11/02/2025
Bevohoka dia miady amin’i Ratorimaso isan’alina ? 😩😴
Olana be mihitsy ilay itsoahan’ny torimaso amin’ny 11 ora alina, dia avy eo izy misisika fotsiny mandondona varavarana rehefa ilay atoandro manao raharaha iny a… 😆
Sa mbola mirindra sy milamina tsara ny torimasonareo mianaka ao ? 👶✨
Raha sanatria "TSIA" ny valiny dia ireto misy paikapaika hanampy anao hahazo torimaso milamina tsara ! 👇
🛑 1- Aza mihinana mavesatra be alohan’ny hatory :
Mangahazo e, tsaramaso e, vary maina e… Raha mbola ireo no mameno ny “menu” amin’ny hariva dia miomana fa ho lava ny alina
! 😂 Aleo maivamaivana toy ny voankazo, yaourt, legioma, mba ho levon'ny vavony tsara.
📴 2- Ajanony ny téléphone sy télé 30 minitra alohan’ny hatory :
Fakam-panahy foana ilay scroll scroll TikTok vao matory… 😆 Tandremo anefa ! Ilay hazavana manga ("lumière bleue") avy amin’ny écran iny no tena mampitsoaka torimaso ! 😴
🍵 3- Misotroa dite natoraly alohan’ny hatory
Ohatra hoe dite voasarimakirana 🍋, sady manampy tsara amin’ny fandevonan-kanina no mampitony koa.
🛌 4- Matoria amin’ny lafiny ankavia
Sady mampahazo aina no mampikoriana tsara ny rà. Rehefa mikoriana tsara ny rà dia mora manatona Ratorimaso… 😴💤
💬 Andramo anie e!
Sao dia misy tetika sy fikafika hafa any ry Neny isany ? Zarao sao mahasoa e ! ❤️
'syneny