19/09/2026
AIM-PANAHIN'NY TPPM SY NY FISEHOANA TAO LASALETY
Ndeha ho jerentsika amin'ny aim-panahin'ny TPPM ao amin'ny Lalan'ny Fo ny tantaram-pisehoan'i Masina Maria tao Lasalety ny taona 1847.
๐๏ธ๐ง๐ฎ๐ผ๐ป๐ฎ 1846 :
โ๏ธRaha ny ara-panahy no jerena tamin'izany dia naditra tsy miditra am-piangonana ny ankamaroan'ny olona, amin'ny fahavaratra dia vehivavy efa zokinjokiny no hany mba mamonjy lamesa. Rehefa ririnina indray dia ny haneso ny fivavahana no hatongavan'ny sasany ao! Amin'ny karemy izany moa dia maro no mamonjy fivarotan-kena....Mampalahelo loatra fa tsy dia nahoan'ny olona loatra ny fivavahana tamin'izany.
โ๏ธAmin'ny ankapobeny dia mafy ny fiainana tamin'izany. Ho an'ny mponina ambanivohitra dia voly vary sy voly ovy no tena fivelomana, ary mazana ho an'ny fianakaviana sahirana dia nalefa hikarama hiandry omby ny ankizy fa tsy nalefa an-tsekoly... Ka anisan'izany i Maximin sy Mรฉlanie.
๐๏ธ19 ๐๐ฒ๐ฝ๐๐ฎ๐บ๐ฏ๐ฟ๐ฎ 1846 :
โ๏ธIo no andro nisehoan'ilay Andriambavy soa tamin'izy mianadahy. ๐๐๐ถ๐ฎ, ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ผ๐ป๐ฎ ๐ฅ๐ฎ๐ป๐ธ๐ถ๐๐, ๐ฎ๐๐ถ๐ฎ ๐ณ๐ฎ ๐ฎ๐๐ฎ ๐บ๐ฎ๐๐ฎ๐ต๐ผ๐๐ฟ๐ฎ, ๐๐ผ๐ป๐ด๐ฎ ๐ฒ๐๐ผ ๐ฎ๐ต๐ผ ๐ต๐ถ๐น๐ฎ๐๐ฎ ๐๐ฎ๐ผ๐๐ฎ๐ผ ๐น๐ฒ๐ต๐ถ๐ฏ๐ฒ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ฟ๐ฒ๐ผ .....
[ Raha mikiribiby tsy mety manaiky ny vahoakako dia voatery aho hamela ny zandrin'ny Zanako hiantefa aminy...]
[ Andro enina no nomeko anareo hiasana, ny andro fahafito no mba natokako ho ahy; nefa io avy aza tsy foinareo ho ahy akory! Izany no tena mampavesatra loatra ny sandrin'ny Zanako...]
[ Raha mihasimba toy izao ny vary dia ianareo ihany no antony...]
[ Raha mibebaka izy ireo, ny vato sy vatolampy hanjary vary miavosa ....]
[ ... TSy maintsy mivavaka tsara maraina sy hariva ianareo. Eny na dia tsy hanao afa-tsy "Rainay sy Arahaba ry Maria" iray ihany aza....]
[ Izany anie rankizy... Aelezo tsara amin'ny vahoakako rehetra izany]
๐๏ธ ๐๐ถ๐บ-๐ฝ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ต๐ ๐ฎ๐ผ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ป'๐ป๐ ๐๐ฎ๐น๐ฎ๐ป'๐ป๐ ๐ณ๐ผ ๐๐ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐๐ฒ๐ต๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ฎ๐ผ ๐๐ฎ๐๐ฎ๐น๐ฒ๐๐
โฝTeo anivon'ny tontolo feno hakiviana ny vanim-potoana nisehoan'Ilay Reny Masina, ary ny fon'ireto olombelona dia hita fa fo tsy mba tony sy fatra-pikaroka. Fo tsy mba nahatsapa akory ilay fitiavan'Andriamanitra izay nitia maimaim-poana. Samy nitomany na i Masina Maria na I Jesoa Tompontsika, mitarika antsika hibanjina mistery iray izy mianaka dia ilay Fitiavan'Andriamanitra: ny Mpahary ny zavatra rehetra no indro zary tsy mahefa na inona anoloan'ny zava-boaahariny, izy Ilay Fitiavana tsy misy fetra.
โฝ ๐๐๐ถ๐ฎ ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ผ๐ป๐ฎ , ๐ฎ๐๐ถ๐ฎ ๐ธ๐ฎ ๐ฎ๐๐ฎ ๐บ๐ฎ๐๐ฎ๐ต๐ผ๐๐ฟ๐ฎ : Tenin'I Jesoa tafatsangan-ko velona niseho tamin'ny mpianany io [Aza matahotra] . Eto koa i Masina Maria miantso an'izy mianadahy , toy ny iantsoan'I Jesoa antsika hanatona Azy, ho sakaizany ho namany, hilazany vaovao mahafaly sy tsiambarantelo.
โฝ..๐๐๐ฎ๐ป๐ ๐ป๐ผ ๐๐ฒ๐ป๐ฎ ๐บ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ฎ๐๐ฒ๐๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐ป๐ ๐๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ถ๐ป-๐ท๐ฎ๐ป๐ฎ๐ธ๐ผ : [Lk 1,51] Naniraka ny Zanany hamonjy antsika ny Ray, ilay sandrin'i Jesoa , sandry nihampatra teo amin'ny hazofijaliana izay sandry mpamonjy hatrany.
โฝ๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐ฟ๐ฒ๐ผ ๐ถ๐ต๐ฎ๐ป๐ ๐ป๐ผ ๐ฎ๐ป๐๐ผ๐ป๐ ... : tokony hampandinin-tena antsika izany. Tokony ho tsarovantsika mandrakariva fa nohariana ho Endrik'Andriamanitra isika , voaantso hiray Aina Aminy.
โฝ๐ฅ๐ฎ๐ต๐ฎ ๐บ๐ถ๐ฏ๐ฒ๐ฏ๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐ธ๐ผ๐๐ฎ ... : mbola mampandinin-tena antsika izany hafatra masina izany, hevero anie izany hoe "Mitoetra ao anatintsika I Kristy e? Ny Fony avy eo ao am-pontsika". Ny zavatra rehetra itarihan'i Masina Maria antsika dia mifantoka amin'io fitodihana mankamin'Andriamanitra io aloha, nefa koa tsy misaraka amin'io ny fitodihana amin'ny olombelona iray tampo amintsika.
โฝNirahina ary i Maximin sy Mรฉlanie mba hivavaka tsara. Eny rahoviana tokoa moa isika no hanam-potoana? Fa ny vavaka anie tsy hampihataka antsika amin'ny asa e! Ny asa atao zary vavaka rehefa atolotra azy Tompo amin'ny Vavaka Fanolorana ny andro. Miaraka Aminy isika manolotra ny fiainantsika e!
โฝNampalahelo loatra tokoa ny fitantarana ny ataon'ny olona rehefa fahavaratra, eny na ririnina aza, mampalahelo fa manao tsinontsinona loatra ny Eokaristia Masina, nirahina koa izy mianadahy mba hampanaja ny Fo Masin'I Jesoa sy ny Fo Madion'i Maria. Isika ihany koa , ankehitriny, irahina toa an'izy mianadahy hampiely izany hafatra izany, eo anivon'izao tontolo izao izay mila fangorahana, mila fibebahana, mila fihavanana sy fampihavanana.
Inona tokoa moa fa rehefa mazoto mitondra am-bavaka ny fanambin'ny zanak'olombelona isika sy mandray andraikitra ary iray fo amin'ny Eglizy dia vitantsika izany adidintsika izany!
โ๏ธ Mila fampihavanana izao tontolo izao, manomboka ao am-pon'ny ankizy sy ny tanora hatramin'ny olon-dehibe, aty amintsika sy any rehetra any .. araka ny lohahevitry ny konhresy eokaristika 2024 hoe : ny fihavanana no manasitrana izao tontolo izao: mpirao tampo avokoa isika.
โฝIsika izao koa no Maximin sy Mรฉlanie ankehitriny: "Aelezo amin'ny vahoakako manontolo izany!! "
๐Tahirin-kevitra :
Ilay andriam-bavy soa tao Lasalety
Fidio ary ny ho velona
Hafatro - Firaisankina [AFAFI-FET]
ยฉAFAFI-FET FENOMANANA