01/03/2025
VAOVAO ARA-SOSIALY TETO IKONGO,
tamin'ny Alarobia 26/02/25 sy Alakamisy 27/02/25.
Nanatanteraka hetsika ARA-SOSIALY
lehibe teto antampo-tananan'Ikongo Ny
manamboninahitra Général Jean Brunelle
Razafintsiandraofa mivady nanome
sakafo mafana ireo vahoaka
mpiara-belona sy mpiray tanindrazana
hiadiana aminy mosary izay misy zany hoe
Opération Contre Avril na "Asa
Kontravrily". Ary hiezahana ho tohizana manerana ny Kaominina sy ny Fokontany maro ato Ikongo ihany koa izany no natao mba
hifampizarana ny fifankatiavana satria
izay manolotra ankafaliana no
sitrak 'Andriamanitra.
Tolorana fisaorana mitafotafo ianareo
mivady aminy fanampiana sy fitsinjovana
ny mpiray tanindrazana amizao
ankatokiny fahasahiranan 'ny mianjady
aminy vahoaka izao.
LOHARANOM-BAOVAO SY SARY
Andry Tafaray serasera eto Ikongo
Miaraka isika manangana hoavy tsaratsara kokoa