Antoko Sohihy XèA

Antoko Sohihy XèA Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Antoko Sohihy XèA, Youth Organization, FJKM Amparibe Famonjena, Antananarivo.

🌿⚜️ 'NDAO HANAO TILY MAITSO ! ⚜️🌿💚🔥 RY ZAZALAHY, VONONA VE IANAO HIATRIKA ZAVA-BAOVAO SY HIANAO ZAVATRA MAHASOA? 🔥💚📖 « A...
15/10/2026

🌿⚜️ 'NDAO HANAO TILY MAITSO ! ⚜️🌿

💚🔥 RY ZAZALAHY, VONONA VE IANAO HIATRIKA ZAVA-BAOVAO SY HIANAO ZAVATRA MAHASOA? 🔥💚

📖 « Ataovy mpianatra ny firenena rehetra » — Matio 28:18

🌟 HO ANAO ZAZALAHY 12 HATRAMIN'NY 16 TAONA, ITY NO FOTOANA TSARA INDRINDRA!🌟

Efa mba naniry ny hiaina fiainana feno fifaliana, lalao, firahalahiana ary traikefa vaovao ve ianao? 🤩

Efa mba naniry ny hanana namana vaovao, hianatra hahay hizaka tena, ho sahy, ho tompon'andraikitra ary ho tanora mendrika eo amin'ny fiarahamonina ve ianao? 💪🌍

😍 AZA MISALASALA INTSONY FA MIANDRY ANAO NY TILY MAITSO! ⚜️💚

Ny ANTOKO SOHIHY – FJKM AMPARIBE FAMONJENA dia manasa anao hiara-hientana aminay, hiditra ao anatin'ny tontolon'ny skotisma, izay ahitana fanabeazana, fifaliana, firaisankina ary fivoarana ara-panahy sy ara-batana. 🙏🌿

⚜️ FA INONA MARINA MOA NO MIANDRY ANAO AO AMIN'NY TILY 🤔

📚 FANABEAZANA 🧠
Hianatra ireo soatoavina tsara toy ny fanajana, fahamarinana, fifehezan-tena, fahavononana, fitiavana ny hafa ary ny andraikitra maha-tanora kristianina. 🙏💚

🎯 LALAO MARO SAMIHAFA 🎲
Tsy ho leo mihitsy ianao! 😍 Hisy lalao mahafinaritra, fanamby, fifaninanana, fiaraha-miasa ary hetsika maro hanampy anao hampivelatra ny fahaizanao sy ny herim-ponao. 🏃‍♂️🔥

🌳 FIVOAHANA AN-TSAHA 🧭
Hahafantatra bebe kokoa ny zavaboary, hianatra hiaina eny an-kalamanjana, hikaroka zava-baovao ary hahazo traikefa tsy hay hadinoina miaraka amin'ireo namana. 🌍🌱

🏕️ LASY SY FIARAHAMONINA ⛺
Hianatra ny fiainana an-dasy, ny fifanampiana, ny firaisankina, ny fizakan-tena ary ny fomba hiatrehana ireo fanamby samihafa. 💪🤝

💚 ARY TSY IZAY IHANY!

Ao amin'ny Tily Maitso dia tsy ny milalao sy miala voly fotsiny no atao, fa eo ihany koa ny fanabeazana ny saina, ny vatana ary ny fanahy, mba hahatonga anao ho tanora vonona hanompo an'Andriamanitra, hanampy ny hafa ary handray andraikitra eo amin'ny fiainana. ✨🙏

🔥 NY TILY DIA TSY FIALAMBOLY FOTSINY, FA SEKOLIN'NY FIAINANA!⚜️

📢 IRETO ARY NY FOTOANA SY TOERANA HIHAONANTSIKA :

📅 Andro : Isaky ny SABOTSY
⏰ Ora : 13h30 – 16h30
📍 Toerana : FJKM Amparibe Famonjena

👦 Iza no afaka mandray anjara?
👉 Zazalahy 12 hatramin'ny 16 taona.

📞 RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY :

👤 KITSIAKA Mitozo : 038 90 047 02
👤 SIOTRA Matsioka : 037 57 489 97

━━━━━━━━━━━━━━━━━━

💌 HO AN'IREO RAY AMAN-DRENY MALALA 👨‍👩‍👦

Tianareo ve ny hahita ny zanakareo hitombo ho tanora mahaleo tena, mahay miara-monina, manaja ny hafa, tia manampy ary manana fahavononana hiatrika ny fiainana? 💚

Koa entano izy ireo hanatevin-daharana ny TILY MAITSO, satria ny fanabeazana tsara omena ny tanora anio no anisan'ny fototra hanorenana ny hoaviny rahampitso. 🌱✨

🌟 HO ANAO RY ZATOVO!

Aza avela handalo fotsiny izao fotoana izao! 😎

🤝 Tongava mitady namana vaovao!
🧭 Tongava hahita traikefa vaovao!
🏕️ Tongava hianatra sy hifaly!
💪 Tongava hampivelatra ny talentanao!
🙏 Ary indrindra, tongava hiara-hitombo amin'ny finoana sy ny fanompoana an'Andriamanitra!

⚜️ NY DIA LEHIBE REHETRA DIA MANOMBOKA AMIN'NY DINGANA KELY IRAY!

💚 Koa inona indray no andrasanao?

🔥 'NDAO HANAO TILY MAITSO EEE! 🔥

🌿⚜️ ANTOKO SOHIHY ⚜️
SAMPATI 10 e A 🌿
⛪ FJKM AMPARIBE FAMONJENA

🎶 MIHIRA – MITSIKY – MILALAO 🎶

💚 _Miara-mianatra, miara-milalao, miara-mandroso ary miara-mitombo!_ 💚

⚜️🌿

Tontosa soa aman-tsara ny lalao Faritany Tily Sampana Maitso izay natao ny 24-25-26 Aprily 2026 teny Ambatolampy Tsimaha...
26/04/2026

Tontosa soa aman-tsara ny lalao Faritany Tily Sampana Maitso izay natao ny 24-25-26 Aprily 2026 teny Ambatolampy Tsimahafotsy.

Misaotra an’Andriamanitra lehibe ary misaotra an’ireto beazina izay nisolo-tena ny Antoko Sohihy🟢 ireto tamin’ny fandraisana anjara tamin’izany lalao izany.
Isaorana ihany koa ianareo Ray aman-dreny sy izay rehetra nanohana😁.

Misaotra an’ise !!

"Ataovy mpianatra ny firenena rehetra" Matio 20:19b✨Misaotra an' Andriamanitra lehibe fa nahavita soa ny fanekeny ny mpi...
20/04/2026

"Ataovy mpianatra ny firenena rehetra" Matio 20:19b✨

Misaotra an' Andriamanitra lehibe fa nahavita soa ny fanekeny ny mpiandraikitra sampana maitso ato amin’i Antoko Sohihy Chef Kitsiaka Mitozo🟢

Mitrotro am-bavaka azy isika mba hahatontosa izany adidy masina napetraka taminy izany mba tena ho Mpanabe vonona sy vanona ka hikely aina hatrany hatrany amin'ny asa fanabeazana izay mbola miandry azy 🙏🏽

‎📣𝗟𝗔𝗦𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗜𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 📣‎‎Ry Fianakaviamben'ny Fivondronana Herin'ny Famonjena 10eA, andao isika hiara hientana h...
23/03/2026

‎📣𝗟𝗔𝗦𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗜𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 📣
‎
‎Ry Fianakaviamben'ny Fivondronana Herin'ny Famonjena 10eA, andao isika hiara hientana hanatanteraka ny 𝗟𝗔𝗦𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 , hiarahatsika atao ny :
‎📅 01-02-03 Mai 2026 izao
‎📍FJKM Antoby Avaratra - Antanetibe Mahazaza, izay fiangonana miara-mandroso amitsika.
‎
‎Tian'ise hoe fantatra ve hoe aiza tsara Ilay FJKM Antoby Avaratra ? inona no homanintsika mialoha ? 🤔 ..... araho eto hatrany ary fa entinay ise hiaina sahady ao anatin'ny Lasy ise.
‎

🎯LFTT FARITRAMisaotra an’Andriamanitra isika fa tontosa soa aman-tsara ny LFTT FARITRA ny 21-22 Martsa izay nandraisan’n...
22/03/2026

🎯LFTT FARITRA

Misaotra an’Andriamanitra isika fa tontosa soa aman-tsara ny LFTT FARITRA ny 21-22 Martsa izay nandraisan’ny sokajy telo (Voromahery,Akoholahy,Ombalahy) anjara😉

Isaorana ireo zandry tamin’ny ezaka izay nasehon’izy ireo nandritry ny lalao rehetra izay natao ka nahazoana ny vokatra toy izao :
-Sokajy Voromahery 🦅 : Laharana voalohany 🥇
-Sokajy Ombalahy 🐂 : Laharana faha-efatra 🏅

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra🙏🏽

« Milalao aloha vao mifaninana »😉

Address

FJKM Amparibe Famonjena
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Antoko Sohihy XèA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share