Association "Ho Salama"

Association "Ho Salama" "Ho Salama" soutient les patients du cancer et leur proche en offrant un espace de solidarité et d'écoute.

Rejoignez-nous pour faire une différence dans la vie des personnes touchées par cette maladie !

Miarahaba manokana ny CENHOSOA nahatratra ny faha-135 taona.Raha tsiahivina dia tao no nijoroan'ny association ho Salama...
13/08/2026

Miarahaba manokana ny CENHOSOA nahatratra ny faha-135 taona.

Raha tsiahivina dia tao no nijoroan'ny association ho Salama.

Maro aminay no mitsabo tena ao, fa maro ihany koa ireo mpikambana mitsabo tena hafa, manerana ny nosy.

Asa sarobidy sady masina ny fitsaboana, mankahery anareo hahatontosa izany ary hahatratra ny 135 taona manaraka indray!

Ho Salama eMiandry angamba isika hoe fa inona no lohahevitra resahana  de parole manaraka eo e?Any Tuléar ny réunion de ...
25/07/2026

Ho Salama e
Miandry angamba isika hoe fa inona no lohahevitra resahana de parole manaraka eo e?

Any Tuléar ny réunion de parole manaraka, nohon'ny XXIV èmes journée de cancérologie de Madagascar izay tanterahina any an-toerana ny 5, 6 Aogositra 2026.

@ Septambra indray ô!

🌟 Quand la médecine et la poésie s'unissent pour porter une voix d'espoir...

Parce que soigner, c'est aussi toucher les cœurs, l'AROM a souhaité, comme lors des précédentes éditions, ouvrir ses journées aux artistes.

🎤 Cette année, en collaboration avec les slameurs de MADAGASLAM et de South Slam Community, un concours de slam poésie viendra porter une autre voix sur le cancer.

À travers leurs textes puissants, ils nous rappelleront que les mots sont de véritables mains tendues à celles et ceux qui luttent contre la maladie : des mots capables d'apaiser, d'encourager, de sensibiliser et de rassembler. 💙

✨ Rejoignez-nous pour vivre ce moment fort en émotions et partager ensemble cet élan de solidarité !

Ho Salama e !Manazava aminareo androany izahay ny "pair-aidance"  na "aide par les pairs", izay iray amin'ireo tetik'asa...
20/07/2026

Ho Salama e !
Manazava aminareo androany izahay ny "pair-aidance" na "aide par les pairs", izay iray amin'ireo tetik'asa lehibe ho avy ao amin'ny fikambanana.
Jereo ny sary manaraka mba hahafantaranareo bebe kokoa 🩷

La pair-aidance, ou l'aide par les pairs, est l'un de nos projets phares.
Découvrez ce que c'est, comment cela fonctionne, et comment vous pouvez y participer.
Faites défiler les images pour tout comprendre → 8 slides

Ho Salama e!Iresaka momba ilay tetik'asa "pair-aidance" isika atoato.Io tokoa no vina eritreretina ho tontosaina manarak...
16/07/2026

Ho Salama e!
Iresaka momba ilay tetik'asa "pair-aidance" isika atoato.
Io tokoa no vina eritreretina ho tontosaina manaraka.
Efa nampahafantarina t@AG moa izy io, fa averina hampatsiahivina eto.
Toe-tsaina iombonana sy maharesy lahatra ny Association "Ho Salama" ny fijoroana ho an'ny hafa.

Ho Salama e!Tena "acteur" ao anatin'ny "prise en charge du cancer" ny olona mitsabo tena .Ankasitrahana feno ny AROM - A...
13/07/2026

Ho Salama e!
Tena "acteur" ao anatin'ny "prise en charge du cancer" ny olona mitsabo tena .
Ankasitrahana feno ny AROM - Association d'appui à la Radiothérapie et l'Oncologie de Madagascar manome sehatra ary indrindra indrindra mihaino anay marary ao anatin'ity ady ity.
Zava-dehibe tokoa ny fifampihainoana sy fifanohanana.
Samia salama!

📢 PROLONGATION DE L'APPEL À COMMUNICATION

Suite aux nombreuses demandes de prolongation reçues, le Comité d'organisation des XXIVèmes Journées de Cancérologie de Madagascar a le plaisir de vous informer que la date limite de soumission des résumés est exceptionnellement reportée.

🗓 Nouvelle date limite : 03 juillet 2026 à 23h59

⏳ Délai de rigueur. Aucune soumission ne pourra être acceptée après cette échéance.

📧 Soumission des résumés : [email protected]

Ho Salama e!Isaorana hatrany ny Service d'Oncologie et de Soins Palliatifs fa tena nahafinaritra ny réunion de parole om...
08/07/2026

Ho Salama e!
Isaorana hatrany ny Service d'Oncologie et de Soins Palliatifs fa tena nahafinaritra ny réunion de parole omaly.

Ny fisindan'ny homamiadana no lohahevitra noresahana tao.

Miaina io fotoana io ireo olona mitsabo tena , rehefa tsy ahitana ilay soritr'aretina intsony ao aminy, manodidina ny 5 taona eo izy io.
Izany hoe tsy ny marary rehetra no mandalo azy io.

Inona no zava-miseho eo?
Misy ireo mahatsapa faly, afa-doza, voatahy...
Misy ireo misafidy ho mailo foana hatrany...

Ny zava-dehibe nefa dia ny fahatsapana fa mitohy ny fiainana, na dia mandalo an'io vanim-potoana io aza isika, anaty tebiteby sao sanatria iverina ilay aretina.

Ndao ifaliana kokoa io fotoana io, ndao tohizana ny "projet de vie", ndao anao "activités physiques adaptées", ndao iaina kokoa, ndao arahina tsara foana ny fanafody tokony ho hanina sy ny "contrôle" tokony atao.

Ho Salama e !Nifarana tamin'ny fifaliana lehibe ny AG  faha-2 an'ny fikambanana omaly.Misaotra anareo rehetra tonga niar...
06/07/2026

Ho Salama e !
Nifarana tamin'ny fifaliana lehibe ny AG faha-2 an'ny fikambanana omaly.
Misaotra anareo rehetra tonga niaraka taminay 🩷

Notre Assemblée générale du 4 juillet, une journée qui restera dans nos cœurs.

Sous un beau soleil, nous nous sommes rassemblés pour vivre ensemble ce moment particulier, deux ans de Ho Salama, deux ans de chemin, deux ans d'espoirs partagés.

La matinée, nous avons présenté le bilan des deux dernières années et tracé les perspectives pour l'avenir, avec au cœur de nos projets le programme de pair-aidance ou aide par les pairs que nous voulons construire pas à pas. L'atelier participatif « Mieux connaître son traitement pour mieux dialoguer avec son oncologue » a suscité de nombreuses réactions, des échanges profonds, des témoignages qui nous ont tous touchés. C'est cela, la richesse de Ho Salama : la parole qui circule, l'expérience qui se partage, la confiance qui grandit.
Le déjeuner partagé ensemble a été un moment de vraie convivialité, comme nous les aimons.
L'après-midi, nous avons eu la joie de découvrir une séance de démonstration de taïchi, animée par un coach professionnel. Une belle manière de rappeler que prendre soin de son corps fait partie intégrante du parcours de guérison, c'est l'un des quatre piliers de notre action.
Nous avons terminé la journée avec des sourires plein le cœur.

Nos remerciements
Nos plus sincères remerciements vont à toutes les personnes qui ont fait de cette journée un vrai moment de partage :
- À toutes les participantes et à tous les participants, membres, sympathisants, proches, qui ont pris le temps de venir et qui ont donné à cette journée sa chaleur humaine.
- À notre coach de taïchi, pour la générosité de sa démonstration et la sérénité qu'il a apportée dans notre après-midi.
- À toutes celles et ceux qui nous soutiennent depuis le tout début, souvent en silence mais avec une fidélité qui nous porte au quotidien. Vous savez qui vous êtes. Sans vous, Ho Salama n'aurait pas grandi ainsi.
- Un remerciement particulier au Professeur Rodrigue Hasiniatsy, chef du Service d'Oncologie et de Soins Palliatifs du CENHOSOA, qui nous a honorées de sa présence pendant toute la matinée. Sa venue ne représente pas seulement un soutien à notre association, elle inscrit Ho Salama dans le paysage sanitaire malgache et confirme que la place des associations de patientes aux côtés des soignants est désormais reconnue. Cette confiance nous engage, nous oblige et nous pousse à aller plus loin dans l'amélioration de la prise en charge en oncologie à Madagascar.

À bientôt pour la suite du chemin. Il est long mais nous allons le parcourir ensemble.
Miaraka isika 🩷

Ny fisindan'ny homamiadanaInona izany?Ao  de parole indray isika miresaka azy fa tongavaAo Service d'Oncologie et de Soi...
05/07/2026

Ny fisindan'ny homamiadana
Inona izany?
Ao de parole indray isika miresaka azy fa tongava
Ao Service d'Oncologie et de Soins Palliatifs hatrany
13-14h

Salama e 😊

Kely sisa dia hiresadresaka indray isika momba ny "rémission" na "ny fisindan'ny homamiadana".

Faniriantsika rehetra izany ary tena mahaliana ireo mbola anaty fitsaboana ihany koa.

Tongava ary hitafatafa indray e.

Na marary, na fianakaviana, na manodidina ny marary, na mpiasan'ny fahasalamana, na olona liana fotsiny amin'ny lohahevitra na amin'ny homamiadana dia tongava daholo fa natao ho antsika io.

04/07/2026
Ho Salama e !Roa taona izay...Tamin'ny Oktobra 2023, tao amin'ny Service d'Oncologie et de Soins palliatifs an'ny CENHOS...
29/06/2026

Ho Salama e !
Roa taona izay...
Tamin'ny Oktobra 2023, tao amin'ny Service d'Oncologie et de Soins palliatifs an'ny CENHOSOA no nanomboka ny réunion de parole ary teo no nanombohan'ny zava-drehetra.

Hatramin'izay, ireto ny asa vita niarahana natao :
— Ireo fihaonana fifampiresahana na réunion de parole isam-bolana ao amin'ny CENHOSOA, nanasa ireo marary, havana, ary mpitsabo
— Ny fiaraha-miasa maharitra amin'ireo dokotera onkolojista.
— Ny fanasana nataon'ny AROM hanatrika ny Andro faha-XXIII momba ny onkolojia tamin'ny 2025.
— Ny fandraisana anjara tamin'ny tolon-kevitra izay nahatonga ny fihenan'ny vidin'ny fanafody chimiothérapie
— Ireo asa fanentanana natao tao amin'ny orinasa nanomboka tamin'ny 2024 sy 2025 : C-Care, CCAM, Erium, Vivo Energy Madagascar, Groupe TALYS, Banky First
— Ireo fankalazana Octobre Rose niaraka tamin'ny Clinique Ivokoloaina sy PARAMAD
— Ny fisian'ny Ho Salama eo amin'ny tambazotran-tserasera Facebook.
— Ny fikarakarana fiarahana isan-karazany hiarahan'ny mpikambana ao amin'ny Ho Salama.
— Ary indrindra, ireo vehivavy izay tsy mahatsiaro ho irery intsony eo anatrehan'ny homamiadan'ny nono eto Madagasikara
Ny sabotsy 4 jolay 2026 dia hisy fihaonana hiarahantsika mankalaza ny faharoa taona ny fikambanana.

Mitohy hatrany ny fisoratana anarana hatramin'ny alarobia 1 jolay 2026 izay fotoana farany.
Miandry anareo amim-pifaliana izahay 🩷

Address

Centre Hospitalier Soavinandriana
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Association "Ho Salama" posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share