30/09/2025
🇲🇬 📢 𝐓𝐬𝐲 𝐡𝐞𝐥𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐤𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐥𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚. 𝐍𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐚𝐫𝐚-𝐝𝐚𝐥𝐚̀𝐧𝐚 𝐤𝐨𝐬𝐚 𝐝𝐢𝐚 𝐡𝐞𝐥𝐨𝐤𝐚.
Zo TENA MANAN-KERY izany ary izany no LALÀNA. Ny Andininy faha-10 amin'ny Lalàmpanorenantsika ary ny fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavin'i Madagasikara dia manamafy izany, miantoka ny zo hanao fitakiana am-pilaminana. Tsy tombontsoa io fa zo fototra : Dia ny hanehoana ny hevitra, ny hitakiana ny rariny ary ny hiarovana ny fahamendrehana.
Midera ny fandraisan'andraikitra maha-olompirenena ny rehetra izahay ary mankasitraka anareo amin'ny fanatanterahana io zo io tamin'ny fomba milamina sy tamim-pitandremana hatramin'izao. Ny fanajana ny fitsipika no tanjaka lehibe indrindra ananantsika.
Mila fitandremana kosa anefa ny fandrika amin'ny fakàna fahefana tsy ara-dalàna.
Ny Fanonganana Fanjakana dia ny fandraisana fahefana an-keriny, mivoaka ivelan'ny Lalàm-panorenana. Miteraka izao voka-dratsy izao izany :
- Fahatapahan'ny Lamina Demokratika (tapaka ny lalàna demokratika),
- Fitokana-monina Iraisam-pirenena sy sazy,
- Fampitomboana ny Fahantrana sy ny fahasahiranana ara-tsosialy,
- Fanambakana ny hetsi-bahoaka ataon'ny vitsivitsy.
👉 👉 Mety sy ara-dalàna ny fitakiana am-pilaminana, satria manana ny rariny izany. Fa mba ho azo itokisana dia tsy maintsy mijanona ho milamina, ara-dalàna ary manaraka ny fitsipika demokratika.
✊ Aoka isika tsy ho voafandrika: ny tanjatsika dia ao amin'ny fanajana ny lalàna sy ny feon'ny olompirenena, fa tsy amin'ny fampiasana herisetra.
Mampahatsiahy ny YADEM fa ny demokrasia dia miorina amin'ny ara-dalàna sy ny fandriam-pahalemana, izay soatoavina iombonantsika iarovana.
🇫🇷 📢 𝐌𝐚𝐧𝐢𝐟𝐞𝐬𝐭𝐞𝐫 𝐧’𝐞𝐬𝐭 𝐩𝐚𝐬 𝐮𝐧 𝐜𝐫𝐢𝐦𝐞. 𝐋𝐚 𝐩𝐫𝐢𝐬𝐞 𝐝𝐞 𝐩𝐨𝐮𝐯𝐨𝐢𝐫 𝐢𝐥𝐥𝐞́𝐠𝐚𝐥𝐞, 𝐨𝐮𝐢.
C'est un droit INVIOLABLE et c'est la LOI. L'Article 10 de notre Constitution, renforcé par les traités internationaux signés par Madagascar, garantit le droit de manifester. Ce n'est pas une faveur, c'est votre droit fondamental : celui d'exprimer votre opinion, de réclamer la justice et de défendre votre dignité.
Nous saluons l'engagement de tous les citoyens et nous vous remercions d'avoir exercé ce droit de manière pacifique et responsable jusqu'à présent. Votre discipline est votre plus grande force.
Mais attention au piège de la prise de pouvoir illégale.
Un coup d’État, c’est la prise du pouvoir par la force, en dehors de la Constitution. Cela entraîne :
- la rupture de l’ordre démocratique,
- l’isolement international et les sanctions,
- l’aggravation de la pauvreté et des souffrances sociales,
- la confiscation du mouvement populaire par quelques-uns.
👉 Les manifestations doivent continuer, car elles sont légitimes. Mais pour qu’elles soient crédibles, elles doivent rester pacifiques, régulières et respecter le cadre démocratique.
✊ Ne tombons pas dans le piège : notre force réside dans la légalité et dans la voix citoyenne, pas dans les coups de force.
YADEM rappelle que la démocratie se construit dans la légalité et la paix, valeurs que nous défendons collectivement.