09/08/2026
Voninahitra ho an' Andriamanitra irery ihany nohon'ny fahavitan'ny fizaran-dokan'ny Sekoly Alahady teto Fiangonana Jesosy Mamonjy Imamba Soavimasoandro ofisialy anio Alahady 09 aogositra 2026.
🥰Faly ny rehetra fa ny Tenin'Andriamanitra voazara ho an' ny rehetra, ny ankizy sy ny Ray amandReny feno haravoana.
✅Hitohy hatrany ny fitoriana ny Tenin'Andriamanitra miantomboka madinika ireo. Afaka mandefa ny zanakao ianao @ fidirana taom-tSekoly Alahady 2026-2027, hiditra Tsy ho ela. Tia ny ankizy anie Jesosy e🥰
🌱Enga anie hitsimoka ny voa nafafy dia ny Tenin'Andriamanitra📖
🏆Tsarovy fa Mbola hisy fizarana valisoa koa any an-danitra. Efa voasoratra any an-danitra ve ny anaranao, hahazo valisoa ve ianao 🎁
II Timoty 4/8 : "Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen'ny Tompo Mpitsara Marina ho ahy @ zay andro izay ; ary tsy ho ahy ihany fa ho an' izay rehetra tia ny fisehoany ihany koa."
©️Ampahan-tsary anio