsy manana azy aza. Kanefa izy iny dia taratasy keky afaka hanova ny ho avinao iray manontolo, tsy inona izany fa ny Kopia nahaterahana.
Araho ary ny horonantsary fa mahasoa anao😊

🎉🎉🎉🎉Bonne année 2026🎉🎉🎉🎉
05/01/2026

🎉🎉🎉🎉Bonne année 2026🎉🎉🎉🎉

Hoe ty ajaja🫱🏽‍🫲🏼
05/12/2025

Hoe ty ajaja🫱🏽‍🫲🏼

Ndao hifanome tanana isika 🫱🏽‍🫲🏼
05/12/2025

Ndao hifanome tanana isika 🫱🏽‍🫲🏼

Nifarana anio 10 desambra 2025 tamin’ny 14h:27 ny fara-fandraisana antotan-taratasy mahakasika ireo mpirotsaka an-tsitrapo eto anivon’ny fikambanana HDA. Manaràha tsy tapaka ny pejy ahafahanao manaraka ihany koa ireo vaovao anatin’ny fikambanana. Misaotra tompoko.

Lucien Tanora mavitrika tokoa ny tovolahy kanefa dia mitondra ny feon'ny tanora ny distrikan'Ambovombe. I Lucien no amba...
28/11/2025

Lucien Tanora mavitrika tokoa ny tovolahy kanefa dia mitondra ny feon'ny tanora ny distrikan'Ambovombe. I Lucien no ambasadaoron'ny ONG Human Development Action eny anivon'ny distrikan'Ambovombe. Mametraka, manoratra tantara ho amin'ny fisorohana ireo herisetra mianjady eny anivon'ny distrika misy azy i Lucien ary na dia tanora aza izy dia mametraka hatrany ny fiarovana ny ankizy ho adidy goavana anaty fiarahamonina. Betsaka ny adidy miandry an'i Lucien saingy vonona hatrany izy handany izany fahatanorany izany hoan'ny fampandrosoana ny distrika misy azy.

Ny fanabeazana dia fototra  hoan’ny ankizy. Isan’ny vinan’ny fampandrosoana lovainjafy fahaefatra ny fanatsarana ny kali...
25/11/2025

Ny fanabeazana dia fototra hoan’ny ankizy. Isan’ny vinan’ny fampandrosoana lovainjafy fahaefatra ny fanatsarana ny kalitao ary ny fisitrahan’ny ankizy ny zony amin’ny fanabeazana. Io tokoa no lalana voalohany hikolokoloana ny fahaiza-miaina ny ankizy anaty fiarahamonina ary fototra voalohany ho amin’ny fampandrosoana. ‘Ndeha ary hiezaka isika hitondra anjara biriky sy hanome ny Zo feno hoan’ny zanatsika satria dia voasokajy ho isan’ny herisetra tsy firaharahiana ny tsy fisitrahan’izy ireo fampianarana ara-kalitao.




——-L'éducation est la base pour les enfants. L'amélioration de la qualité de l'éducation et l'accès des enfants à leurs droits en matière d'éducation font partie des objectifs du développement durable (ODD 4). C’est en effet la première étape pour cultiver les compétences de vie des enfants au sein de la société et un fondement essentiel pour le développement. Soyons donc déterminés à apporter notre contribution et à garantir à nos enfants le plein exercice de leurs droits, car l'absence d'une éducation de qualité pour eux est considérée comme une forme de violence par négligence (Couleur Bleu).


Aujourd’hui, nous célébrons les droits de l’enfant.Derrière chaque sourire, chaque regard d’espoir, il y a un enfant qui...
20/11/2025

Aujourd’hui, nous célébrons les droits de l’enfant.
Derrière chaque sourire, chaque regard d’espoir, il y a un enfant qui mérite d’être protégé, écouté et accompagné.
Un enfant ne devrait jamais avoir peur.
Un enfant ne devrait jamais être privé de ses rêves.
Un enfant devrait toujours avoir une main tendue pour l’aider à avancer.
En cette journée du 20 novembre, nous rappelons que chaque geste compte. Protéger un enfant, c’est protéger l’avenir.
Continuons à nous battre pour que chaque enfant puisse grandir dans un monde où la dignité, la sécurité et l’amour sont des évidences.
Parce qu’un enfant protégé est un avenir illuminé.

Mi’ahy Amboasary Atsimo 🫱🏽‍🫲🏼
20/11/2025

Mi’ahy Amboasary Atsimo 🫱🏽‍🫲🏼

Izy no masoivohon’ny ONG HDA any amin’ny Distrikan’Ampanihy. Mbola tanora sady mavitrika, fa indrindra indrindra mazoto ...
19/11/2025

Izy no masoivohon’ny ONG HDA any amin’ny Distrikan’Ampanihy.
Mbola tanora sady mavitrika, fa indrindra indrindra mazoto miasa ho an’ny fiarovana ny ankizy ary ny fiadiana ho an’ny zon’izy ireo.
Misaotra Jerome ny amin’ny firotsahana an-tsitra-po ho An’ny ankizy🤲🏽🫱🏽‍🫲🏼

Jerome Point focal de l'ONG HDA Ampanihy: " ty tanora no ro hoavy ty firenena... Amin'ny mahatanora ahike le adidiko ty magnampe amin'ny fisorohagne naho manentanagne ty fiarahamonigne amin'ny fiarovagne ty ajaja amin'ny karazagne ty herisetra satria ho tanora koa iareo ary hoavy ty firenena liaizay."

🇲🇬Ny fanomezana loko ireo herisetra dimy dia manamora ny fitadidiana sy ny fitsirihana azy eny anivon'ny fiarahamonina. ...
13/11/2025

🇲🇬Ny fanomezana loko ireo herisetra dimy dia manamora ny fitadidiana sy ny fitsirihana azy eny anivon'ny fiarahamonina. Nohantitranterina teto nandritran'ny dimy andro ireo loko dimy toy ny :
ny loko mainty: Herisetra famonoana ny zaza ho faty
ny loko mena: Herisetra Fanolanana
ny loko volomparasy: Herisetra ara-batana
ny loko volondavenona/volombatolalaka: Herisetra ara-tsaina
ny loko mavo: Herisetra tsy firaharahiana
Raha mahita iray amin'ireo tranga herisetra ireo eny anivon'ny fiarahamonina isika dia manantona avy hatrany ny tompon'andraikitra eny anivon'ny fokontany na ny biraon'ny Mponina sy ny firaisankina akaiky anao.



🇫🇷 L’attribution de couleurs distinctes à ces cinq formes de violence permet de faciliter leur mémorisation et leur reconnaissance au sein de la communauté.
Durant ces cinq jours, les cinq couleurs suivantes ont été mises en avant :
Noir : Violence par homicide des enfants
Rouge : Violence sexuelle
Violet: Violence physique
Gris: Violence psychologique
Jaunw: Violence par négligence
👉 Si vous êtes témoin de l’une de ces formes de violence dans votre communauté, informez immédiatement les autorités locales, le chef de quartier ou le bureau de la population et des solidarités le plus proche.



Address

Logt 1432 Cité 67ha Nord Ouest
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mi’AHY posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share