Afafi-Fet Fenomanana

Afafi-Fet Fenomanana Prière - Eucharistie - Parole de Dieu

AFAFI-FET Fenomanana est un un mouvement d’éducation humaine et spirituelle catholique. 2ème mouvement regroupant des enfants et jeunes catholiques , et est aussi membre actif du Réseau Mondial de Prière de Pape.

16/06/2026

Mirarisoa sy mitondra am-bavaka ireo zandry, zanaka rehetra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE androany✍️🙏

𝗙𝗢 𝗠𝗔𝗗𝗜𝗢𝗡'𝗜 𝗠𝗔𝗥𝗜𝗔 ❤️‍🔥Mivavahà ho anay 🫶🏽Ilay fo notorontoronina tsy azon-keloka Ilay fo nitahiry ny zavatra rehetra Ila...
13/06/2026

𝗙𝗢 𝗠𝗔𝗗𝗜𝗢𝗡'𝗜 𝗠𝗔𝗥𝗜𝗔 ❤️‍🔥
Mivavahà ho anay 🫶🏽

Ilay fo notorontoronina tsy azon-keloka
Ilay fo nitahiry ny zavatra rehetra
Ilay fo notanterahin-tsabatr'alahelo
Ilay fo nitia ny zanak'Andriamanitra
Ilay fo mitia antsika zanak'olombelona ihany koa🌹

Io ilay Fo, Fo Madion'i Maria🙏


𝗥𝘆 𝗝𝗲𝘀𝗼𝗮 𝗺𝗮𝗹𝗲𝗺𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗵𝘆 𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗲𝘁𝗿𝘆 𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺-𝗽𝗼 𝗼̂𝖠𝗍𝖺𝗈𝗏𝗒 𝗆𝖺𝗇𝖺𝗁𝖺𝗄𝖺 𝗇𝗒 𝖥𝗈𝗇𝖺𝗈 𝗇𝗒 𝖥𝗈𝗇𝖺𝗒❤️‍🔥Miarahaba antsika rehetra nahatra...
12/06/2026

𝗥𝘆 𝗝𝗲𝘀𝗼𝗮 𝗺𝗮𝗹𝗲𝗺𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗵𝘆 𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗲𝘁𝗿𝘆 𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺-𝗽𝗼 𝗼̂
𝖠𝗍𝖺𝗈𝗏𝗒 𝗆𝖺𝗇𝖺𝗁𝖺𝗄𝖺 𝗇𝗒 𝖥𝗈𝗇𝖺𝗈 𝗇𝗒 𝖥𝗈𝗇𝖺𝗒❤️‍🔥

Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny Fetin'i Fo Masin'I Jesoa🥰

AFAFI-FET mamaly fitia ny Fon'I Jesoa, ary ny Fon'I Jesoa ao am-pon'ny mpianany

✍️Inona no ezaka efa vitako, vitanao hamaliana fitia ilay Fo fatra-pitia ny olombelona?

✍️Inona ny ezaka ataoko hitandremako ilay Fon'I Jesoa ato amiko

Mitomboa fahamasinana daholo🥰

Ho ela velona ao am-pontsika anie Jesoa. Mandrakizay🔥

Zava-dehibe ho antsika mpanabe ny fiofanana ahafahana manabe ireo zandry🥰Miomana dieny izaoo😍
08/06/2026

Zava-dehibe ho antsika mpanabe ny fiofanana ahafahana manabe ireo zandry🥰

Miomana dieny izaoo😍

"Omeo hevitra ny hendry, hihahendry kokoa;
toroy saina ny marina, hitombo fahalalàna. Ny fahatahorana an'ny Tompo no fiandohan'ny fahendrena;
ary ny fahazavan-tsaina no fahalalàna an'ilay Masina." Ohabolana 9,9-10

📢Ao daholo ve Isika Mpanabe AFAFI FET?😊

Tonga ity ilay fotoana hiaonantsika mpanabe rehetra eto @ Arsidiosezy afovoany🤗.

Session mandritra ny 4 andro be izao 😱😍
mandritra izany dia:
🛑MIVAVAKA
🛑MANDALINA ny fiainan'ny fikambanana mba entina anabeazana ny andianondry rehetra
🛑MIFALY sy Maneho fiombonana

Ka inona no andrasana?😊

Soraty ny anarana ary, de andao HIOMBONA @ FAHAMASINANA e🥳

Ampitampitao ny vaovao😉

AFITEMA 🤗

𝐕𝐀𝐕𝐀𝐊𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐋𝐎𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐉𝐎𝐍𝐀            Ry Andriamanitra Ray be fitiavana ô, atolotro Anao ao am-pon'i Jesoa Zanakao,...
02/06/2026

𝐕𝐀𝐕𝐀𝐊𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐋𝐎𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐉𝐎𝐍𝐀

Ry Andriamanitra Ray be fitiavana ô, atolotro Anao ao am-pon'i Jesoa Zanakao, miaraka amin'ny an'ny olombelona rehetra, entanin'ny Fanahy Masina, omban'ny Fo Madion'i Maria, ao amin'ny Fiangonana: ny fivavahako, ny asako, ny hafaliako sy ny fijaliako rehetra anio; ho fanonerana ny fahotako sy ho fangatahana ny zavatra rehetra; anoloran'i Jesoa ny tenany eo ambony Ôtely, ary ny hanolorako azy indrindra amin'ity volana ity, dia :

Mba ho entina mampanjaka ny Fiadanana sy ny fihaonana ary ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny kolon-tsaina sy ny firenana samihafa anie ny fanatanjahan-tena, ary hovoizana ireo soatoavina toy ny fifanajana sy ny firaisankina ary ny fihoarana ny tena🙏

FETIN'NY RENY ANIO😍Fa tsy adinonay ihany koa Ilay Reny be fitia Ilay Reny mpanasoa Tsy manary ireo mania Fa tsy adinonay...
31/05/2026

FETIN'NY RENY ANIO😍

Fa tsy adinonay ihany koa
Ilay Reny be fitia
Ilay Reny mpanasoa
Tsy manary ireo mania

Fa tsy adinonay indrindra
Ilay Reny maminay
Ka vavaka mirindra
No ndeha horedininay

Arahaba ry Maria,
No atolotray,
Ho ataonay Sapile na dia toko iray

Arahaba ry Maria,
Ho ataonay tonom-bavaka
Mivavahà ho anay , mpanota mila vavaka🥰

Aza adino androany, sady fetin'ny Reny no famaranana ny volan'i Masina Maria🥰
Aza adino ny manao Arahaba ry Maria na dia tokana monja aza🙏

✍️Afafifetfenomanana

IZAHAY SY NENY 🫶🏽Ny tiako sy mamiko eo anilan'i NenyNy safosafoiny, ary koa ny babenyNy tambatambazany, falifalianyNy ho...
31/05/2026

IZAHAY SY NENY 🫶🏽

Ny tiako sy mamiko eo anilan'i Neny
Ny safosafoiny, ary koa ny babeny
Ny tambatambazany, falifaliany
Ny horokorohany sady hitsikiany...

Raha sendra maninona ilay sombin'aina,
Ny fony mijaly tsy hay tantaraina!
Tsy mahatelin-kanina intsony izy akory,
Matetika ny alina koa tsy matory! ..

Imatimatesan'ineny aok'izany
Izay hahasambatra anay eto an-tany
Na aina na vola dia foiny tokoa
Hoenti-mamelona anay avokoa! ...

Ny valim-babeko ho an'i Neny malala,
Dia zavatra tiany, tsy manan-tsahala
Ny valim-babeko ho an'ny Neniko izay
"Ny Foko omeko azy mandrakizay."

𝑹.𝑹𝒂𝒍𝒂𝒏𝒅𝒚

Ity tononkalo ity no entinay AFAFI-FET Fenomanana miarahaba an'ireo Reny rehetra🥰

𝗧𝗢𝗘𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗞𝗘𝗟𝗬 𝗛𝗜𝗩𝗔𝗩𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗡-𝗧𝗥𝗔𝗡𝗢Hoy i moperanay zay hoe: ny télé sy ny radio izao misy fitoerany, ny lakoziantsika te...
29/05/2026

𝗧𝗢𝗘𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗞𝗘𝗟𝗬 𝗛𝗜𝗩𝗔𝗩𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗡-𝗧𝗥𝗔𝗡𝗢

Hoy i moperanay zay hoe: ny télé sy ny radio izao misy fitoerany, ny lakoziantsika tena vita tsara, mipetrapetraka amin'ny toerany daholo ny zavatra rehetra.

Ary manahoana kosa ny toerana hivavahana?

Manana toerana kely hivavahana ao an-trano ve ianao?
Raha eny, tozoy hatrany ny lalàna mankany any amin'ny fahamasinana🌹

Raha tsia kosa dia, ndao hanaovana ezaka🙏

𝗠𝗮𝗻𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗢𝗥𝗔 - 𝗙𝗢𝗧𝗢𝗔𝗡𝗔 - 𝗧𝗢𝗘𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗵𝗼 𝗮𝗻'𝗔𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗺𝗮𝗻𝗶𝘁𝗿𝗮 , 𝗵𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗢𝗥𝗔 - 𝗙𝗢𝗧𝗢𝗔𝗡𝗔 - 𝗧𝗢𝗘𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗵𝗼 𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗸𝗼𝗮✍️

✍️Afafifetfenomanana

𝗘𝗘𝗘𝗛𝗛𝗛 ❗❗Fotoan-dehibe ho antsika AFAFI-FET ny famonjena ny fivoriana , ka aza mety alaim-panahy isika hanao ambanin-jav...
23/05/2026

𝗘𝗘𝗘𝗛𝗛𝗛 ❗❗

Fotoan-dehibe ho antsika AFAFI-FET ny famonjena ny fivoriana , ka aza mety alaim-panahy isika hanao ambanin-javatra izany😊🙏

I MASINA MARIA ILAY VOALOHANY 🫶🏾🙏🏾Hahatsapa isika raha mibanjina an'i Maria, nanompo Ilay zaza nomena azy dia I Jesoa, I...
22/05/2026

I MASINA MARIA ILAY VOALOHANY 🫶🏾🙏🏾

Hahatsapa isika raha mibanjina an'i Maria, nanompo Ilay zaza nomena azy dia I Jesoa, Ilay Tompo, fa nialoha lalana antsika hatrany izy tamin'ireo sakelidalan'ny fitiavana rehetra.

🫴🏽Izy ilay voalohany nandray ny Evanjely tamin'ilay Vaovao Mahafaly nentin'ny anjely Gabriely.

🫴🏽Izy no ilay nanao 'ENY' voalohany tamin'I Jesoa ary io eny nataony io varavarana nanokatra ny eny rehetra: ny eny nentin'i Md Josefa, ny an'i Piera, ny an'ilay mpianatra malala, ny an'i Md Paoly ....ary mamakivaky ireo taonjato, mihavao amin'ny taranaka mifandimby.

🫴🏽I Maria no ilay nanome alalana an'I Jesoa haka ireo voalohan-traikefa teo amin'ny maha-olombelona azy, zaza tiana sy nirina. Amin'ny alalany ny taranantsika olombelona dia nanolotra an-janany ilay fitiavana tsy manam-paharoa ananany, ilay fitiavan-dreny. Niainan'I Jesoa hatramin'ny farafofon'ainy izany.

🫴🏽I Maria no ilay Irak'I Kristy voalohany, mailaka aok'izany izy nandao an'i Nazareta handeha hamangy an'i Elizabeta rahavaviny, nitondra an'I Jesoa.

🫴🏽I Maria Ilay voalohany voatsodrano ao amin'ny Vaovao Mahafaly ary nohobiana hoe sambatra noho ny finoana nananany.

🫴🏽Raha nankalazain''y renin'o Joany Batista kely i Maria dia niantsa ny "Magnificat" [Mankalaza ny Tompo ny fanahiko] ho setrin'izany. Mametraka an'Andriamanitra ho ivo io antsa io hatrany am-piandohan'ny hira ka mandrapaha-taminy.

🫴🏽I Maria no nikarakara an'I Jesoa voalohany indrindra raha vao teraka izy. Voalohany nitia an'Andriamanitra tao amin'ny nofony izy. [Md Lioka 2,7]

🫴🏽I Maria no nivavaka voalohany teo am-pitahirizana tao am-po izay rehetra nambara mikasika an-janany. [Md Lioka2,19. 51]

🫴🏽I Maria no ihany koa ilay voalohany nitsangana teo ambanin'ny aloky ny hazofijaliana. [Md Lioka 2,34-35] Voafidy handray anjara amin'ny fijalian-janany izy.

🫴🏽I Maria no nihazakazaka nanatona an'I Jesoa voalohany raha noheverin'ireo fianakaviany ho lasa adala izy. [Md Marka 3,20-21. 31-35]

🫴🏽I Maria ilay voatonona voalohany tao Kanà, tao Kanà izy no nitondra voalohany ny olam-piainan'ny olombelona teo amin-janany; nahafantatra Azy ary nino Azy izy.

🫴🏽Izy no ilay voalohany noraisina tao an-tranon'ilay mpianatra malalan'ny Tompo. Nanjary fonenany izany trano izany, fianakaviany ary ankohonana kristianina ho azy.

Mametra-tena manontolo ho an-janany I Masina Maria. Santatry ny kristianina izy ary koa voalohany amin'ny fanoloran-tena ho an-janany ; nahoana ary no tsy hitolagaga aminy isika? Ka haka tahaka azy?

Masina Maria ô, mivavahà ho anay mpanota🙏🏾

📚Masina Maria araka ny Evanjely , Giovanni Bigotto, fms
© afafifetfenomanana

Address

Ekar Saint Louis Roi Fenomanana
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Afafi-Fet Fenomanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share