23/03/2026
23 mars
Ho an’i Jehovah ny Voninahitra , ao amin’ny Famirapiratan ́i Jesosy Kristy sy ny fanentanan’ i Fanahy Masina mirehitrAfo nahatongavan’ny Fiangonana Vaovao Mahafaly ao amin'i Fanahy Masina amin’’izao vanimpotoana vaovao izao ❤️
Mankasitraka ny sampana rehetra mankato ny planin’Andriamanitra ary mety hampiasainy ho fanilon’ny fanahy...mirehitra ho fahazavany eo amin’ny izao tontolo feno haizina izao
"Izy tsy maintsy mitombo fa izaho kosa tsy maintsy mihena." JAONA3:30
Mitsodrano anao aho :
MIROSO NY DIA,
Ahita an’Andriamanitra miasa amin’ny fahatsorany sady maherivaika ianao
Ny zana-tsipìkandemonia rehetra izay hitifirana anao dia tsy hahatratra anao, fa hiverina any amin'ny mpandefa azy.
Ny drafitra rehetra an'ny tontolo maizina manohitra ny fiainanao dia mivadika hamely azy rehefa rava eo anoloanao ary tsy hisy dikany aminao.
Ny fanapahan-kevitra rehetra hanohitra anao amin'ny fivorian'ny mpamosavy sy ny devoly dia ho foana tsy hisy heriny, rava ary tsy misy vokany.
Ity herinandro ity dia ho herinandro fijoroana vavolombelona ho anao.
Ny fiarovana avy amin’Andriamanitra no manodidina anao, ny fahasoavan’Andriamanitra no homba anao, ary ny fahasoavany no hiteny ho anao isan’andro, amin’ny anarana maherin’i Jesosy Kristy . Amen🙏