21/09/2026
Te hiteny fotsiny aho hoe sarotra hanarina retsy ny sasany aminareo an ! Tena hoe leo aho. Taloha, tamin'ny 2019, tena tsy nampaninona ahy mihitsy nijoro niady ho an'ny fahalalana hoe io nono io tsy mivadika sy tsy mangatsiaka izany. Izaho irery tamin'izany no nijoro teto Madagasikara, tato amin'ny facebook. Taty aoriana vao nahasahy nijoro ny mpiasan'ny fahasalamana, anefa izaho tamin'izany Comptable fa tsy hoe mpiasan'ny fahasalamana akory ! Tsy mbola mampaninona ahy mijoro amin'izany amin'izao. Fa ny mankaleo ahy dia ny famafisan-doha mamorona ny fepetra momba ny MAMA (ilay fampinonoana zaza no atao fanabeazana aizana) 🤦♀️🤦♀️
Na manontany gynécologue ianareo, na hanontany stagiaire dia mitovy foana ny fepetran'ny MAMA :
➡️ Mila mazoto mampinono na atoandro na alina, isaky ny mitady nono ny zaza, na isaky ny 5mn aza io, na haharitra adiny 6 aza izy eo foana. Farafahakeliny im-10 isan'andro, farafahakeliny in-2 amin'ny alina.
➡️ Tsy omena zavatra hafa ankoatra ny nono sy fanafody avy amin'ny dokotera ny zaza. Anisany tsy fanajana an'io fepetra io ilay ranon-tsiramamy na dite omena ny zaza rehefa mbola tsy miakatra iny ny nono, ilay kafe omen'ny olona ny zaza hoe ody fanintona.
➡️ Tsy mbola niverina ny fadimbolana, na dia tasy kely fotsiny aza.
➡️ Zaza latsaky ny 6 volana. Satria ny zaza 6 volana dia efa mihinan-kanina. Izao aza efa lamaody ny hoe vao feno 4 volana, any ambanivohitra aza efa 3 volana dia efa omen'ny olona koba. Noho izany, efa tsy voahaja ny fepetra tatsy ambony ho an'ireny zaza ireny.
➡️ Fepetra farany, izay nampiako : Tsy maintsy hajaina ireo fepetra 4 ireo. Vao misy 1 fotsiny tsy voahaja dia efa tsy mampandaitra ilay fanabeazana aizana.
Fa tsy hoe « nandaitra tamiko fa efa 8 volana izao ny zanako, miankina amin'ny toe-batan'ny tsirairay io ». Efa tsy voahaja izay ilay fepetra farany hoe tsy azo feno noho miohatra ny 6 volana ny zaza, dia tsy mety.
Tsy haiko hoe ny fampianarana anareo tamin'ny nisafo ve no tsy tafita tsara sa ve hoe tsy nisy momba izay mihitsy !!!
Tsy maninona rahateo fa mampitombo ny chances hahazoana kambana koa ilay vehivavy mbola mampinono no miezaka mametraka zaza ka 😉😉
Fanazavana raha tsy mahatoky gasy tahaka anareo :
https://www.has-sante.fr/upload/docs/application/pdf/2015-02/1e_maj-contraception-post-partum-060215.pdf