Fitiba Mpianatra Antananarivo

Fitiba Mpianatra Antananarivo Association des étudiants natifs des plateaux d'Ibara à Antananarivo

03/03/2026

Samy baka amin'ny tany niboahany fe mitraoky raiky lafa niavy Antananarivo atoy🤗🤗.
Mifankatia, miray hina, mifagnampy amy raha iaby iaby ahay atoy ary nihamafisinay zay tamin'ny fifampiarahabà nahatratsy gny tao vaovao 2026, izay natao tamin'ny Sabotsy lasa teo igny😊.
Mankasitraky antsika mpikamba iaby tsy agnavaha tsy agnefera fa la naresaky igny lahy. Sady tsika koa moa lafa manao mifety la mifety vatany😅.
Mazotoa mijery vidéo aby rolahy fa santionany io😁
Ho ela velo gny
❤️ Mifankatiavà riano ❤️

03/02/2026

"Gn'aombilahy zao hoe tsy mirehareha la tsy mahajery lohan'akata, fa asaragn'andro tia"🤗🤗.
Mirehareha ahay fa mana anareo ,misaotsyvalagnatoky zalahy🥰🥰.
Izao gny magnabara fa de mbo mitazo gny kolotsaitsika tsika ndra mandrato fianara alavitsy atoy☺️.
Nasehotsika gny zanak'Ampelezan'ny faritan'ny Toliara na gny koa fa mana kolotsay mampiavaky atsika koa tsika Bara🤗🤗.
Mankasitrakeee zalahy fa gny Bilon'olo tsy ho nifoha tamin'igny koa fa Bilo tsy tea raha masaky 😅.
Amin'ny magnaraky atao tsika maresaky manao an'igny ndraiky koa🤗🤗
Atolotsinay am-pitiava anareo toy vidéo toy mba hizarànay gny hafalianay aminareo

❤️ Mifankatiavà riano ❤️

Fivoriam-be voalohany ho an'ity taona vaovao ity🥰Nareo koa rolahy ee 🤗 Ilazana isika rehetra mpikambana ato amin'ny FITI...
28/01/2026

Fivoriam-be voalohany ho an'ity taona vaovao ity🥰
Nareo koa rolahy ee 🤗
Ilazana isika rehetra mpikambana ato amin'ny FITIBA MPIANATRA fa misy Assemblée générale na A.G isika ny Alahady 01 febroary 2026 ho avy izao, amin'ny 02 ora tolakandro ao amin'ny cité R+3, vert, 2ème étages porte 213, ANKATSO 2.
O.J: -Fanomanana fifampiarahabana tratry ny taona 2026
-Hiresahana momban'ny fiainam-pikambanana
-Fandraisana ireo mpikambana vaovao
-Divers
Koa entanina isika rehetra mba samy ho tonga maro sy hifampilaza amin'ny nama😊
❤️ Mifankatiavà riano ❤️

Nareo koa rolahy e☺️Araky gny fagnambarà fa natao teto moa dia nagnatanteraky gny fivoriam-be na gny   isika maly ka nah...
01/12/2025

Nareo koa rolahy e☺️
Araky gny fagnambarà fa natao teto moa dia nagnatanteraky gny fivoriam-be na gny isika maly ka nahavita azy soa🤗. Tsy hay gny tsy hisaotsy anareo tonga namaly gn'antso. Eto koa dia mahafaly anay gny mandray anareo nama ho mpikamba vaovao handrafatsy an'itoy fikambàna mamitsika toy.


Magnenta anareo zay mbo magniry hilitsy ho mpikamba ho namanay koa fa mandray anareo an-tagnan-droa ahay🥰.
Laha mila fagnazavà fagnampiny la mandefasa message amin'ny page toy avao fa hamaly anareo ahay🤗.
Tsy atao lava gny resaky fa mirary soa atsika aby ary enga anie samy havitriky aby amin'ny fampandrosoa gny fikambànatsika😊.


❤️ Mifankatiavà riano ❤️

Nareo koa rolahy🤗Ilazana antsika FITIBA Mpianatra Antananarivo fa misy fivoriana ny Alahady 30 Novembre ho avy izao. Iza...
25/11/2025

Nareo koa rolahy🤗

Ilazana antsika FITIBA Mpianatra Antananarivo fa misy fivoriana ny Alahady 30 Novembre ho avy izao. Izay hatao ao Ankatso 2,cité R+3,jaune, 2ème étage, porte 213, amin'ny 2 ora tolakandro tsy diso.
O.J: fandraisana ireo mpikambana vaovao sy ireo izay maniry ho mpikambana , fanomezana torolalana ho an'izay hanao concours d'entrée amin'ny Université, divers...
Ampitampitao 😊
❤️ Mifankatiavà riano ❤️

Nareo aby rolahy ee! Elaela tsika tsy nisy vaovao zay😊Eto moa ahay la misaotsy bevata atsika manoha anay mpianatsy hatra...
15/11/2025

Nareo aby rolahy ee!
Elaela tsika tsy nisy vaovao zay😊

Eto moa ahay la misaotsy bevata atsika manoha anay mpianatsy hatramin'zay ka hatramin'zao🙏🥰

Ny ato amin'ny fikambagnan'ny Mpianatsy manoka da miezaky mitazo sy magnome Hasy gny kolotsay maha BARA.

Soa ho fantatsika longo aby fa isak'erinandro, da misy gny fianara sy fandaligna gny kolotsay BARA gn'ato amin'ny fikambagna efa ho herignandro maromaro zay.

Reto gny somisombiny amin'ny efa vita notanterahin'ireto ekipa ara-koltoralin'ny fikambagna tamin'ny Alahady lasa teo😊

Ka Manenga atsika zay tanora na mpianatsy Antananarivo eto hiaraky hamelo gny kolotsay ato amin'ny fikambagna🙏

❗Hamaray Alahady amin'ny 02 folakandro fotoatsika amin'ny "répétition" magnaraky❗

"Tahio gn'ategna fa gn'an'olo tsy omeny."💪
❤️ Mifankatiavà riano ❤️

05/10/2025

❌️FANAMBARANA OFISIALY❌️

Ho an'ireo zandry afaka Bac maniry hanohy fianarana eny amin'ny Oniversite 😊
11/09/2025

Ho an'ireo zandry afaka Bac maniry hanohy fianarana eny amin'ny Oniversite 😊

‎🚨 Ne gâche pas ta première année après le bac ! 🚨

‎Tu sais ce qui arrive à beaucoup de nouveaux bacheliers ? Ils s’inscrivent dans une filière, commencent les cours… et au bout de quelques mois, BAM 💥 ils réalisent qu’ils ont fait le MAUVAIS choix. Résultat : perte de temps, de motivation et parfois même décrochage.

‎👉 Pour éviter de te retrouver dans cette galère, lis les 10 conseils en commentaire.

‎🔥 Retiens bien ça : choisir tes études, c’est poser la première pierre de ton avenir. Mieux vaut réfléchir maintenant que perdre un an à regretter ton choix.

👇Identifie en commentaire tes amis qui ont besoin de ces conseils. 😉
‎Suis la page pour plus de conseils.
‎Joyfulness.mg est ton allié pour un avenir épanouissant.

Nareo aby koa rolahy 🥰Eto dia tsy hay gny tsy hisaotsy an-dragnahary agn'abo ao fa vita soa aman-tsara gny fety izay nok...
29/07/2025

Nareo aby koa rolahy 🥰
Eto dia tsy hay gny tsy hisaotsy an-dragnahary agn'abo ao fa vita soa aman-tsara gny fety izay nokarakarain'ny "Association des Etudiants Solidaires d''Ihorombe na gny " ao amin'ny Oniversiten'ny Fianarantsoa ☺️.
Fety faharoam-polo tao nijoroan'ny Fikambana sy fety fandraisa an'ireo mpikamba vaovao ao amin'ny fikambana😊.
Misaotsy tamin'ny fagnasànareo anay fa dia voninahitsy bevata ho anay gny niaraky nifety tamin'ny nareo tagny🙏🙏. Tsy hay koa gny tsy hisaotsy anareo fikambana rahavavy izay tonga nidododo nagnotro gny fetin'ny longotsika reo tagny. Gny mahasamy raiky atsika fe samy zarain'ny gny tany misy ro niaviatsika agny, makasitraky zalahy🤗🤗.
Tsy vitan'izay moa la mbo maro koa gny nidinidinihitsika zay la lonoky ho tanteraky avao koa☺️.
Misaotsy tamin'ny fandraisa avao fa dia tena afa-po tanteraky ahay🤗.
Lonoky ho raha soa manao an'iregny avao koa gny hifamojeatsika






❤️ Mifankatiavà riano ❤️

On est très reconnaissant pour votre aide précieuse et votre professionnalisme sur ce projet 😊Merci du fond du cœur joyf...
05/07/2025

On est très reconnaissant pour votre aide précieuse et votre professionnalisme sur ce projet 😊
Merci du fond du cœur joyfulness.mg 🙏❤️

Famintinana an-tsary an'ilay atelier de formation izay nokarakarain'ny FITIBA MPIANATRA androany😊Isaorana indrindra Dr N...
03/05/2025

Famintinana an-tsary an'ilay atelier de formation izay nokarakarain'ny FITIBA MPIANATRA androany😊
Isaorana indrindra Dr Nestoria sy Joyfulness.mg nampiofana 🙏
Tsy hadino ihany koa isika rehetra izay tonga nanatrika sy nandray anjara mavitrika,mbola maro ny ho avy ka dia entanina hatrany isika hanaraka ny pejy.

Address

Campus Universitaire Ankatso 2, R+3 Jaune, Porte 213
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fitiba Mpianatra Antananarivo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share