Centre d'accouchement Iloaina

Call Contact the organization

Centre d'accouchement Iloaina ✨Le centre Iloaina soutient les personnes en difficulté, offrant gratuitement soins, matériel médical et dépistage précoce du cancer de l’utérus.

Soutenez notre mission ! Vos dons permettent de maintenir ces services gratuits et de sauver des vies.✨

Raharaha ny ao fa sao variana eo an🫣😆
28/08/2026

Raharaha ny ao fa sao variana eo an🫣😆

Ny DPA dia daty tombanana fotsiny hanondroana ny fotoana mety hahaterahan’ny zaza. Tsy midika akory izany fa io andro io...
21/08/2026

Ny DPA dia daty tombanana fotsiny hanondroana ny fotoana mety hahaterahan’ny zaza. Tsy midika akory izany fa io andro io mihitsy no hiterahana 😊.

Ny ankamaroan’ny zaza dia teraka eo anelanelan’ny 37 herinandro sy 41 herinandro mahery amin’ny fitondrana vohoka.
Mety hisy zaza teraka alohan’ny DPA na aorian’ny DPA izany.
Ho an’ny zaza voalohany, matetika dia mety hihoatra kely ny DPA satria mbola tsy niteraka ny vatana ka mety ho ela kokoa ny fiomanana.
Ho an’ny zaza faharoa sy manaraka, mety ho tonga aloha kokoa ny fiterahana, saingy tsy fitsipika raikitra izany fa miankina amin’ny reny sy ny zaza tsirairay 🤰.

🚨 Rahoviana no tokony manatona mpitsabo?
➡️ Raha efa nihoatra ny DPA nefa mbola tsy misy famantarana hiterahana.
➡️ Raha misy fanaintainana miverimberina sy mihamafy.
➡️ Raha mivoaka ny ranon-jaza.
➡️ Raha misy ra mivoaka.
➡️ Raha mihena na tsy tsapa intsony ny fihetsiky ny zaza ao an-kibo.

👩‍⚕️ Aza miandry raha misy zavatra mampanahy. Ny fanaraha-maso ataon’ny mpitsabo no miantoka ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza 👶💙.

Tena mahafinaritra io rehefa akana fiany moa ry maman o? 🤣😂 ny anareo izao inona ilay adalana kely  tena tsy hafoizanare...
14/08/2026

Tena mahafinaritra io rehefa akana fiany moa ry maman o? 🤣😂 ny anareo izao inona ilay adalana kely tena tsy hafoizanareo ilay harenakelinareo ?🥰😍

😊 Inoanay fa salama daholo isika mpanaraka ny pejy e!?🤰 💬 Apetraho eo amin'ny commentaire ny fanontanianao rehetra manit...
07/08/2026

😊 Inoanay fa salama daholo isika mpanaraka ny pejy e!?

🤰 💬 Apetraho eo amin'ny commentaire ny fanontanianao rehetra manitikitika anao momba ny fitondrana vohoka fa ho valianay anaty horon-tsary 📹

💙 Mirary faran'ny herinandro feno fahasalamana ho antsika rehetra! 🌸

Tsikitsiky kely entina amaranana ity erinandro ity indray ary e ! 😂😂
31/07/2026

Tsikitsiky kely entina amaranana ity erinandro ity indray ary e !
😂😂

Ny fandehanan-dra mandritry ny fitondrana vohoka dia tsy tokony hatao tsinontsinona. Mety misy antony tsotra, saingy met...
17/07/2026

Ny fandehanan-dra mandritry ny fitondrana vohoka dia tsy tokony hatao tsinontsinona.
Mety misy antony tsotra, saingy mety ho famantarana olana mila fitiliana ihany koa.
🔎 Antony mety mahatonga azy :
• 🩸 Rà kely rehefa miraikitra ao anaty tranonjaza ny atody (saignement d’implantation)
• ⚠️ Loza mitatao amin’ny fahaverezan-jaza (menace de fausse couche)
• 🚨 Vohoka ivelan’ny tranonjaza (grossesse extra-utérine)
• 🩺 Aretina na fery eo amin’ny vozon-tranonjaza
• 🔄 Fiovana hormonaly
❗ Rahoviana no mila manatona mpitsabo haingana?
Mankanesa avy hatrany any amin’ny tobim-pahasalamana raha misy ireto soritr’aretina ireto :
🔴 Rà be mitovy na mihoatra noho ny fadimbolana
🤕 Fanaintainana mafy eo amin’ny kibo
😵 Fanina na faharerahana tafahoatra
🌡️ Tazo
🩸 Rà misy sombin-javatra na zavatra mitovitovy amin’ny nofo
🚑 Raha miseho ny iray amin’ireo soritr’aretina ireo dia ilaina ny manatona hopitaly na mpitsabo haingana.
🩺 Fitsirihana mety hataon’ny mpitsabo :
📸 Échographie (fitarafana)
🧪 Fitiliana Beta hCG (hormona manamarina sy manara-maso ny fitondrana vohoka)
💡 Tsarovy: Tsy voatery hidika olana lehibe foana ny fandehanan-dra mandritra ny fitondrana vohoka, saingy ilaina hatrany ny fitiliana mba hiarovana ny reny sy ny zaza. 🤱❤️

Mitombo saina tokoa ny ankizy 🙂,  Ary manomboka be fanontaniana izay izy manomboka eo amin'ny faha 2-3 taona eo, anisan'...
10/07/2026

Mitombo saina tokoa ny ankizy 🙂, Ary manomboka be fanontaniana izay izy manomboka eo amin'ny faha 2-3 taona eo, anisan'izany ity fanontaniana ity, dia inona no avalinareo azy ireo rehefa sendra an'ito? 🤔 Soraty ao amin'ny commentaire indray hoe 🙂

Marihina aloha fa ny fitondrana vohoka dia lazaina hoe tonga fe-potoana na “à terme” rehefa eo anelanelan’ny 37 SA sy 41...
03/07/2026

Marihina aloha fa ny fitondrana vohoka dia lazaina hoe tonga fe-potoana na “à terme” rehefa eo anelanelan’ny 37 SA sy 41 SA + 6 andro.

🔎 Famantarana fa manakaiky ny fiterahana :
✔️ Manaikitra matetika ny kibo (contractions)
✔️ Mihamavesatra sy midina ny valahana
✔️ Mahatsapa fanerena eo amin’ny fivaviana sy ny fitombenana
✔️ Mihareraka na miamatanjaka, be torimaso na tsy dia matory
✔️ Mety hivonto ny orona, ny tongotra, ary ny ratsan-tanana
✔️ Mahatsapa fa midina ny lohan-jaza ao anaty valahana

🚨 Manatòna hopitaly na mpitsabo avy hatrany raha :
• Mivoaka ny rano
• Misy rà mivoaka
• Manaikitra tsy tapaka sy mihamafy ny kibo

💡 Rehefa miseho ireo famantarana ireo, dia mety efa manomana ny fiterahana ny vatanao. 🤱❤️

Izahay eto amin’ny Trano Fiterahana Iloaina dia mirary fety sambatra ho antsika rehetra 🎉😊
26/06/2026

Izahay eto amin’ny Trano Fiterahana Iloaina dia mirary fety sambatra ho antsika rehetra 🎉😊

✨Tamin-kafaliana hatrany no nizaran'ny Trano fiterahana Iloaina fanomezana (kilalao, lambam-jaza, ary paty) an'ireo anki...
25/06/2026

✨Tamin-kafaliana hatrany no nizaran'ny Trano fiterahana Iloaina fanomezana (kilalao, lambam-jaza, ary paty) an'ireo ankizy tety amin'ny faritra ambohibao morondava antehiroka, ho marikin'ny fankalazana ny fetim-pirenena🇲🇬🤗✨.
✅Tsy tanteraka moa izao fizarana izao raha tsy teo hatrany ny Groupe Pharmatek - Meditek sy ny Pâte Premier Prix nanolotra an'ireo fanomezana ireo, ka dia ankasitrahana hatrany izy ireo🤗🙏.

Address

Lot 166 Fm Morondava Antehiroka Antananarivo
Antananarivo
101

Telephone

+261384564629

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centre d'accouchement Iloaina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Centre d'accouchement Iloaina:

Shortcuts

Share