Mitombo amin'ny Fahasoavana sy ny Fahalalana

Mitombo amin'ny Fahasoavana sy ny Fahalalana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mitombo amin'ny Fahasoavana sy ny Fahalalana, Community Center, Lot GVA 1 Soamanandrariny, Antananarivo.

Hoy ny Soratra Masina: « Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. » Jao 17:3
« fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, » 2Pet 3:18

02/12/2024

Mofon’Aina

Talata 3 Desambra 2024

“ASANDRATO I JESÔSY”

« Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an'ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak'i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro. » Apokalypsy 22:16

Manoloana antsika ireo loza amin’ny andro farany, ary tokony hampitandrina ny olona ny amin’ny loza eo anoloan’izy ireo isika amin’ny asa ataontsika. Aoka hodinihina ireo zavatra nampitandreman’ny faminaniana. Raha mba mifoha mantsy ny vahoakantsika na amin’ny ampahany ihany aza, raha tsapany ny fahantomoran’ny fotoana voalaza ao amin’ny Apôkalipsy, dia hisy fifohazana ao amin’ny fiangonantsika, ary betsaka no hino ny hafatra. (…) Fitsipika vaovao no arosoy ary ny fahamarinana mazava no asandrato. Ho toy ny sabatra roa lela izany. Aza maika ny hametraka fisainana manohitra anefa. Misy fotoana ilantsika mitony ary mijery ny famonjen’Andriamanitra. Avelao i Daniela hiteny, avelao ny Apôkalipsy hilaza ary ambarao ny fahamarinana. Na manao ahoana na manao ahoana toetry ny hafatra dia asandrato ho ivon’ny fanantenana rehetra i Jesôsy ilay «Solofo sy taranak’i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro».

Tsy mikatsaka lalina ny fahamarinana isika. Ny fanahy tsirairay izay mino ny fahamarinana ankehitriny dia hoentina eo amin’ny toerana izay iandrasana azy hanome ny anton’ny fanantenana ao anatiny. Hantsoina hitsangana manoloana mpanjaka, andriana, mpitondra ary ireo olobe eto an-tany ny vahoakan’Andriamanitra, ary ilain’ireo sokajin’olona ireo ho fantatra fa tena mahalala ny fahamarinana izy ireo. Tokony ho lehilahy sy vehivavy niova fo izy ireo. Afaka mampianatra zavatra be lavitra anao ao anatin’ny fotoana fohy Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahiny Masina noho ny avy amin’ireo olona manana ny mahaizy azy eto amin’izao tontolo izao. Mandinika ny fifanoherana miseho eto amin’ity tany ity izao tontolo rehetra izao. Amin’ny vidiny tsy hay tombanana no nanomezan’Andriamanitra ny olona tsirairay ny fotoana fanararaotra mba hahafantarany izay hahavonona azy handray ny famonjena. Endrey ny hafanam-pon’ny anjely te hahita izay olona hanararaotra izany tombon-tsoa izany! Raha misy hafatra velarina eo anoloan’ny olon’Andriamanitra dia tsy tokony hanohitra avy hatrany izy; tokony hankeo amin’ny Baiboly izy ka hisedra izany amin’ny lalàna sy ny vavolombelona. Ho hitany eo raha marina izany na tsia. (…) Afaka mifaly amin’ny zavatra tsara isan’andro isika satria afaka manokatra ny haren’ny lanitra rehetra ho antsika isan’andro Andriamanitra.

- Maranatha (1976), 23.

01/12/2024

Mofon’Aina

Alatsinainy 2 Desambra 2024

“HANJAKA MANDRAKIZAY IZY”

« Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. » Apokalypsy 11:15

Ny fiavian’i Kristy izay hampiditra ao amin’ny fanjakan’ny fahamarinana no aingam-panahy nanesika ny mpanoratra masina hanao ireo fanambarana kanto sy manetsi-po indrindra (…) Nanao an-kira ny hery sy ny voninahitry ny Mpanjakan’Isiraely ny mpanao Salamo hoe: (…) “Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany (…) Eo anatrehan’i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara (…) araka ny rariny Izy ary ny firenena amin’ny fahamarinany” - Sal. 96:1113.

Hoy ny mpaminany Isaia: (…) “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ny tany rehetra (…)” – Isa. 25:8 (…)

Raha nadiva hisaraka tamin’ny mpianany ny Mpamonjy, dia nampahery azy (…) Izy: “ Aza malahelo ny fonareo (…) Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro (…) fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko” - Jao. 14:1-3(…)

Ireo anjely izay nijanonjanona teo amin’ny tendrombohitra Oliva rehefa niakatra ho any an-danitra i Kristy dia namerina ny teny fikasan’ny fiverenany tamin’ny mpianany: «Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra» - Asa. 1:11. Ary izao no (…) nataon’ny apostoly Paoly (…): «Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra» - 1 Tes. 4:16. Hoy ilay mpaminany teo amin’ny nosy Patmo: «Indro Izy avy amin’ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy» - Apôk. 1:7.

Eo amin’ny fiaviany no ivondronan’ny voninahitra rehetra momba ny «fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminany masina hatramin’ny voalohany indrindra». Amin’izay dia ho tapaka ilay fanapahan’ny ratsy efa naharitra ela, dia dia ela; ka «ny fanjakana amin’izao tontolo izao» dia hanjary «fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny, ary Izy hanjaka mandrakizay mandrakizay» - Apôk. 11:15.

- Maranatha (1976), 21.

30/11/2024

Mofon’Aina

Alahady 1 Desambra 2024

“FANALAHIDIN’NY HEVITRY NY SORATRA MASINA”

« Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy. » Joba 19:25

Ho an’ny zanak’Andriamanitra izay navela hitoetra ela tokoa teto amin’ity «lohasaha aloky ny fahafatesana» ity, dia misy fanantenana sarobidy miteraka fifaliana entin’ny teny fikasana momba ny fisehoan’Ilay «fananganana ny maty sy fiainana», izay hampody ilay noroahiny. Ny foto-pinoana momba ny fiverenan’i Jesosy fanindroany no fanalahidin’ny hevitry ny Soratra Masina rehetra. Hatramin’ny andro izay nandiavan’ireo mpivady voalohany ilay lalam-pahoriana niala an’i Edena, dia efa niandry ny fiavian’Ilay Nampanantenaina hanamontsana ny herin’ny mpandringana sy hamerina azy ireo indray ho amin’ilay Paradisa efa very ireo zanaky ny finoana. (…) I Enoka, izay vao taranaka fahafito monja avy tamin’ireo nonina tao Edena, sy niara-nandeha telonjato taona tamin’Andriamanitra tety an-tany, dia navela hitazana ny fiavian’Ilay Mpanafaka. «Indro, hoy izy, tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra» - Joda 14,15. Raha tao anatin’ny alim-pahoriana nahazo azy i Joba patriarka dia niteny tamintoky tsy azo nohozongozonina hoe: «Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy ... Sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra; eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery fa tsy olon-kafa» -Jôba 19:25-27.

Andriamanitry ny fahasoavana rehetra anie hanazava tanteraka ny sainareo mba hahafahanareo mamantatra ny momba ny mandrakizay, ka amin’ny alalan’ny fahazavan’ny fahamarinana no hahafahanareo mahalala ny fahadisoanareo, izay betsaka tokoa, araka ny tena endriny, mba hahafahanareo manao ny ezaka ilaina hanalavirana azy ireo, ka eo amin’ny toeran’ny ratsy, ny voankazo mangidy dia afaka ny ho tonga voankazo sarobidy ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Ampilefero eo amin’Andriamanitra ny fonareo (…); mietre, ambany dia ambany eo an-tongony amin’ny toetrareo rotidrotiky ny fahotana. Atokany ho an’ny asa fiomanana ny tenanareo. Aza mitsahatra mandrapahatonga anareo ho afaka hilaza hoe: velona ny Mpamonjiko, ary satria velona Izy dia ho velona koa aho.

Raha verinareo ny lanitra dia verinareo ny zava-drehetra; raha mahazo ny lanitra ianareo dia mahazo ny zava-drehetra. Miangavy anareo aho, aza mamita-tena. Iankinan’ny mandrakizay izany.

- Maranatha (1976), 13.

29/11/2024

Mofon’Aina

Sabata 30 Nôvambra 2024

“KRISTIANINA MANEHO TARATRA NY FAHAZAVAN’NY LANITRA”

« Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. » Matio 5:14,15

Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao” hoy i Kristy tamin’ireo mpianany (Mat. 5:14). (…) Tsy manana fahazavana azy manokana anefa izy ireo, fa ny taratry ny fahazavan’ny Lanitra no asaina asehony amin’izao tontolo izao.

“Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.” Ny fisainantsika sy ny fikasantsika no loharano miafin’ny asa ataontsika, ary mamaritra ny toetrantsika (…). (…) Hitan’Andriamanitra mazava avokoa ny fisainantsika sy ny fihetsehampontsika ary ny fironantsika, na dia tsy hitan’ny olombelona aza. (…)

Fijoroana ho vavolombelona manameloka ny fahotana sy ny mpanota ny fiainana masin’ny Kristianina sy ny resaka masina ataony. I Kristy anefa no tokony hasehony amin’izany fa tsy ny tenany. I Kristy no fanefitra lehibe ho an’ny ota. Nomen’ilay Mpanavotra be fangorahana antsika ny fanampiana rehetra ilaintsika. Vonona Izy ny hampitafy ny fahamarinany amin’izay mibebaka amin’ny fony marina, ary koa ny handrehitra ao am-pon’izany olona izany ny fitiavan’Andriamanitra (…). Andeha àry isika hanambara ny maha-vavolombelony antsika eto an-tany; ambasadaorony avy any amin’ny lapan’ny lanitra isika. Andeha homentsika voninahitra Ilay soloantsika tena amin’ny fijoroantsika ho mahatoky eo anatrehan’ny asa napetraka tamintsika, dia ny ho mpitondra fahazavana ho an’izao tontolo izao.

Izay hahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny farany dia maneho hafanampo sy fanoloran-tena ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra eto an-tany. Tsy hitsoaka adidy izy rehefa manatona ny fizahan-toetra sy ny zavatsarotra ary ny faniniana. (…) Tsy hanao fanontaniana mitory fisalasalana izy rehefa aseho eo anatrehany ny fitakiana mazavan’ny Soratra Masina ka hanao hoe: inona no holazain’ireo namako raha miandany amin’ny vahoakan’Andriamanitra aho? (…)

Ambaran’i Jesôsy fa tsy menatra ny hiantso ireo mpanara-dia Azy amin’ny fo ho rahalahiny Izy. Hiandany amin’izy ireo ilay Andriamanitry ny fahamarinana ary tsy mba handao azy. Ho toy ny tombon-tsoa mandrakizay ho azy ireo ny fatiantoka azony noho ny amin’i Kristy.

- Reflecting Christ (1985), 379.

28/11/2024

Mofon’Aina

Zoma 29 Nôvambra2024

“MIAHY NY OLONY ANDRIAMANITRA”

« Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. » Salamo 34:15

Aza manaiky ho resin’ny fahakiviana. Hampaherezina izay reraka am-po ary hanana fanantenana indray ireo kivy. Miahy ny olony amim-pitiavana Andriamanitra. Mihaino ny fitarainan’izy ireo ny sofiny. Tsy manahy ny amin’ny asan’Andriamanitra aho satria hiahy ny asany Izy. Ny adidintsika dia ny manao ny anjara asantsika sy miaina(…), manetry tena eo an-tongotry ny hazo fijaliana, ary miaina fiainana mahatoky sy masina eo anatrehany. Tsy ho menatra isika raha manao izany fa hatoky an’Andriamanitra amin’ny fahasahiana masina ny fanahintsika.

Efa nesorin’Andriamanitra ny entamavesatra nentintsika; efa nanafaka antsika Izy. (…) Tsy foana tsy akory ny fihazakazahantsika sy ny fisasarantsika. Mahalala antsika i Jesôsy. (…) Ho avy ny andro fitsarana ary hotsaraina araka ny asany avy ny rehetra. (…)

Marina tokoa fa maizina izao tontolo izao. Mety hihamahery tokoa ny fanoherana. (…) Na eo aza anefa izany rehetra izany dia tsy hihontsona isika. Tsy ho very hevitra isika, sanatria! Tsy mihozongozona ny foko fa matoky an’Andriamanitra. Azontsika atao ny mifaly ao amin’ny fahatanterahany lehibe. (…)

Ny fivavahana madio sy tsy misy pentina dia mitarika antsika hanana ny fahatsoran’ny zaza. Maniry ny hivavaka sy hiteny amim-panetren-tena isika, ary tsy mikendry afa-tsy ny hanome voninahitra an’Andriamanitra ireryBetsaka loatra ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kanefa tsy manana ny heriny. Hitarika ho amin’ny fiaikena izany amim-pankasitrahana ny firotsahan’ny Fanahin’Andriamanitra; ary raha mahatsapa sy mahita ny fitiavan’Andriamanitra mahatalanjona isika, dia tsy hangina fa hitondra fanatitra eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny feo mitory fisaorana ary hanao hira ho Azy amin’ny fontsika sy ny feontsika. Andeha hijoro eo amin’ilay Vatolampy Fahagola, dia hanana fampiononana sy fanohanana mitoetra isika. Hitsahatra ao amin’Andriamanitra amin’ny fitokiana tsy azo hozongozonina ny fanahintsika.

Nahoana moa isika no zara raha mankeo amin’ilay loharano kanefa izany dia feno no sady maimaimpoana? Ilain’ny fanahintsika ny misotro eo amin’izany loharano izany mba ho velombelona isika ary hitombo ao amin’Andriamanitra. (…)

- Reflecting Christ (1985), 351.

27/11/2024

MOFONAINA:

Alakamisy 28 Nôvambra 2024

“IREO MIVERINA AMIN’NY LALANA TALOHA”

« Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana. » Isaia 35:10

Feno lehilahy sy vehivavy maneho tsy fahatsapana ny andraikiny manoloana an’Andriamanitra (…) izao tontolo izao. Tsy tsapan’izy ireo fa nanankina talenta taminy Andriamanitra, tsy ho amin’ny fanomezam-boninahitra ny tenan’izy ireo (…) fa ho Voninahiny. (…)

(…) Maro amin’izy ireo anefa no mitady hanatratra fotsiny ny tanjony feno fitiavan-tena, ka tsy misaina ny haja amam-boninahitr’Andriamanitra. Efa nahita ny fahazavan’ny fahamarinana ny sasany amin’izy ireo saingy noho ny fanomezany voninahitra ny tenany, dia tsy nataony ho lohalaharana (…) Andriamanitra. Niala tamin’ny fahamarinan’ny Baiboly izy ka nanjary mpisalasala sy tsy mahatoky. Rehefa nampitsahatra izany asany izany ny famaizan’Andriamanitra, ary nitaona azy hiverina amin’ny lalany teo aloha ny fahoriana, dia niala tao amin’ny fisainany ny zavon’ny fisalasalana. Mibebaka ny sasany (…) ary miverina amin’ny fitiavana voalohany (…). Tsy manetsika azy intsony ny fitiavambola na ny faniriana feno fitiavan-tena. (…) Rehefa miseho izany fiovana mahatalanjona izany, dia tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra hifantoka amin-javatra vaovao ny saina, miova ny toetra, ary mifantoka amin’ny zavatra any ambony ny fanirian’ny fanahy.

Manana hery (…) ny tena fivavahana marina. Izany no manome fahafahana ny olona handresy ny hery miasa manginan’ny avonavona izay sarotra resena, sy ny fitiavan-tena ary ny tsy finoana. (…) Hitarika ny olona ho eo amin’ny hazo fijalian’i Jesôsy izany; hanjary mpiasa mazoto sy feno fanoloran-tena ary mahatoky izy (…).

Nampiavaka ireo mahery fon’ny finoana hatrizay ny fahatokiana tamin’Andriamanitra. (…) Nitarika ny hafa hanome voninahitra an’ Andriamanitra ny fankatoavan’izy ireo ny baikon’i Kristy hoe: “Mandrosoa”.

Misy mahery fo koa ankehitriny, lehilahy sy vehivavy izay miaina fiainana mendrika, (…) feno fandavantena. Tsy mikatsaka ny hahazo laza araka izao tontolo izao izy ireo. (…) Ny fitiavana an’Andriamanitra no manetsika azy hiasa. (…)
Nandray ny tena fahalalana marina ireo, eny, ny fahalalana izay asehon’i Kristy ao amin’ny teniny hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” - Jao. 17:3

- Reflecting Christ (1985), 346.

27/11/2024

Mofon’Aina Alarobia 27 Nôvambra 2024

“NY TOMBAM-BIDIN’NY FAHORIANA”

« Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika. » Romana 8:18

Misy lesona mahatalanjona ahazoan’ny Kristianina hery sy tanjaka ao amin’ny fanandraman’ny apôstôly Jaona rehefa niharan’ny fanenjehana izy. Tsy sakanan’Andriamanitra tsy hanao tetika maizina ny ratsy fanahy, fa ahodiny kosa ny fikasan-dratsiny ho soa ho an’ireo ianjadian’ny fahoriana sy iharan’ny tolona, mba hitehirizana ny finoany sy ny fahamarinany. Mazàna eo anivon’ny ranonoram-baratry ny fanenjehana no anatontosan’ny mpitory ny filazantsara ny asany, ary ao anatin’ny fanoherana feno habibiana sy fampijaliana no ijoroany ho vavolombelona. Aoka hotsaroany amin’izany andro izany fa ny fanandramana azo tao anatin’ny memy afon’ny fitsapana sy ny fahoriana dia mendrika ny fijaliana niaretana mba hahazoana azy.

Toy izany no iantsoan’Andriamanitra ny zanany hanakaiky Azy mba hanehoany aminy ny heriny ho solon’ny fahalemeny. Mampianatra azy hiankina Aminy izy, ary manomana azy amin’izany fomba izany, hiatrika ny fotoan-tsarotra, mba hahazoany mandray toerana ilana olona mahatoky sy hanatanteraka ny andraikitra nanomezana talenta manokana azy.

Niharan’ny fanaratsiana mandrakariva sy ny fanenjehana noho ny amin’ny fahamarinana ireo vavolombelona notendren’Andriamanitra. (…) Nohazain’ny fahavalony toy ny bibidia i Davida, ilay mpitondra hafatra nofidin’Andriamanitra. Natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela noho ny toetra mahatoky nananany tamin’Andriamanitra. Nofonganana tsy hisy teo amin’i Jôba avokoa ny fananany rehetra tety an-tany, ary tena nijaly mafy indrindra tamin’ny aretina nahazo azy izy, (…) nefa nijoro tsy azo nohozongozonina kosa. (…)

Samy nijoro ho vavolombelon’ny fahatokiana amin’ny teny fikasan’Andriamanitra ireny ohatry ny fijoroan’ny olona ireny (…). Naneho ny herin’ny finoana izay mahajoro eo anatrehan’ny fahefan’izao tontolo izao izy ireo. (…)

(…) Tamin’ny alalan’ny fizahan-toetra sy ny fanenjehana no nanehoana teo amin’ireo voafidin’Andriamanitra ny Voninahiny sy ny Toetrany. Nobeazina sy nofehezina tao amin’ny sekolin’i Kristy ireo mpino Azy, izay halan’izao tontolo izao sy enjehiny. Mandeha amin’ny lalana ety izy ireo eto an-tany; voadio amin’ny lafaoro mirehitry ny fahoriana izy ireo.

- Reflecting Christ (1985), 357.

27/11/2024

DEVOTION QUOTIDIENNE:

Recette de santé, 27 novembre

Mangez en temps voulu, pour vous fortifier, et non pour vous enivrer ! Ecclésiaste 10:17.

Mangez à des heures régulières. En prenant de mauvaises habitudes alimentaires, vous vous préparez à des souffrances futures. Il n'est pas toujours prudent de répondre aux invitations à des repas, même si elles sont faites par des frères et des amis qui veulent vous offrir de nombreux mets. Vous savez que vous pouvez manger deux ou trois sortes d'aliments au cours d'un repas sans que vos organes digestifs en souffrent.

Lorsque vous êtes invités à un repas, fuyez les nombreuses variétés de nourriture que ceux qui vous ont invités vous proposent. C'est ce que vous devez faire si vous voulez être une sentinelle fidèle. Lorsqu'on nous présente des aliments qui, si nous les mangeons, donneront aux organes digestifs des heures de travail, nous ne devons pas, si nous les mangeons, blâmer ceux qui nous les ont présentés pour le résultat. Dieu attend de nous que nous décidions par nous-mêmes de ne manger que les aliments qui ne feront pas souffrir les organes digestifs....

Souvent, les différentes sortes d'aliments placés dans l'estomac ne s'accordent pas, et il en résulte une fermentation. C'est la cause de nombreuses difficultés gastriques. Mangez à des heures régulières, et mangez des aliments sains. Ne mettez pas dans l'estomac une trop grande variété d'aliments au cours d'un même repas.

Je n'ose pas vous dire, ni à vous ni à personne d'autre, que vous ne devez prendre que deux repas par jour. Mais je dis qu'il ne faut pas mettre trop de nourriture dans l'estomac en une seule fois, car l'estomac n'a alors aucune chance de faire son travail correctement. Pour certains, trois repas par jour sont préférables à deux.

Pendant trente ans, je n'ai pris que deux repas par jour et je n'ai pas mangé entre les repas. Je sais pour ma part que deux repas peuvent être organisés de manière à convenir parfaitement. Mais personne ne doit faire de son propre cas un critère pour les autres. Chacun devrait étudier soigneusement l'organisme de son corps, afin de savoir comment s'en occuper intelligemment et d'être sûr que l'intempérance dans l'alimentation ne détruit pas les forces vitales du système. Chacun doit savoir par lui-même comment prendre soin de la machinerie de son corps, car personne d'autre ne peut le faire à sa place.

-Lettre 324, 27 novembre 1905, à l'ancien W. W. Simpson, évangéliste à Los Angeles, Californie.

27/11/2024

DAILY DEVOTIONAL

Recipe for Health, November 27

Eat in due season, for strength, and not for drunkenness! Ecclesiastes 10:17.

Eat at regular periods. By wrong habits of eating, you are preparing yourself for future suffering. It is not always safe to comply with invitations to meals, even though given by your brethren and friends, who wish to lavish upon you many kinds of food. You know that you can eat two or three kinds of food at a meal without injury to your digestive organs.

When you are invited out to a meal, shun the many varieties of food that those who have invited you set before you. This you must do if you would be a faithful sentinel. When food is placed before us, which, if eaten, would cause the digestive organs hours of hard work, we must not, if we eat this food, blame those who set it before us for the result. God expects us to decide for ourselves to eat that food only which will not cause suffering to the digestive organs....

Often the different kinds of food placed in the stomach do not agree, and fermentation is the result. This is the cause of many stomach difficulties. Eat at regular hours, and eat wholesome food. Do not place in the stomach too great a variety of food at one meal.

I dare not say to you or to anyone else, You must eat only two meals a day. But I do say that too much food should not be placed in the stomach at one time, for when this is done, the stomach has no chance to do its work properly. For some, three meals a day are better than two.

For thirty years, I have taken only two meals a day, and I have not eaten between meals. I know for my own part that two meals can be so arranged as to be perfectly convenient. Yet no one is to make his own case a criterion for others. Each one should study carefully the organism of his body, that he may know how to deal intelligently with the body, and that he may be sure that intemperance in eating is not destroying the vital forces of the system. Each one should know for himself how to care properly for the machinery of the body, for no one else can do this for him.

—Letter 324, November 27, 1905, to Elder W. W. Simpson, an evangelist in Los Angeles, California.

25/11/2024

Recette de santé, 27 novembre

Mangez en temps voulu, pour vous fortifier, et non pour vous enivrer ! Ecclésiaste 10:17.

Mangez à des heures régulières. En prenant de mauvaises habitudes alimentaires, vous vous préparez à des souffrances futures. Il n'est pas toujours prudent de répondre aux invitations à des repas, même si elles sont faites par des frères et des amis qui veulent vous offrir de nombreux mets. Vous savez que vous pouvez manger deux ou trois sortes d'aliments au cours d'un repas sans que vos organes digestifs en souffrent.

Lorsque vous êtes invités à un repas, fuyez les nombreuses variétés de nourriture que ceux qui vous ont invités vous proposent. C'est ce que vous devez faire si vous voulez être une sentinelle fidèle. Lorsqu'on nous présente des aliments qui, si nous les mangeons, donneront aux organes digestifs des heures de travail, nous ne devons pas, si nous les mangeons, blâmer ceux qui nous les ont présentés pour le résultat. Dieu attend de nous que nous décidions par nous-mêmes de ne manger que les aliments qui ne feront pas souffrir les organes digestifs....

Souvent, les différentes sortes d'aliments placés dans l'estomac ne s'accordent pas, et il en résulte une fermentation. C'est la cause de nombreuses difficultés gastriques. Mangez à des heures régulières, et mangez des aliments sains. Ne mettez pas dans l'estomac une trop grande variété d'aliments au cours d'un même repas.

Je n'ose pas vous dire, ni à vous ni à personne d'autre, que vous ne devez prendre que deux repas par jour. Mais je dis qu'il ne faut pas mettre trop de nourriture dans l'estomac en une seule fois, car l'estomac n'a alors aucune chance de faire son travail correctement. Pour certains, trois repas par jour sont préférables à deux.

Pendant trente ans, je n'ai pris que deux repas par jour et je n'ai pas mangé entre les repas. Je sais pour ma part que deux repas peuvent être organisés de manière à convenir parfaitement. Mais personne ne doit faire de son propre cas un critère pour les autres. Chacun devrait étudier soigneusement l'organisme de son corps, afin de savoir comment s'en occuper intelligemment et d'être sûr que l'intempérance dans l'alimentation ne détruit pas les forces vitales du système. Chacun doit savoir par lui-même comment prendre soin de la machinerie de son corps, car personne d'autre ne peut le faire à sa place.

-Lettre 324, 27 novembre 1905, à l'ancien W. W. Simpson, évangéliste à Los Angeles, Californie.

Address

Lot GVA 1 Soamanandrariny
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mitombo amin'ny Fahasoavana sy ny Fahalalana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share