Tanora Mamiratra Ka Manavao

Tanora Mamiratra Ka Manavao Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tanora Mamiratra Ka Manavao, Youth Organization, Antananarivo.

"Tanora Mamiratra Ka Manavao" engage la jeunesse Malagasy, du plan local à l'international, au service de la paix, du développement durable et de la Refondation de la République de Madagascar.

14/08/2026
👉🏻Mandray anjara mavitrika amin'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Tanora 2026 ny Tanora Mamiratra Ka Manavao eto Fianara...
12/08/2026

👉🏻Mandray anjara mavitrika amin'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Tanora 2026 ny Tanora Mamiratra Ka Manavao eto Fianarantsoa. Mankasitraka ny Ministère de la Jeunesse et des Sports sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy mikarakara izao hetsika mampivoatra ny tanora izao 🇲🇬✨

👉🏻Tontolo samy hafa, hetaheta iombonana.✨




✨Andro Iraisampirenena ho an'ny Tanora 2026 ✨👉🏻 Tontolo samihafa, hetaheta iombonana. ✨
12/08/2026

✨Andro Iraisampirenena ho an'ny Tanora 2026 ✨

👉🏻 Tontolo samihafa, hetaheta iombonana. ✨

✨Soa fanararaotra ho an'ny tanora: Firotsahana an-tsitrapo ampitain-davitra✨📣Miverina indray ny firotsahana an-tsitrapo ...
12/08/2026

✨Soa fanararaotra ho an'ny tanora: Firotsahana an-tsitrapo ampitain-davitra✨

📣Miverina indray ny firotsahana an-tsitrapo ampitain-davitra izay fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena amin’ny alalan’ny Fitaleavan’ny Tanora sy ny Famirapiratana Iraisam-pirenena miaraka amin’ny Programme VNU Océan Indien: Madagascar, Comores, Maurice et Seychelles, UNFPA Madagascar ary Orange Madagascar, ary 1000 be izao no tanora ho raisina.💥

✅ Tanora Malagasy ianao? Na lahy na vavy?
✅ Afaka manao firotsahana an-tsitrapo ampitain-davitra
✅ Maneho sy manandratra ny talenta sy fahaiza-manao anao hampandrosoana sy ho fanavaozana an'i Madagasikara🇲🇬

🔗Indro no rohy hanokafana ny kaonty ho anao izay mbola tsy manana izany ao amin'ny UVP https://app.unv.org
👉Ireto kosa ireo vondrona hidirana rehefa voasokatra ny kaonty:
Vondrona 1: https://app.unv.org/opportunities/1784888021271531
Vondrona 2: https://app.unv.org/opportunities/1784888021271532
Marihana fa vondrona iray amin'ireo ihany no idirantsika.

📜Mahazo certificat d’appreciation avy amin’ny UN Volunteers izay tanora mahavita tsara ny firotsahana an-tsitrapo mandritra ny 10 herinandro.

▶️ Koa andao ary hanatombo traikefa sady hitondra ny anjara biriky amin’ny fanavaozana ny Politikam-pirenena momban’ny Tanora💥

📢Lazao ny namanao hampita amin'ilay tanora namany koa ✨

✨Andro iraisam-pirenena ho an'ny tanora 2026✨📢Hankalazaintsika amin’ny lohahevitra hoe " Tontolo samihafa, hetaheta iomb...
10/08/2026

✨Andro iraisam-pirenena ho an'ny tanora 2026✨

📢Hankalazaintsika amin’ny lohahevitra hoe " Tontolo samihafa, hetaheta iombonana" ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tanora amin’ity taona ity.

Izany dia ho tanterahina:
📍any Fianarantsoa 📅ny 12 - 13 Aogositra 2026

✨Ireto avy no ho hita mandritran’ny fankalazana:
✅Fanentanana
✅Diabe
✅Atrikasa
✅Fifaninanana ara-panatanjahantena
✅Tsenaben’ny Tanora andiany faha-3
✅Youth Corner andiany faha-3

👉 Andao asehotsika fa tanora mahefa ny tanora malagasy 🇲🇬 izay ankehitriny sy hoavin’ny firenena🎊


✨Andro iraisam-pirenena ho an'ny tanora 2026 : tontolo samihafa, hetaheta iombonana✨✅ Ao anatin'ny fankalazana ny andro ...
10/08/2026

✨Andro iraisam-pirenena ho an'ny tanora 2026 : tontolo samihafa, hetaheta iombonana✨

✅ Ao anatin'ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tanora dia hisy ny "fotoanan'ny mpandraharaha", ka ho hita amin'izany:
- Fizarana momban'ny " Structure d'Accompagnement à l'Entreprise" SAE
- Dinidinika momban'ny famatsiam-bola ho an'ny mpandraharaha
- Fanazavana momban'ny OZE APP sy ny tolotra KRED
- Fampiratiana sy fifanakalozana

Izany dia tontosain'ny : EBH, AKAO Hub Entrepreneurial sy ONG Ndao Hifanosika

📅 12 Août 2026
🕑14h - 16h30
📍AKAO HUB Entrepreneurial Ampasambazaha

👉 Tanora ianao, tongava manatrika izany, taomy ny namana sy ny tanora ho avy amin'izany fa soa fanararaotra tokoa io.

🎉 Ho tanora mitondra fanavaozana ho an'ny ho avy mamiratra tokoa anie isika🎊🇲🇬






-----------

💡 **Entrepreneurs et porteurs de projets, parlons financement !**

🎤 **Panel : « Financement des PME et des Start-up : enjeux et obstacles »**

Un échange pour mieux comprendre les défis d’accès au financement, découvrir les opportunités existantes et faire émerger des solutions concrètes pour les jeunes entrepreneurs.

👥 Avec des entrepreneurs, acteurs de l’accompagnement, de l’université et du financement.

📅 **12 août 2026 , 14h-15h*
📍 **AKAO Hub – Fianarantsoa**

Venez partager vos expériences, poser vos questions et découvrir de nouvelles opportunités ! 🚀

🗣️ Mbola manana fotoana ianao hanehoanao ny hevitrao!Mandraisa anjara amin'ireo fanadihadiana U-Report entina hanavaozan...
07/08/2026

🗣️ Mbola manana fotoana ianao hanehoanao ny hevitrao!
Mandraisa anjara amin'ireo fanadihadiana U-Report entina hanavaozana ny politika nasionaly ho an'ny tanora.

⏳Hifarana ny 15 Aogositra ny famaliana fakan-kevitra

✅ Raha te haneho hevitra amin'ireo lohahevitra ireo ianao, dia alefaso SMS tsirairay amin'ny 301 ny teny mifanaraka amin'ilay lohahevitra.

💙 Manan-danja ny feonao!
U-Report Madagascar
Ministère de la Jeunesse et des Sports

07/08/2026

Tianao ve ny tontolo iainana madio sy maitso kokoa?
Lazao anay ny hevitrao amin'ny alalan'ny sondage U-Report!
📱 Alefaso ny teny hoe DEV amin'ny 301
📱 Maimaimpoana amin'ny tambazotra rehetra (Yas, Orange, Airtel).

07/08/2026

🎓 Ny fanabeazana no fanalahidin'ny hoavy.
✔️ Inona no tokony hatsaraina?
📲 Alefaso amin'ny 301 ny teny hoe SEKOLY ary omeo ny hevitrao.
📱 Maimaimpoana amin'ny tambazotra rehetra (Yas, Orange, Airtel).

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tanora Mamiratra Ka Manavao posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share