29/12/2025
MARO NY FAHALALANA MIAFINA AO AMIN'NY TOMPO.
Ambarany antsika tsikelikely amin'ny alalan'ny Fanahiny amin'ny fotoany izy ireny arakaraky ny fivoaran'ny saintsika ( évolution intellectuelle). Olona iray na maromaro no iresahany azy aloha, ary ireny indray no mizara amin'ny hafa.Amin'ny voalohany mangidy, izany hoe sarotra inoana, sarotra fantarina fa rehefa tsakotsakoina na dinihina lalina dia mamy nohon'ny fahalalana rehetra teo aloha ary mitondra antsika ho amin'ny fahafahana ( liberté ) bebe kokoa.
Ny amin'ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo. — Isaia 42 : 9
Isaia 42 : 16. Hitarika ny jamba amin'izay lalana tsy fantany Aho; ary amin'ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako. 18. Mihainoa ianareo, ry marenina; Ary mijere, ry jamba, mba hahita.
Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin'izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao. Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin'ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy ianao talohan'ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany. Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin'ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao. — Isaia 48 : 6b - 8
Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy (Isaia 64:3), — I Korintiana 2 : 9
Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fideràna an'Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an'i Jehovah. Salamo 40 : 3
Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona masina. — Salamo 149 : 1