Fileovana Amparibe XèA

Fileovana Amparibe XèA FANASINA SY FAHAZAVANA

19/04/2026
✨✨FANEKENA MPIANDRAIKITRA & FANOLORANA TONIA✨✨"𝑨𝒕𝒂𝒐𝒗𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂" 𝑴𝒂𝒕𝒊𝒐 28/19𝒃-----------------------...
10/04/2026

✨✨FANEKENA MPIANDRAIKITRA & FANOLORANA TONIA✨✨
"𝑨𝒕𝒂𝒐𝒗𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂" 𝑴𝒂𝒕𝒊𝒐 28/19𝒃
--------------------------------------------------------------------------
Am-pifaliana no hanasana antsika rehetra hifanotrona amin'ireo zandry sy zanatsika hanatanteraka "Fanekena Mpiandraikitra & Fanolorana Tonia".

📅𝐀𝐥𝐚𝐡𝐚𝐝𝐲 19 Aprily 2026
⏰09 ora maraina
💒FJKM Amparibe Famonjena
--------------------------------------------------------------------------
Andeha isika hahatsiaro sy hitondra am-bavaka azy ireo amin'izao antso sy fikasana tsara izao 😇.
Mirary soa ho azy ireo ihany koa ho tonga soa ny fotoana.

‎📣𝗟𝗔𝗦𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗜𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 📣‎‎Ry Fianakaviamben'ny Fivondronana Herin'ny Famonjena 10eA, andao isika hiara hientana h...
23/03/2026

‎📣𝗟𝗔𝗦𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗜𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 📣

‎Ry Fianakaviamben'ny Fivondronana Herin'ny Famonjena 10eA, andao isika hiara hientana hanatanteraka ny 𝗟𝗔𝗦𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 , hiarahatsika atao ny :
‎📅 01-02-03 Mai 2026 izao
‎📍FJKM Antoby Avaratra - Antanetibe Mahazaza, izay fiangonana miara-mandroso amitsika.

‎𝗙𝗶𝘀𝗼𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 🖊️📃📁
‎📃Ny taratasy fahampahafantarana ho an'ny Beazina dia efa nozaraina ny Sabotsy 21 Mars 2026 lasa teo.
‎Afaka jeretsika ao amin'ny commentaire ihany koa izany taratasy 👇🏻ahitantsika ny : 𝘻𝘢𝘷𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰𝘦𝘯𝘵𝘪𝘯'𝘯𝘺 𝘙𝘢𝘺 𝘢𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘦𝘯𝘺 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘉𝘦𝘢𝘻𝘪𝘯𝘢.

‎Tian'ise hoe fantatra ve hoe aiza tsara Ilay FJKM Antoby Avaratra ? inona no homanintsika mialoha ? 🤔 ..... araho eto hatrany ary fa entinay ise hiaina sahady ao anatin'ny Lasy ise.

le monde

🎊🎁🎄VEILLÉE DE NOËL 2025🎄🎁🎊--------------------------------------------------------------------------"Fa Mpamonjy no tera...
05/12/2025

🎊🎁🎄VEILLÉE DE NOËL 2025🎄🎁🎊

--------------------------------------------------------------------------

"Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo" Lioka 2:11

--------------------------------------------------------------------------

🥳Ho fiarahana mankalaza ny fahatsiarovana ny nahatongavan'i Jesoa Kristy ho nofo dia faly manasa an'ise Ray aman-dReny, Sakaiza sy Mpanohana, Komity, Tranainy, Tonia sy MPiandraikitra, Beazina, ny Fianakaviamben'ny Fahafolo A rehetra amin'ny Veillée de Noël🥰.

📅Daty: 19 - 20 Desambra 2025

📍Toerana: Green Park Antsampandrano Ilafy

⏰Fiaingana: amin'ny 6ora latsaka fahefany eo amin'ny Saint Michel Amparibe

💵Fandraisana anjara: 12 000Ariary

⚠️Fara-fisoratana anarana sy fandraisana ny sarany: Alahady 14 Desambra 2025 any amin'ireo Mpandrindra Kanto Niaina sy Tsilavina Robel

------------------------------------------------------

🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄

"Sous les projections de Noël...La vraie étoile c'est JÉSUS"

🤩Hitondra seho miavaka sy mahafinaritra be ho antsika ireo zandry sy zanantsika koa manantena ny fahatongavan'ise ary eeeh🤩😍

« Ataovy mpianatra ny firenena rehetra » Matio 28:19b👦🏻Zazalahy handray 6 taona na mihoatra ise ?👦🏻Manan-janaka lahy na ...
29/10/2025

« Ataovy mpianatra ny firenena rehetra » Matio 28:19b

👦🏻Zazalahy handray 6 taona na mihoatra ise ?
👦🏻Manan-janaka lahy na namana 6 taona na mihoatra ise?

⚜️‘NDAO HANAO TILY hiaraka aminay ato Amparibe eh! ⚜️

⛺️ Lalao, fianarana fiainana manampy @ fitomboana ara-panahy, ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-pihetseham-po ary ara-moraly no hita ao, ahazoana « experiences » marobe fa indrindra koa namana be dia be 🥰

Rahoviana ary?

🗓 Daty: Sabotsy 01 Novambra 2025
🕘 Ora: 1 Ora sy 15 min atoandro
📍Toerana: Parc Tsimbazaza
🎒Mila entina: Fanamiana ara-dalana (raha mbola tsy manana ise dia tenue de sport dia mety), Baiboly sy Fihirana, Goûters hifampizarantsika, Verre à jetter, Fitaovam-panoratana, Satroka sy aro orana, Vola 3.000 Ar.

Raha misy fanontaniana na fanazavana fanampiny dia aza misalasala mandefa hafatra miafana @ pejy na miantso ireto laharana ireto:
🐺Tily Mavo na Lovitao 6-11 taona: 0346860529
🌱Tily Maitso 12-16 taona: 0389552598
🏃🏻‍➡️Tily Mena na Mpiandalana 16 taona +: 0321782690

@ Sabotsy ary eh! 😉

✉️ 📣ANTSO HO AN’IZAY TE HIDITRA HO MPIKAMBANA VAOVAO 📣✉️ ---------------------------------------------------------------...
19/09/2025

✉️ 📣ANTSO HO AN’IZAY TE HIDITRA HO MPIKAMBANA VAOVAO 📣✉️
-----------------------------------------------------------------------
😊👣🎵🎶Iza no ho namanay, iza no ho namanay...🎶🎵👣😊
😍'Ndao ho namanay, hanao Skoto😍
----------------------------------------------------------------------

👉 Nahoana ary no hiditra ho SKOTO eh⁉

🌟Hianatra fiainana mirindra sy fifanajana

🏅Hahazo fahaiza-manao ilaina isan’andro (fahaizana mitantana tena, vonjy taitra, fahaizana miara-miasa anaty vondrona)

🙌🙋Hahita namana vaovao sy hiaina "aventure" samihafa ⛰🏜🏕

😇Indrindra fa hahazo fanabeazana ara-panahy sy ara-tsaina izay hanampy be amin’ny fiainana manontolo

✅Ny fanabeazana eo anivon 'ny Skotisma tokoa mako dia miompana amin'ny sehatra maro:

🏅Saina – fahakingana sy fahalalana

💪🏼Vatana – fanatanjahan-tena sy fahasalamana

😇Fanahy – fampianarana ara-panahy sy soatoavina kristiana

👌Moraly – fahitsiana, fanajana, fahaizana mandray andraikitra

❤Fihetsem-po ,fifehezana fihetseham-po, faharetana

👨‍👩‍👧‍👧Fiaraha-monina – fiaraha-miasa, fifanampiana, fanajana ny hafa

⁉Rahoviana ary ny fotoana😊

🗓 Daty: Alahady 21 Septambra 2025
🕘 Ora: 2 ora tolakandro
📍 Toerana: FJKM Amparibe Famonjena

👧👦 Sokajy azon’ny ankizy idirana⁉

1. Fanabeazana zazavavy – MPANAZAVA :
🐥Mpanazava Mavo na Voronkely: 5-11 taona 📞Contact Mpiandraikitra :
Cheftaine TSIOKY Mientetse 0344027065

🍀Mpanazava Maitso: 12-15 taona
📞Contact Mpiandraikitra :
Cheftaine Toky 0381795395

🔥Mpanazava Mena na Afo: 16 taona miakatra📞Contact Mpiandraikitra :
Cheftaine Koloniavo 0327261237

2. Fanabeazana zazalahy – TILY

🐺Tily Mavo na Lovitao: 6-11 taona
📞Contact Mpiandraikitra :
Cheftaine Ionty 0346860529

🌲Tily Maitso: 12-16 taona
📞Contact Mpiandraikitra :
Chef SIOTRA Matsioka 0389552598

👣Tily Mena na Mpiandalana
📞Contact Mpiandraikitra:
Chef SIROTSY Mahatsangy 0321782690

🌟 Raha te hanatevina ny sampana ianao dia tongava ary ento ny namana😊

Enjano sikino mafy izao…🎶Ny tontolo andro fahatelon’ny Mpiandalana teto Manambato 🤝Asa firotsahana natao teto Manambato ...
07/08/2025

Enjano sikino mafy izao…🎶

Ny tontolo andro fahatelon’ny Mpiandalana teto Manambato 🤝

Asa firotsahana natao teto Manambato sy ny manodidina 👨‍🌾

Fanatanjahan-tena fitaizana vatana 🌊

Entin-tsika am-bavaka hatrany ny Mpiandalana amin’ny asa rehetra ataony 🙏

⚜️🛑

Miroso miroso isika izao …🎶Andro faharoa ho an’ny lasy sampana mena eto Manambato ☀️Sombin-tsombiny ihany tamin’ny asa n...
06/08/2025

Miroso miroso isika izao …🎶

Andro faharoa ho an’ny lasy sampana mena eto Manambato ☀️

Sombin-tsombiny ihany tamin’ny asa natao sy ny mini rodo niarahana tamin’ireo namana teto Manambato 🚶‍♂️

Entin-tsika am-bavaka ihany ireto Mpiandalana ireto amin’ny lasy izay ataony 🏕️

🛑⚜️

Miainga miainga isika izao🔥Andro voalohany ho an'ny lasy sampana mena eto Manambato🏝️Misokatra amin'ny fomba ofisialy ny...
05/08/2025

Miainga miainga isika izao🔥

Andro voalohany ho an'ny lasy sampana mena eto Manambato🏝️

Misokatra amin'ny fomba ofisialy ny "Lasy Taratra☀️" tanterahin'ny Fileovana Amparibe.

Entitsika am-bavaka hatrany izy ireo ahavita soa ny lasy🙏🏼

Address

FJKM Amparibe
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fileovana Amparibe XèA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share