Centre d'accouchement Iloaina

Centre d'accouchement Iloaina ✨Le centre Iloaina soutient les personnes en difficulté, offrant gratuitement soins, matériel médical et dépistage précoce du cancer de l’utérus.

Soutenez notre mission ! Vos dons permettent de maintenir ces services gratuits et de sauver des vies.✨

Tsikitsiky kely entina amaranana ity erinandro ity indray ary e ! 😂😂
31/07/2026

Tsikitsiky kely entina amaranana ity erinandro ity indray ary e !
😂😂

Ny fandehanan-dra mandritry ny fitondrana vohoka dia tsy tokony hatao tsinontsinona. Mety misy antony tsotra, saingy met...
17/07/2026

Ny fandehanan-dra mandritry ny fitondrana vohoka dia tsy tokony hatao tsinontsinona.
Mety misy antony tsotra, saingy mety ho famantarana olana mila fitiliana ihany koa.
🔎 Antony mety mahatonga azy :
• 🩸 Rà kely rehefa miraikitra ao anaty tranonjaza ny atody (saignement d’implantation)
• ⚠️ Loza mitatao amin’ny fahaverezan-jaza (menace de fausse couche)
• 🚨 Vohoka ivelan’ny tranonjaza (grossesse extra-utérine)
• 🩺 Aretina na fery eo amin’ny vozon-tranonjaza
• 🔄 Fiovana hormonaly
❗ Rahoviana no mila manatona mpitsabo haingana?
Mankanesa avy hatrany any amin’ny tobim-pahasalamana raha misy ireto soritr’aretina ireto :
🔴 Rà be mitovy na mihoatra noho ny fadimbolana
🤕 Fanaintainana mafy eo amin’ny kibo
😵 Fanina na faharerahana tafahoatra
🌡️ Tazo
🩸 Rà misy sombin-javatra na zavatra mitovitovy amin’ny nofo
🚑 Raha miseho ny iray amin’ireo soritr’aretina ireo dia ilaina ny manatona hopitaly na mpitsabo haingana.
🩺 Fitsirihana mety hataon’ny mpitsabo :
📸 Échographie (fitarafana)
🧪 Fitiliana Beta hCG (hormona manamarina sy manara-maso ny fitondrana vohoka)
💡 Tsarovy: Tsy voatery hidika olana lehibe foana ny fandehanan-dra mandritra ny fitondrana vohoka, saingy ilaina hatrany ny fitiliana mba hiarovana ny reny sy ny zaza. 🤱❤️

Mitombo saina tokoa ny ankizy 🙂,  Ary manomboka be fanontaniana izay izy manomboka eo amin'ny faha 2-3 taona eo, anisan'...
10/07/2026

Mitombo saina tokoa ny ankizy 🙂, Ary manomboka be fanontaniana izay izy manomboka eo amin'ny faha 2-3 taona eo, anisan'izany ity fanontaniana ity, dia inona no avalinareo azy ireo rehefa sendra an'ito? 🤔 Soraty ao amin'ny commentaire indray hoe 🙂

Marihina aloha fa ny fitondrana vohoka dia lazaina hoe tonga fe-potoana na “à terme” rehefa eo anelanelan’ny 37 SA sy 41...
03/07/2026

Marihina aloha fa ny fitondrana vohoka dia lazaina hoe tonga fe-potoana na “à terme” rehefa eo anelanelan’ny 37 SA sy 41 SA + 6 andro.

🔎 Famantarana fa manakaiky ny fiterahana :
✔️ Manaikitra matetika ny kibo (contractions)
✔️ Mihamavesatra sy midina ny valahana
✔️ Mahatsapa fanerena eo amin’ny fivaviana sy ny fitombenana
✔️ Mihareraka na miamatanjaka, be torimaso na tsy dia matory
✔️ Mety hivonto ny orona, ny tongotra, ary ny ratsan-tanana
✔️ Mahatsapa fa midina ny lohan-jaza ao anaty valahana

🚨 Manatòna hopitaly na mpitsabo avy hatrany raha :
• Mivoaka ny rano
• Misy rà mivoaka
• Manaikitra tsy tapaka sy mihamafy ny kibo

💡 Rehefa miseho ireo famantarana ireo, dia mety efa manomana ny fiterahana ny vatanao. 🤱❤️

Izahay eto amin’ny Trano Fiterahana Iloaina dia mirary fety sambatra ho antsika rehetra 🎉😊
26/06/2026

Izahay eto amin’ny Trano Fiterahana Iloaina dia mirary fety sambatra ho antsika rehetra 🎉😊

✨Tamin-kafaliana hatrany no nizaran'ny Trano fiterahana Iloaina fanomezana (kilalao, lambam-jaza, ary paty) an'ireo anki...
25/06/2026

✨Tamin-kafaliana hatrany no nizaran'ny Trano fiterahana Iloaina fanomezana (kilalao, lambam-jaza, ary paty) an'ireo ankizy tety amin'ny faritra ambohibao morondava antehiroka, ho marikin'ny fankalazana ny fetim-pirenena🇲🇬🤗✨.
✅Tsy tanteraka moa izao fizarana izao raha tsy teo hatrany ny Groupe Pharmatek - Meditek sy ny Pâte Premier Prix nanolotra an'ireo fanomezana ireo, ka dia ankasitrahana hatrany izy ireo🤗🙏.

✨Ho an'Ilay miady ao anaty fahanginana❤️, be fitiavana sy fandeferana, ho tahiana foana anie Ianareo🤗
21/06/2026

✨Ho an'Ilay miady ao anaty fahanginana❤️, be fitiavana sy fandeferana, ho tahiana foana anie Ianareo🤗

🤱 Ny fivoaran’ny rononon-dreny mandritry ny fampinonoana 🍼🔸 Colostrum (ranom-batsy)Manomboka amin’ny nahaterahan’ny zaza...
19/06/2026

🤱 Ny fivoaran’ny rononon-dreny mandritry ny fampinonoana 🍼

🔸 Colostrum (ranom-batsy)
Manomboka amin’ny nahaterahan’ny zaza 👶 ka hatramin’ny faha-4 andro eo ho eo.
Miloko somary mavo ✨ izy io ary tena manankarena otrikaina sy hery fiarovana 💪🛡️ ho an’ny zaza, ka antsoina hoe “vaksiny voalohany” ihany koa.

🔸 Lait de transition
Manomboka eo amin’ny faha-4 andro ka hatramin’ny faha-10 andron’ny zaza 📆
Eto dia mifangaro tsikelikely ny ranom-batsy sy ny ronono matoy 🥛, ary miova arakaraka ny fahazotoan’ny zaza minono 👶.

🔸 Lait mature
Manomboka eo amin’ny faha-10 andro eo ho eo 🌸
Matsora kokoa izy io ary ahitana ireo singa rehetra ilain’ny zaza amin’ny fitomboany sy ny fahasalamany 🌱💖.

📝 Fanamarihana :
➡️ Ilay ronono voalohany mivoaka rehefa mampinono dia matsora sy mandranoka kokoa 💧, ka manala hetaheta ny zaza.
➡️ Ilay farany kosa dia matavy sy mahavoky kokoa 🥛😋, manampy amin’ny fitomboany tsara.

💬 Aleo mba asiana resa-dresaka kely indray eh😊Misy ireo 🤰 tena sarotiny be rehefa bevohoka : tsy mahasakafo 🍲, mandoa la...
13/06/2026

💬 Aleo mba asiana resa-dresaka kely indray eh😊

Misy ireo 🤰 tena sarotiny be rehefa bevohoka : tsy mahasakafo 🍲, mandoa lava 🤢, tsy mahazaka fofona 😵💫…
Fa misy kosa anefa 😄 tena tsy maninona mihitsy mandritra ny fitondrana vohoka.

Ary ianareo ry maman ❤️, nanao ahoana tamin’ny fitondrana vohoka? Zarao aminay hoe 👇😊

🤰 Maro ny vehivavy bevohoka no mahatsikaritra fa lasa mivonto ny tongotra, indrindra rehefa hariva na amin’ny volana far...
05/06/2026

🤰 Maro ny vehivavy bevohoka no mahatsikaritra fa lasa mivonto ny tongotra, indrindra rehefa hariva na amin’ny volana faramparan’ny fitondrana vohoka 👣

👉 Fa inona no mahatonga izany ?
• Mitombo ny rà sy ny rano ao amin’ny vatana
• Misy tsindry ataon’ilay zaza amin’ny lalan-drà
• Mora mitahiry rano ihany koa ny vatana rehefa bevohoka

💡 Ireto misy zavatra afaka manampy hampihena ny fivontosana :
✔️ Fadio ny mijoro ela loatra
✔️ Ataovy amin'ny toerana ambony ny tongotra rehefa mipetraka na rehefa matory
✔️ Misotroa rano ampy tsara
✔️ Mandehandehana kely matetika
✔️ Ahena ny sakafo masira be

⚠️ Fa raha mivonto tampoka be ny tongotra, na miaraka amin’ny aretin’andoha, fanina, na fiakaran’ny tosi-drà, dia tsara manatona dokotera haingana.

💙 Na dia fahita matetika aza izy io mandritra ny fitondrana vohoka, dia zava-dehibe foana ny manara-maso akaiky ny fahasalamana.

Address

Lot 166 Fm Morondava Antehiroka Antananarivo
Antananarivo
101

Telephone

+261384564629

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centre d'accouchement Iloaina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Centre d'accouchement Iloaina:

Shortcuts

Share