Vehivavy Tsara - Fanahy sy Fiainana

Vehivavy Tsara - Fanahy sy Fiainana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Vehivavy Tsara - Fanahy sy Fiainana, Community Center, Antananarivo.

🇲🇬 VEHIVAVY TSARA,Voaomana hanao asa tsara

🇨🇵 Femme Vertueuse, préparée d'avance pour
accomplir de bonnes œuvres.

🇱🇷 Virtuous Woman, Prepared in Advance to Do Good Works.

🙏🤗🙂Aimons-nous les uns les autres.💖🥰😘Pardonnons-nous les uns les autres. 🙏❤️❤️❤️🙂💚💚💚 Toujours avec Amour 💚💚💚
25/10/2026

🙏🤗🙂Aimons-nous les uns les autres.💖🥰😘

Pardonnons-nous les uns les autres. 🙏❤️❤️❤️🙂

💚💚💚 Toujours avec Amour 💚💚💚

✨ Fiadanana e🙏🤗🙂🙏🙏🙏 "Tsara ny midera NY TOMPO sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo indrindra ô, ary hanambara ny famindra...
23/10/2026

✨ Fiadanana e🙏🤗🙂

🙏🙏🙏 "Tsara ny midera NY TOMPO sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo indrindra ô, ary hanambara ny famindramponao nony maraina sy ny fahamarinanao nony alina" Salamo 92.1-2🙏🙏🙏

👉Noho ny rotorotom-piainana dia matetika fahazarana tsy misy farany no hiatrehantsika ny fifohazana amin'ny maraina. Efa voakajy sy voapetraka mialoha ny ora tsy maintsy hifohazana ary rehefa migadona izay ora izay dia tsy maintsy miarina na mbola mamy aza indraindray ny fandri-mafana. 😇Matetika dia ao anaty fikoropahana sy fahamaikana no entina miatrika an'ireo andraikitra tsy azo ialana ao an-tokantrano sy ny fiomanana hamonjy ny fianarana na ny asa aman-draharaha; indraindray aza somary lasa ambanin-javatra hatramin'ny sakafo maraina, na mety vitaina fotsiny eny an-dalana ilay atao hoe ody am-bavafo🥺🤷🤦

👉hummmm...vokatr'izay anefa dia lasa toy ny fahorian-tsaina indray ny fahazoana ny andro maraina, lasa fiferotan'aina ny mandre ny fanenon'ny famohamandry atao amin'ireny finday ireny na amin'ny famantaranora...dia tena adino fa ny maraina dia fanomezana, ary amin'ny mahafanomezana azy dia tokony tsy ho adino mihitsy fa tena atao vaindohan-draharaha raha vao mihiratra ny maso ny misaotra an'ILAY MPANOME🙏❤️❤️❤️

☺️Izao eee... na inona na inona mety ho fahamaikana amin'ny famonjena sy fiatrehana ny hazakazaky ny fiainana dia tsy tokony hanadino mihitsy ny kristiana fa ny indrafon'Andriamanitra no mamelona azy ary vaovao isa-maraina izay...wow...dia izao koa annn...amin'izay atao sy atrehina rehetra dia fenoy ny FITIAVANY🙏🤗...dia mirary zoma feno izany FITIAVANY izany ho antsika mpanaraka ny pejy ary ooo..dia aza manahy🙏🤗🙂❤️

💚💚💚Am pitiavana foana 💚💚💚

21/10/2026

😋😋😋 Alarobia sakafo tsara ny vehivavy tsara indray isika eee 🙂🤗

🐟🐟🐟 Poisson farci 🐟🐟🐟

💚💚💚Am pitiavana foana 💚💚💚

🙏🙏raha mamaky azy isika izao...dia didy vaovao 🙏🙏🤔🤔Raha namaky azy isika omaly...dia didy vaovao🤗🙏🤗🤗Raha hamaky azy isik...
20/10/2026

🙏🙏raha mamaky azy isika izao...dia didy vaovao 🙏🙏

🤔🤔Raha namaky azy isika omaly...dia didy vaovao🤗🙏

🤗🤗Raha hamaky azy isika rahampitso...dia mbola vaovao foana eee...🙏🙏𝗝𝗮𝗼𝗻𝗮 𝟭𝟯: 𝟯𝟰.
Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa🙏❤️❤️❤️...dia izay eee...aza hadinoina ihany koa ny fotoanantsika rahampitso amin'ny Alarobia sakafo tsara ny Vehivavy Tsara - Fanahy sy Fiainana eee...somary lavalava ny vidéo...eo amin'ny 6 minitra eo ve... poisson farci 🐟🐟🐟amin'ny fomba azo ataon' ny rehetra no ho zaraina eee🙂😋😋

💚💚💚Am pitiavana foana 💚💚💚

🤗🤗mirary herinandro vaovao feno ny FITIAVANY ho antsika ny pejy Vehivavy Tsara - Fanahy sy Fiainana 🙏❤️❤️❤️🤗🤗...dia izao...
18/10/2026

🤗🤗mirary herinandro vaovao feno ny FITIAVANY ho antsika ny pejy Vehivavy Tsara - Fanahy sy Fiainana 🙏❤️❤️❤️

🤗🤗...dia izao eeee...mamirapirata ry zanak’Andriamanitra oooo...izao ann...loza etsy, korontana eroa, andro farany izao!
📖 « Amínao no iposahan’i Jehovah. » — Isaia 60:2🙏❤️❤️❤️

✨ Ianao no antsoina hitondra ny fahazavan’i Jesosy amin’izao tontolo izao.
🔥 Mahereza! Tia anao Jesosy! ❤️🙏

💚💚💚Am pitiavana foana 💚💚💚

🤔🤔FANTATRAO VE NY FIAVIANAO ARA-PANAHY?🥺🙏🙂🤷Na eto Madagasikara, na any La Réunion, na any Amerika, dia samy manana ny ko...
16/10/2026

🤔🤔FANTATRAO VE NY FIAVIANAO ARA-PANAHY?🥺🙏🙂

🤷Na eto Madagasikara, na any La Réunion, na any Amerika, dia samy manana ny kolontsainy sy ny fomba fiainany ny olona🤷🤔🤗fa raha olom-pirenen’ny Fanjakan’Andriamanitra ianao, moa ve hita eo amin’ny fiainanao ny toetran’ny olom-pirenena any an-danitra?🥺👀💦

✨ Mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ve ny teninao sy ny fanapahan-kevitrao? ✨ Hita taratra eo amin’ny fifandraisanao ve ny Fitiavana sy ny famelan-keloka? ✨ Mbola mahatoky an’i Kristy ve ianao, na dia mampirisika anao hanao ny mifanohitra amin’izany aza izao tontolo izao?🤔🤔🤷

📖 « Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy , dia Jesosy Kristy Tompo . » Filipiana 3:20🙏❤️❤️❤️

🙂🙂Izao eee...aza mijanona amin’ny filazana fotsiny hoe olon’Andriamanitra ianao, fa avelao hanova ny fisainanao sy ny teninao ary ny fihetsikao ny teniNY
👌🙏 Tsy ny filazana fotsiny hoe an’Andriamanitra ianao no zava-dehibe, fa indrindra indrindra ny fiainanao maneho ny maha-olom-pirenen’ny lanitra anao🙏🥺...izay indrindra ary izay ihany🙏🙏🙏

💚💚💚Am pitiavana foana 💚 💚 💚

14/10/2026

😋😋 Alarobia sakafo tsara ny vehivavy tsara indray isika eee 😋😋

🤔🤦🤷😅 Terrine de salto🤔🤷... terrine milay be🤦🤔😅😅🧈🧈

💚💚💚Am pitiavana foana 💚💚💚

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Mamy Hanitra Razafyharimalala, Rd Maminirina, Nomenjanahary Volatiana, Ni Ni, ...
14/10/2026

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Mamy Hanitra Razafyharimalala, Rd Maminirina, Nomenjanahary Volatiana, Ni Ni, Julie Ravelo 🙏❤️❤️❤️et n'oublie jamais que 👇👇👇🙏🙂

🙏🙏🙏ʀᴏᴍᴀɴᴀ 12: 10Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra🙏🙏🙏
12/10/2026

🙏🙏🙏ʀᴏᴍᴀɴᴀ 12: 10
Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra🙏🙏🙏

🤗🤗Mirary faran'ny herinandro miavaka ho antsika mpanaraka ny pejy Vehivavy Tsara - Fanahy sy Fiainana ..hoy zahay hoe......
10/10/2026

🤗🤗Mirary faran'ny herinandro miavaka ho antsika mpanaraka ny pejy Vehivavy Tsara - Fanahy sy Fiainana ..hoy zahay hoe...🙏🙏🙏Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin'ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra. — Isaia 58 : 11🙏🙏🙏

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vehivavy Tsara - Fanahy sy Fiainana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share